Nisy lehilahy iray antsoina hoe Said nipetraka
tao an-tanana kely izay. Tonga tao
am-piangonana izy indray alahady maraina nitondra tranomborona harafesina, efa
malezolezo ary napetrany teo ambony
pilopitra.
Nitsangana ny volomaso maro raha nanomboka niteny
Said.

Nasaiko nijanona ilay zazalahy ka nanontaniako hoe,
”Inona anaka iny aminao iny?”
“An!an!an! Vorona
antitra e!,” hoy ny valiny.
“Hataonao inona ireo?”
hoy aho.
“Ho entiko mody dia hifalifaliana e!” hoy izy. “Hankasiahako dia hongotako ny volony dia
amin’izay izy miady, tena hahafinaritra ahy izany!”
“Fa tsy maintsy ho leon’ireo vorona ireo ianao!dia
hataonao ahoana avy eo?”
“An,an,an, manana
saka maro aho,” hoy ilay zazalahy, “Ary tia vorona ireo, dia homeko azy!”.
Nangina kely
Said. “Ohatrinona no hama-rotanao ireo vorona ireo anaka?
“Fa ahoana? Tsy
ilainao ireo vorona ireo tompoko: vorona fahita eny an-tsaha, tsy mihira, tsy
mahafatifaty akory!”
“Ohatrinona?” Hoy indray Said.
Nisaka paosy
ralehilahy dia namoaka roa arivo.
Nataony teo an-tanan’ilay zazalahy.
Avy hatrany dia lasa ilay zaza.
Dia noraisiny ny
tranomborona ary nentiny moramora teny amin’ny fiafaran’ny lalana feno hazo sy
bozaka. Napetrany ilay izy, nosokafany
ny varavarany ary nope-pehany ny tranomborona handresy lahatra ireto vorona
hivoaka. Dia nanomboka nitantara izao izy:
Tafaresaka Jesosy sy Satana indray andro.
Vao avy teny
ambonin’ny tany Satana ka niedinedina sy nirehareha hoe, “Eny Tompoko, baboko ny tany. Nofandrihako, nampiasako jono, haiko fa tsy
hahatohitra ireo. Baboko avokoa”.
Namaly Satana
hoe, “Ha! Hanaovako izay mahafinaritra
ahy, hampianariko azy ny fomba fanambadiana sy fisarahana, ny fankahalana sy ny
fanararaotana, ny fisotroan-toaka sy ny fifohana sigara sy zava-mahadomelina sy
ny sisa …fila-tsahana amin’ny karazam-pahavetavetana rehetra ary ny fialana
amin’ny tsara! Hampianariko hamorona
basy sy baomba ary fifamonoana izy ireo.
Tena hanome fahafinaretana ahy izany!”
“Hataonao ahoana izy
rehefa leo azy ianao?” hoy Jesosy.
“O! hovonoiko
ireo”, hoy Satana niedinedina sy
nirehareha.
“Ohatrinona no ividianako azy ireo eo
an-tananao?” hoy
Jesosy.
“An!an!an, fa
hataonao inona ireo olona ireo? Tsy misy
ilana azy-nahoana? Tianao izy nefa mankahala Anao. Handrora anao
ireo, hanompa sy hamono Anao! Hataonao
inona koa ireo?”
“Ohatrinona?”
Hoy ihany Jesosy nanontany.
Nijery an’I Jesosy I Satana ary nihifikifika,
“Ny ainao sy ny
ranao”.
Hoy Jesosy,
“VITA!”
Dia naloany ny vidiny.
ILAY ZAZALAHIKELY HANAN’NY
HATSIAKA
Nisy zazalahikely nivarotra gazety teo
an-joron-dalana maro olona. Tena
nangatsiaka loatra izy ka tsy niezaka namarotra gazety intsony. Nanatona ilay polisy izy dia niteny hoe, “Mba fantatrao ve tompoko azafady hoe aiza no
mba mety hahitan’ity zaza mahantra ity toerana mafana azo atoriana anio
alina? Hainao moa? Atsy amoron-dalana atsy aho no matory anaty
baoritra ary tena hanaikitra ny hatsiaka ao androany alina. Tena tsara raha mba mahita toerana mafana azo
atoriana.”
Niondrika nijery ilay zazakely ilay polisy
ka nanao hoe, “Mandehana mizotra midina
mankamin’iry trano fotsifotsy iry ary dondony ny varavarana. Rehefa misy mamoha, dia mitenena foana hoe,
’Jaona 3:16’, dia havelany miditra
ianao”.
Dia nataony izany. Niakatra ny tohatra izy ka nandondona ny
varavarana ary nisy vehivavy namaly.
Niandrandra izy ka nanao hoe, ”Jaona 3:16". “Mandrosoa anaka”. Nentiny niditra izy ka nampitoeriny teo
ambony seza mihetsiketsika misy fipetrahana mizarazara tsara, izay teo
anoloan’ny fatana malalaka sy tranainy, dia lasa ravehivavy. Nipetraka razazalahy dia nieritreritra hoe,.
“Jaona 3:16…Tsy azoko izany fa tena manome hafanana zazalahy hanan’ny
hatsiaka.”
Afaka kelikely dia niverina ravehivavy ka
nanontany azy hoe, “Noana angaha ianao?”
Dia hoy izy hoe, “Eoa, somary noana ihany zaho. Efa andro maromaro aho no tsy nisakafo ary
ataoko fa afaka mba hisakafo kely aho. Nentin-dravehivavy tany an-dakozia izy ka napetrany
teo anoloan’ny latabatra feno hanim-py.
Nihinana mandra-pahavokiny tsy nahahinana intsony izy. Avy teo dia hoy ny eritreriny: “Jaona 3:16… Ah, zalahy e! tena tsy azoko ny
dikany fa tena mahavoky ny zazalahy noana.”
Nentin-dravehivavy
tany ambony rihana tao amin’ny trano fisaikana nisy “baignoire” lehibe feno
rano mafana izy, ka nipetraka tao ka
nilona tao elaela. Nilona tao izy dia
nieritreritra hoe: “Jaona 3:16… tena tsy
azoko izany fa mampadio zazalahikely maloto.
Hainao? Tsy mbola nisaika tena
nisaika toy izao mihitsy aho teo amin’ny fiainako manontolo. Ny mba tena nisaiako izao dia izaho
nitsangana teo anoloan’ny fantsona lehibe sy tranainy rehefa manadio an’io ny
olona”.
Niditra ravehivavy ka nahita azy. Nentiny tany an’efitrano izy, nampandriany teo amin’ny fandriana tranainy
lehibe malemilemy karaha volomborona;
nampiakarin-dravehivavy hatreny an-tendany ny lambam-pandriana, dia
nanoroka azy izy sady nirary azy ho tsara mandry, dia namono ny jiro. Tao amin’ny maizina tao izy no nanopy ny
masony teny am-baravarankely, ka nahita ny ranomandry nirotsaka tao anatin’io
alina mamirifiry io, dia hoy izy, “Jaona
3:16…tena tsy azoko fa kosa mampiala sasatra ity zazalahikely reraka ity”.
Ny
marainan’io dia niverina ravehivavy ka nitondra azy nidina indray, tao
amin’ilay misy latabatra lehibe feno hanim-py.
Rehefa avy nisakafo izy dia nentin’ilay vehivavy niverina tao amin’ilay
efitrano nisy ilay seza mihetsiketsika efa tranainy malemilemy tsara, teo
anoloan’ilay fatana ary nandray Baiboly lehibe efa tranainy izy. Nipetraka teo anoloany izy ary nibanjina ny
tarehiny mbola tanora. “Azonao ve ilay
hoe Jaona 3:16?” hoy izy tamin’ny
halemem-panahy. “Tsia tompoko, tsy azoko
izany, vao sambako nandre izany omaly alina rehefa nasain’ilay polisy nampiasa
izany aho.”
Nosokafany
ny Baiboly tao amin’ny Jaona 3:16 ary nanomboka nanazava ny mikasika an’I
Jesosy izy. Teo noho eo, teo anoloan’io
fatana lehibe efa tranainy io, no nanoloran’ilay zazalahy ny fony sy ny
fiainany ho an’I Jesosy. Teo izy no
nipetraka ka nieritreritra hoe, “Jaona
3:16… tsy tena haiko fa manome fialofana ho an’ity zazalahy very ity.”
Hainao
moa? Tsoriko aminao fa izaho koa tsy
mahatakatra izany hoe Andriamanitra nanaiky ny haniraka ny Zananilahy ho faty
noho izaho, sy ny hoe ahoana no naneken’I Jesosy hanao zavatra toy izany; tsy
takatry ny saiko ny fijalian’ny Ray sy ny anjely tsirairay tany an-danitra teo
am-panatrehana an’I Jesosy nijaly sy maty.
Tsy azoko izany fitiavan-dalina nitiavan’I Jesosy AHY teo amin’ny
hazofijaliana hatramin’ny farany
izany. Tsy takatry ny saiko fa mahatonga
ny fiainana mendrika iainana izany.
Jaona 3:16: Fa toy
izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany Lahitokana
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
No comments:
Post a Comment