Indray takariva izay dia nipetrapetraka sy
niresadresaka teo amoron-dranomasina ireto mpinamana roalahy, dia I Karim sy
Abou izany. Tampotampoka teo dia nanontany I Karim hoe, “Fa inona no nahatonga
ny eritreritra tao am-pon’I Abrahama handroaka ny zananilahy hiala tao
an-tranony?”.
“Fantatrao ve hoe firy taona Ismaela raha
nalefan’I Abrahama izy mianaka? Hoy Abou somary gaga.”
“Ehe! Tsy haiko. Firy taona izy?”
Hoy Karim te-hahalala.
Izao no voalazan’ny Torah: “86 taona Abrahama raha teraka an’Ismaela
Hagara. 99 taona Abrahama no niseho taminy indray Andriamanitra ka nanamafy
taminy fa homeny zanakalahy izy amin’ny alalan’I saraha, afaka herintaona”,1
“Koa 14 taona izany Ismaela raha teraka Isaka”
hoy Karim. “Tamin’izay fotoana izay ve izany izy no noroahina?”
“Telo taona taorian’izany, izany hoe fito
ambinifolo taona izany, rehefa notazana Isaka.2Tsy vao sambany akory izany no
niala ny tranon’I Abrahama ny reniny”. “Koa oviana izany ny voalohany? Toa gaga
I Karim.
“Talohan’ny nahaterahan’Ismaela. Araka ny
ambaran’ny Torah, dia nitondra vohoka an’Ismaela I Hagara no nanomboka nanao
tsinontsinona ny tompovaviny. Koa nampahorian’I Saraha izy dia nandositra, fa
Andriamanitra Tenany mihitsy no niditra an-tsehatra ka namerina an’I Hagara ho
any an-tranon’I Abrahama. Andeha hovakiantsika manontolo io tantara io ao
amin’ny Genesisy toko faha-16:
“Ary Ilay
anjelin’I JEHOVAH nahita azy teo anilan’ilay loharano anankiray tany an’efitra,
dia teo anilan’ilay lalana eo amin’ny lalana mankany Sora. Ary hoy izy, “Ry
Hagara, andevovavin’I Saray, avy taiza hianao? Ary hankaiza?” Ary hoy izy, “Mandositra ny tavan’I Saray tompovaviko
aho”. Dia hoy ilay anjelin’I JEHOVAH taminy,”Hataoko maro indrindra ny
taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.” Ary hoy indray ilay
anjelin’I JEHOVAH taminy, ”Indro, manana anaka hianao ka hiteraka zazalahy, ary
ny anarany hataonao hoe Ismaela, satria efa nihaino ny fahorianao JEHOVAH. Ary
izy ho lehilahy toy ny boriky dia; ny tanany hamely ny olona rehetra, ary ny
tanan’ny olona rehetra kosa hamely azy; eny honina eo tandrifin’ny rahalahiny
rehetra izy.” Ary Hagara nanao ny anaran’I JEHOVAH ,Izay niteny taminy
hoe,”Hianao no Andriamanitra Izay nahita; fa hoy izy, “Tsy teto va no mbola
velona aho taorian’ny fahitana?3
Eto dia misy
zava-dehibe tsy azontsika odian-tsy hita. Fantatr’I Hagara fa tsy hoe anjely
fotsiny akory no niresaka taminy. Fantany fa Andriamanitra velona io. Nomeny
Azy ny anarana hoe, Ilay Andriamanitra izay
nahita ahy.
Mazava fa raha anjely fotsiny tsy afaka hanome teny fikasana hoe, “”Hataoko
maro indrindrra ny taranakao ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany”.
Ismaela no zaza voalohany voalaza fa nandray ny anarany avy tamin’Andriamanitra
talohan’ny nahaterahany, ary ny dikan’ny anarany dia; Mihaino Andriamanitra. Io anarana io dia mampahatsiaro an’Ismaela
sy ny taranany mandrakariva fa hihaino azy Andriamanitra isaky ny tena miantso
marina sy mitaraina famonjena Aminy izy ireo”.
“Mahatalanjona izany!” hoy Karim. “Nefa mbola
mihevitra zaho fa tena mampalahelo tokoa izany hoe ray mandroaka ny zanany
izany na dia 17 taona aza izy. Angaha tsy tiany intsony ny zanany?”
“Ehe,e!, tiany ke. Misy raha
mitranga sy misy dikany anaporofointsika an’izany ao amin’io tantara io. Raha
mbola 13 taona Ismaela dia niseho tamin’I Abrahama indray Andriamanitra mba
hanamafy ny fanekena nataony taminy talohan’ny nahaterahan’Ismaela, “izay haterakao, dia izy no handova anao”.4
Nieritreritra I Abrahama tao anatin’izay 13 taona
izay fa Ismaela io zanakalahy nolazain’Andriamanitra io. Tiany I Ismaela ary
nokolokoloiny. Tsy isalasalana fa nohazavain’I Abrahama tamin’Ismaela ny
fitahian’Andriamanitra ny firenena rehetra nampanantenain’Andriamanitra avy
amin’ny taranany. Ary izao Andriamanitra niseho taminy indray fa hiteraka
zazalahy Saraha. Tsapan’I Abrahama fa diso hevitra izy. Ilay tena zazalahin’ny
teny fikasana dia ho teraka afaka herintaonan’io fotoana io.
“Niankohoka tamin’ny tany teo
anatrehan’Andriamanitra Abrahama nanao hoe,” Enga anie ka Ismaela no ho velona eo anatrehanao!”5 Avy teo Andriamanitra namaly azy
hoe, “Ary ny amin’Ismaela dia efa nihaino
anao Aho,indro efa nitahy azy Aho, ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy
indrindra: hiteraka andriana roambinifolo izy satria efa notendreko ho firenena
lehibe”6
“Ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’I
Abrahama dia fanekena tamin’ny ra, ka ny famorana izay famantarana akaiky sy
masina indrindra amin’ny roa tonta io. Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza hoe, “noforana tamin’io andro iray io Abrahama sy
Ismaela zanany”7. Ny teny
tsirairay izay ampiasain’Andriamanitra dia misy dikany iaby. Tiany ho
fanatatr’izao tontolo izao fa Ismaela sy izao tontolo izao taty aoriana rehetra
dia tafiditra ao anatin’io fifanekena mandrakizay amin’ny ra io.
“Inona no dikan’izany?” hoy Karim liana
mihitsy.
“Ny dikan’izany dia hisy andro
handatsahan’Andriamanitra ra ho famonjena mandrakizay ho an’ny
taranak’Ismaela!”
“Diso ve Abrahama naka an’I Hagara ho vadiny?”
hoy karim nanontany sy nanahy.
“Tsy diso izy raha ny fomba tamin’izany fotoana
izany, fa diso kosa izy raha araka ny fitsipi-dalaon’Andriamanitra” no jerena.
Tsy mbola niteny tamin’I Abrahama Andriamanitra hoe tokony haka vady faharoa
izy. Ny fananana vady faharoa dia miteraka olana foana. Ny
namoronan’Andriamanitra ny lehilahy dia ny hanana vady tokana fony Izy namorona
an’I Eva ho an’I Adama tao amin’ny sahan’I Edena. Tsy ny fombafomba sy ny
kolotsaina no fenitra tratrarintsika fa ny lalan’Andriamanitra”.
“Ary Ismaela? Inona no nitranga taminy nony
noroahin’I Abrahama ry zareo?”
“Andraso kely! Aza maika. Heveriko fa tsy hoe
nisy tanjona hoe nandroaka azy hiala ny trano akory! Rehefa nangataka an’I
Abrahama handroaka an’Ismaela Saraha satria Ismaela nanesoeso teo amin’ny
fetin’ny fahamaotina, dia hoy ny Torah amintsika hoe,”…ratsy dia ratsy teo imason’I Abrahama izany noho ny amin’ny zanany lahy”.
Dia niditra an-tsehatra indray Andriamanitra ka niteny tamin’I Abrahama tsy
hanahy ny amin’Ismaela fa hitahy an’Ismaela Izy.
Fa teo noho eo ihany dia nataon’Andriamanitra
nahitsy tamin’I Abrahama ny Teniny hoe, “Ny taranaka, milaza zavatra tokana,
manambara ny amin’ny Persona(Jesosy)- izay ho fitahiana ny firenena, dia ho tonga amin’ny alalan’ny taranak”Isaka.”8
“Ka
tsara lavitra izany Isaka?”
“Tsia , tsy misy ifandraisana amin’ny hoe iza
no tsara na iza no ratsy izany. Ny mpaminany Isaia dia nilaza fa ny
fahamarinantsika rehetra dia tahaka ny lamba mihosin-dra (isaia 64:5). Nifidy
ny taranak’Isaka sy ny tanin’ny Isiraely tao amin’ny planiny Andriamanitra.
Tamin’ny alalan’izany taranaka izany sy io tany kely io no ahaterahan’ny
Mpamonjy, avy eo amin’ny ivon’izao tontolo izao no hiverenan’I Jesosy ho
Mpanjaka hitsara izao tontolo izao”.
“Ka avy avy hatrany dia voavonjy ho azy ary ve
ny Jiosy satria nofidin’Andriamanitra io taranaka io sy io tany io?”
“Tsia , tsy izany velively. Tsy
misy mendrika ny famonjena noho ny asa soa. Ny Jiosy amin’izao fotoana izao dia
mila manaiky an’I Jesosy ho Tompony toy ny firenena rehetra. Fa I Paoly
apostoly aza ao amin’ny Romana 11:25 dia miteny hoe, ‘ Fa tsy tiako tsy ho
fantatrareo izany zava-miafina izany ry rahalahy, fa efa misy fahamafisam-po
manjo ny Isiraely sasany, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentilisa…”. Amin’izao andro farany izao isika
dia afaka manantena taranak’Ismaela marobe, hahalala ny tena maha-Izy an’I
Jesosy.”
“Andao hotohizana ny tantaran’Ismaela. Nomen’I
Abrahama vatsy ampy ahatratrarany ny fantsakana manaraka Hagara sy Ismaela. Fa
toa tsy hitan’I Hagara io fantsakana io. Nony tsapany ny olana, dia navelany
irery Ismaela ka lasa nihataka lavidavitra izy ary nipetraka nitomany. Tonga
taminy ny anjelin’ny Tompo ary araka ny hevitrao inona no nolazainy taminy?”
“Angamba mety hoe, “Aza mitomany ry Hagara fa
mihaino anao Andriamanitra!” hoy ny navalin’I Karim.
“Tena hainao tsara mihitsy! Hoy ny Soratra
Masina hoe,”Ary hoy Izy taminy,”Inona izato manjo anao ry Hagara? Aza
matahotra, fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’ny itoerany.”9. Aza hadinoina fa ny dikan’ny hoe Ismaela dia”Mihaino Andriamanitra”.
Na amin’izao vanin’andro izao aza, Andriamanitra dia mandre ny fitarainana mila
famonjena, izay atao amin’ny fo tsotra avy amin’ny taranak’Ismaela. Avy eo dia nasehon’Andriamanitra an’I Hagara
ny fantsakan-drano teo akaikiny, izay namonjy ny fiainan’izy mianaka”.
“Tena nisy fiantraikany lalina teo amin’ny
fiainan’ity zazalahy ity anagamba iny zavatra niainany tany an-tanihay iny
an!”, hoy Karim.
“Eoa, tsy isalasalana fa alahelo,
fahatsiaroavan-tena ho voaiikilika, fangidiana sy fanaintainana no naka fakany
lalina tao amin’ny firenena izay taranany. Fa mbola nihaino azy ireo indray
Andriamanitra ka nanome ny ranon’ny fahasitranana. Toy ny antsoantso nataon’I
Jesosy tao amin’ny andro firavoravoana tao Jerosalema hoe, “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy
hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy dia hisy onin’ny ranovelona hiboiboika
avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, Ary ny Fanahy, Izay efa
horaisin’ny mino Azy no nolazainy Tamin’izany;”10
Inona no tian’Andriamanitra ambara amin’ilay
hoe andriana nampanantenainy an’Ismaela? Hoy Karim nanontany.
“Nanana zanakalahy 12 Isimaela.
Nambaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ny anaran’izy ireo. Azonao
vakiana ny tantaran’ireo zanakalahy roa ambin’ny folo ireo sy ny toerana nonenany
ao amin’ny Genesisy 25, manomboka ao amin’ny andininy 13-14. Niparitaka avy tao
Egypta izy ireo ary nanerana an’I Arabia. Notahiana ara-isa tokoa ny
taranak’Ismaela ka niely araka ny Tenin’Andriamanitra. Fa ny tena fitahiana
tapitr’ohatra dia ny fampanantenana Famonjena amin’ny alalan’I Jesosy Kristy
izay hany Mpamonjy mendrika, satria tsy nanana ota Izy.
“Fantatrao ve fa 175 taona Abrahama no maty ary
ny Torah dia milaza fa “Isaka sy Ismaela
zanany nandevina azy tao amin’ny zohy tao Makpela”11. 62 taona taorian’ny
nandroahana an’Ismaela izany no nitranga. Koa Ismaela izay efa 89 taona
tamin’izany ary ny rahalahiny tsy iray reny taminy dia 75 taona”. Mampalahelo
fa tsy mifankatia ny taranak’izy mirahalahy ireo ankehitriny. Toa tsy fantany
fa samy tafiditra ao anatin’ny teny fikasana ny amin’ny famonjena ny fireneny”
hoy Karim.
“Eoa, mampalahelo” hoy Abou. “Kanefa tsy mbola
tara. Na iza na iza dia mbola afaka miditra amin’io fanekena io na rahoviana na
rahoviana. Amin’ny vavaka fotsiny ianao dia afaka miaiky amin’Andriamanitra fa
mpanota ka tsy mahavonjy tena. Dia miditra amin’ny fanekena ianao amin’ny
fangatahanao an’I jesosy hiditra eo amin’ny fiainanao, ka ho tonga Mpamonjinao
manokana. Amin’izay fotoana izay dia hanaiky anao ao amin’ny fanekena Andriamanitra
amin’ny alalan’ny sorona nataon’I Jesosy Kristy. Amin’izay Jesosy maniraka ny
Fanahiny Masina hampitoetra ny Fiainany ao anatinao. Ny Fanahy Masina amin’izay
fotoana izay no ho vavolombelona amin’ny fanahy maha-olona anao fa miditra ao
amin’ny fanekena ianao ary tonga zanak’Andriamanitra. Na zovy na zovy dia afaka
manao izao vavaka izao. Na avy amin’ny firenena inona ianao na avy amin’ny
firenena inona, fa natao ho an’ny firenena rehetra izany. Ny Soratra Masina dia
milaza hoe,” Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy; fa tsy misy hafa, na Jiosy
na Grika(Jentilisa) fa iray ihany ny Tompon’ izy rehetra, sady manankarena
homena izay rehetra miantso Azy Izy. Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo
no hovonjena”.12
Ny votoatin’ny tantaran’Ismaela dia azo
fintinina amin’ny fehezanteny hoe: MIHAINO ANDRIAMANITRA, MANDRE ANDRIAMANITRA
ary MIAHY ny taranak’Ismaela Izy. Tia anao Izy ary TIANY hovonjena
ianao!
1
Gen 16:16; 17:1-19; 2 Gen 21:8-14;
3 Gen
16:7-13; 4 Gen 15:4; 5 Gen 17:18
6
Gen 17:20; 7 Gen 17:26; 8 Gen 21:10-13; 9 Gen
21:17; 10 Jaona7:37-39;
11
Gen25:9 ; 12 Rom 10:11-13

No comments:
Post a Comment