Ny Famantarana ny Amin'ny MPAMINANY JONA

Nitsiky
I Abou. Mitovitovy amin’ny fanontaniana napetraky ny mpitarika fivavahana
tamin’I Jesosy izany. Nangataka famantarana tamin’I Jesosy izy ireo.”
“Famantarana ny amin’ny inona? Hoy Karim liana.
“Tsy nino izy ireo fa Jesosy dia
nirahin’Andriamanitra, koa dia nasainy noporofoina izany”, hoy Abou namaly.
“Afaka nanao izany ve izy?”
“Tsy mba nety niezaka nanaporofo ny
maha-Izy Azy Jesosy”, hoy Abou.
“Nianatra ny Soratra Masina ny mpitarika fivavahana fa jamba loatra izy ireo ka tsy
afaka nahita ny famantarana.
Izay no nahatonga an’I Jesosy
nanondro azy ireo hoe manana ny famantarana ny amin’I Jona mpaminany izy ireo.
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe,”Izay taranaka ratsy fanahy sy
mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena
azy, afa-tsy famantarana ny amin’I Jona mpaminany, fa tahaka ny nitoeran’I Jona
hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy
izany no itoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny
tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro
fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’I Jona teny,
nefa indro, misy lehibe noho I Jona eto.”1
“Nisy hazandrano lehibe ve nihinana
an’I Jona?” hoy Karin gaga.
“Tsia, hoy Abou nanazava. “Natelina
izy satria notendren’Andriamanitra hilaza ny fahotan’ny tanana lehibe atao hoe
Ninive izy nefa natahotra. Koa niondrana an-tsambo izy ary nilefa nankany amin’ny
toerana mifanohitra amin’izany. Tratran’ny tafio-drivotra mahery ny sambo
nandehanany ary niaiky teo anatrehan’ny tantsambo izy fa nilefa
an’Andriamanitra velona. Dia natsipin’ireo tany ivelan’ny sambo izy ka nanjary
tony ny rivotra. Nanendry hazandrano lehibe Andriamanitra hitelina azy. Koa
telo andro sy telo alina Jona no nijanona tao an-kibon’ny hazandrano”2
Niantso mafy an’Andriamanitra avy
tao an-kibon’ny hazandrano izy, niaiky ny fahotany tsy nankatoa ary
nasain’Andriamanitra naloan’ny hazandrano. Mba vakio moa ny tohin’ny tantara ao
amin’ny Bokin’I Jona e!
“Mahafinaritra! Ka tao anatin’ny
kibon’ny hazandrano telo andro sy telo alina izany Jona, mitovy amin’I Jesosy
tao am-pasana!”
Nanaiky tamin’ny lohany Abou. “Eoa,
mbola marobe ireo famantarana samihafa ireo ao amin’ny Soratra Masina”.
“Ambarao ahy hoe ny mikasika azy
ireo!” hoy Karim nientanentana.
“Ny mikasika ny zanak’ondry ihany no
horesahako anio”.
“Ondry mbola kely ve izany
zanak’ondry izany? Hoy Karim nanontany.
“Eoa, ao amin’ny Soratra Masina
manontolo ny zanak’ondry dia ampiasaina ho famantarana. Vao nahita an’I Jesosy
nanatona azy I Jaona mpanao batisa, dia hoy izy, “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao
tontolo izao!3. Nisy fotoana Jaona nampahitana an’I Jesosy nitsangana tany an-danitra
ka nitovy tamin’ny zanak’ondrin’Andriamanitra voavono no nahitany Azy, tao
anatin’izany ny anjely nihira hoe:’ny
Zanak’Ondrin’Andriamanitra Izay voavono no mendrika handray ny hery sy harena
sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra! Fa voavono
Hianao ary ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny
fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena
rehetra”.4
“Fa ianao mahalala fa fahiny elabe
talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, ny zanak’ondry dia famantarana lehibe manondro
an’I Jesosy. Nandevozin’ny Egyptiana
nandritry ny 400 taona ireo zanak’Isiraely. Nasain’Andriamanitra namono
zanak’ondry tsy misy kilema na pentimpentina izy ireo. Ny ankohonana tsirairay
dia tsy maintsy nitondra zanak’ondry ho ao an-tranony tamin’ny andro
fahafolon’ny voaloham-bolana. Tsy maintsy dinihina io zanak’ondry io telo andro
feno, jerena sao misy kilema mandritry ny telo andro. Tsy maintsy ho tsy misy
tsiny ilay izy satria famantarana ny amin’I Jesosy izay tsy misy tsiny. Toy
izao ny filazan’ny apostoly Petera azy:”fa
ny ra soan’I Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy
kilema ary tsy misy pentimpentina Izay fantatra rahateo fony mbola tsy ary ny
fanorenana izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’izao andro farany izao noho
ny aminareo.”5
“Amin’ny faha-14 n’ny andro dia
vonoina izany; angonina ny lio ary lalorinaamin’iny ny tolam-baravarany. Ny lio
no miaro ny anjelin’ny fahafatesana izay namono ny lahimatoan’IEgypta, tsy
hiditra ny trano mandritry ny alina. Avy eo dia tsy maintsy atsatsika manontolo
sy hohanina manontolo fa tsy tapahina ny tongony mba ahatonga ny tenan’ilay
zanak’ondry ho ao anatin’ny tenan’ilay ankohonana.
Taorian’ny nahafatesan’I Jesosy dia
tonga ny miaramila ka nanapaka ny tongotr’ireo jiolahy niara-nohombohana
taminy, izay fanaon-dry zareo hanafainganana ny fahafatesana; fa rehefa tonga
teo amin’I Jesosy izy dia hitany fa efa maty sahady Izy, koa tsy notapahiny ny
tongony.6
Ny alina nahaterahan’I Jesosy dia
nisy mpiandry ondry niandry ny ondriny tany ivelan’ny tanana. Angamba ondry
hoentina ao amin’ny tempoly amin’ny andro fahafolo ireo, mba hozahana alohan’ny
hamonoana azy ny faha-14 andro. Angamba teo amin’ireo mpiandry ondry ireo no
nahatongavan’ny anjely io alina io, nitondra ilay hafatra hoe, “Aza matahotra! Fa indro milaza tany soa
mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy
no teraka ho anareo anio ao an-tananan’I Davida, dia Kristy Tompo!”7
Telo amby telopolo taona
taorian’izay, ny andro fahafolo, rehefa niditra an’I Jerosalema Jesosy ho
amin’ny Paska farany, ireo ondry tany ivelan’ny tanana dia noroahina hiditra ny
vavahady hafa, dia ny vavahadin’ny ondry hoentina ao amin’ny tempoly, mba
hozahana na misy kilema na tsia.
Niditra tao Jerosalema Jesosy
hanolotra ny Tenany hozahana amin’ny maha-Zanak’Ondrin’ny Paska Azy. Neken’I
Pilato Izy satria ny governora romanina rehefa avy nandinika an’I Jesosy dia
naka rano ka nanasa ny tanany sady nanao hoe,”Afaka amin’ny ran’ity lehilahy ity aho”.8 Nozahana nandritry ny telo andro
Izy fa tsy hitan’izy ireo izay tsininy.
“Tamin’io Paska io rehefa
nofantsihana Jesosy, dia tokony ho namono zanak’ondry maro tao amin’ny tempoly
nanomboka tamin’ny 9 ora ka hatramin’ny 3 ora ny mpisorona. Nony tamin’ny 3 ora
dia tokony ho nanambara tamin’ny olona izy hoe,”Vita”. Tany ivelan’ny tanana
kosa, teo amin’ny vohitra tsy dia lavitra loatra, dia nofantsihana teo amin’ny
9 ora maraina teo Jesosy Ilay Zanak’Ondrin’ny Paska. Nony tonga ny tamin’ny 3
ora hariva, mba ilazana fa ny olona rehetra no nitenenany, dia tamin’ny tanana
mivelatra no nilazany hoe,’vita’ ary maty Izy. Izay indrindra no ilay fotoana
naha-triatra ny efitra lamba tao amin’ny tempoly, nanomboka hatreny ambony ka
hatrany ambany”.
“Efitra lamba inona izany?” hoy
Karim nanontany. Ny efitra lamba izay nampisaraka ny efitra Masina indrindra,
izay ny Mpisoronabe irery no mahazo miditra ao indray mandeha isan-taona, mba
hitondra ny ran’ny biby natao fanatitra ho an’Andriamanitra, ho famelana ny
fahotan’ny olona. Rehefa maty Jesosy, dia rovitra ny efitra lamba. Tsy ilaina
intsony izany ny fanatitra biby. Ampy ny ran’I Jesosy hamelana ny otan’ny
olombelona. Ny olona tsirairay dia afaka manatona an’Andriamanitra mivantana
mba hahazo famelana ny helony.”
“Azoko atao ve izany?” hoy Karim
nanontany tamin’ny fo tsotra.
“Eoa, toy ny nataon’ireo
zanak’Isiraely tany Egypta, nampiditra ny zanak’ondry tao anatin’ny tenany, dia
mila mampiditra an’I Jesosy ho ao am-ponao ianao, manaiky ny sorona nataony,
misaotra Azy satria maty ho anao Izy, ary manaiky Azy ho Mpamonjy “ hoy Abou
nanazava. “Manasa Azy hiditra ao am-ponao ianao rehefa miteny ireto teny
ireto:”Jesosy o, manaiky aho fa mpanota. Miaiky ny heloko aho ary mangataka
Anao hamela ahy. Azoko fa maty nisolo toerana ahy Ianao, ary nanasa ny otako
tamin’ny ranao. Jesosy o! manaiky Anao ho Mpamonjy aho. Raiso ho andraikitra ny
fiainako ary aoka ho Mpanjakako Ianao.”
Nikoriana tamin’ny takolak’I Karim
ny ranomaso rehefa vitany ny vavaka. “Araka ny hevitrao, nekeny ve aho?” hoy
Karim nanontany.
“Eoa, araka ny Teniny, hoy Izy:”fa izay rehetra nandray Azy, izay mino ny
Anarany, dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra; ary raha miaiky ny
fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika ary
manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”9
“Tsara
be izany”. Namirapiratry ny hazavana vaovao ny mason’I Karim. “Mbola misy zavatra hafa azonao lazaina ahy ve?”.
“Eoa, aoka hambarako aminao ny mikasika ny
tananan’I Betlehema izay nahaterahan’I Jesosy”, hoy Abou. “Fitonjato
taona talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, dia izao manaraka izao no faminanian’I
Mika mpaminany :
“Fa
hianao ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’ny Joda
akory, dia avy aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho ahy ao amin’ny
Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay”10
“Fa nahoana no I Betlehema?” hoy
Karim nanontany.
Izany dia tao amin’ny
planin’Andriamantra mandrakizay. Ny
teny hoe Betlehema dia midika hoe ny Tranon’ny Mofo. Hoy Jesosy milaza ny
Tenany hoe: Izaho no Mofon’aina Izay
nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona
mandrakizay izy, ary ny mofo izay omeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo
izao.”11
“Tena
sarotra be ity farany ity, hoy Karim.
“Nahoana
Jesosy no niteny hoe:’…ny nofoko no mofo
izay omeko ho fiainan’izao tontolo izao’?”
“Jereo moa izay
nodidian’Andriamanitra hataon’ireo zanak’Isiraely ireo e! Nasain’Andriamanitra
nihinana mofo tsy misy masirasia miaraka amin’ny anana mangidy nandritry ny
herinandro izy ireo tany Egypta.”
“Inona izany mofo tsy misy
masirasira?” hoy Karim nanontany.
“Izy io dia mofo natao tsy nasiana
masirasira satria ny masirasira dia sarin’ny ota. Nantsoin’Andriamanitra hiala
avy tao amin’ny fahotan’I Egypta izy ireo, satria nanao fifanekena tamin’ny ra
tamin’I Abrahama Izy hitahiany ny firenena rehetra. Ny anana mangidy dia
mampahatsiaro azy ireo ny fijaliana niainany tamin’ny nanandevozana azy tany
Egypta. Fa izao no tena mahaliana. Nanomboka hatramin’io Paska voalohany io,
dia nanomboka nametraka mofo tsy misy masirasira telo tao anaty haronkely izy
ireo; mizara telo ilay haronkely ka itoeran’ny mofo iray avy ny fizarana
tsirairay. Mandritry ny sakafo dia alefa amin’ny isan’olona ny tapa-mofo, dia
manapaka kely avy ary mihinana izany izy. Mino izy ireo fa ny mofo tsirairay
dia I Abrahama, Isaka ary Jakoba. Ilay tapany teo afovoany dia sarin’Isaka
natao sorona na dia tsy izy aza no tena natao sorona.”
“Koa inona ary izany no tena
dikan’ilay tapa-mofo teo afovoany?”, hoy Karim liana.
“Jesosy no manome antsika ny
valiny,” hoy Abou nanazava. “Tamin’ny Paska dia nipetraka teo amin’ny latabatra
Jesosy niaraka tamin’ny apostoliny. Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe,’Naniry koa raha naniry aho ny hiara-mihinana
ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy
mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny
fanjakan’Andriamanitra. Dia noraisiny ny mofo, ary rehefa nisaotra dia
novakiany ka natolony azy, sady nataony hoe,’ity no Tenako izay omena ho
anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy!”12
“Ka ny tianao lazaina izany dia hoe
ny mofo izany dia sarin’I Jesosy?”
“Eoa. Toy izany koa ny kapoaka izay
nisotroany tamin’ny Paska. Natolotr’I Jesosy azy ireo ny kapoaka rehefa avy
nisakafo izy ireo ka nolazainy hoe,’Ity
kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay aidina ho anareo’”13
“Miha-azoko bebe kokoa izany izao,”
hoy Karim. “Nanao fanekena amin’ny ra tamin’I Abrahama Andriamanitra hitahiana
ny firenena rehetra. Nampanantena Izy fa hanolotra ny Ainy ho Famonjena ny
olombelona. Ka rehefa natolotr’I Jesosy ny Rany dia tanteraka ny zavatra
nampanantenainy.”
‘Eoa, koa dia afaka miresaka
amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra tiantsika hanaovana izany isika,
satria misokatra malalaka ny lalana mankao amin’ny
Sezafiandrianan’Andriamanitra. Izao no filazan’ny Soratra Masina azy:
“Izao
no fanekena ataoko aminy, hoy Jehovah: Hataoko
ao am-pony ny lalako sady hosoratako ao an-tsainy. Dia hoy koa
Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana
ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Koa amin’izany, ry rahalahy,
satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny
ran’I Jesosy, amin’izay lalana natokany ho
antsika, dia lalana vaovao sady velona
namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisoronabe
mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina
sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana…14
1Mat 12:39-41; 2 Jona 1:17; 3Jaona 1:29; 4 Apok 5:9,12; 5 IPetera
1:19-20;
6 Jaona 19: 32-33; 7 Lioka 2:9-16;
8 Matio 27:11-24; 9 IJaona 1:9;
Jaona 1:12; 10 Mika 5:1 ; 11Jaona 6:35,48,51; 12 Lioka 22:
14-16,19;
13 Lioka 22:20; 14 Heb 10:16-22