Friday 17 May 2013

Fanahy Ratsy-Ireo Djini



Djini

Nirifatra toa nisy nanenjika I Bacar nihiakiaka hoe,  “Matiny izy, matiny izy! Vonjeo e!!”  Tsy nisy taitra ny olona.  Nijery sy nihomehy azy ny mpiara-monina.
Tamin’ny voalohany dia tsy hitan’I Bacar izay haleha, fa nihodinkodina fotsiny izy. Maizina taminy ny lanitra satria efa ho maizim-bolana ny alina. Tamin’izay indrindra no nanapahany hevitra hihazakazaka ho any amin’I Abou. Tsy maintsy hanampy azy Abou. Fanaony ny manampy olona.
Nanomboka nitsoka mafy ny rivotra.  Nihoarany ny alan-kida.  Natopiny teny amin’ny alan-kida ny masony, mihoatra ny sorony ny halavan’ny hazo.  Mandrovitra ireo ravina be velarana ny rivotra.  Ny tahony mikopakopaka mafy karaha tanana goavambe miezaka hihazona ity zazalahy nivadi-po.  Karaha ren’I Bacar ny hazo miantso ny anarany hoe, “Bacar”, hoy izy ireo misiotsioka. “Haka anao izahay…, ho hitanay ianao…, ho tratranay ianao…!”  Tampoka teo, injao henony misy dian-tongotr’olona nihazakazaka mafy manaraka azy.  Niala ny alan-kida izy ka nizotra ho amin’ny lalan-kafa, kanefa tsy niala tao aoriany ny dian-tongotra sy ny feo miantso ny anarany.
Ao an-tanana mifanila amin’ny tananan-dry Bacar no misy an-dry Abou.  Tonga tao an-tranon’I Abou izy ary nitalapetraka teo amin’ny tany, trotraka.
Niankanakana I Abou.  “Fa manino anao  Bacar?  Karaha olo nahita sentoany!  Ino raha tsy mety?”
Tsy nahaloa-peo I Bacar tamin’ny voalohany.  Maina be ny tendany ka tsy nahateny izy.  “Matiny izy, matiny zy,” hoy izy niankanakana.
“Iza no namono an’iza?”  Hoy Abou te-hahalala.
“Mamako. Ilay vehivavy!” hoy ity zaza fadiranovana nihiakiaka.
“Novonoin’ny mamanao ve ilay vehivavy?”
“E!he!  Viavy iny namono mamako.”
“A! Bacar, sotroy ranomboankazo ty, avy eo anao mitantara ny raha jiaby.”
Toa nivadi-po Bacar nitantara ny tohin’ny raha nitranga. “Nasain’ny mamako tan-trano tao viavy mipetraka akaikin’ny tranonay izay.  Karaha sorena mafy tamin’I babako mantsy mamako.  Niresaka mikasika ilay vadikelin’I babako ‘reo.  Avy teo dia nanamboatra ranon-javatra tao anaty kaopy kely mamako ary nosotroin’ilay viavy.  Nandoro emboka manitra koa ‘reo.  Feno setroka tan-trano tao.  Tampoka teo nivaloarika ilay vaiavy, nivandravanadra sy niha-fotsy ny masony.  Karaha demony ny fijery an’azy.. Dia nanomboka nihovitrovitra hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia izy.  Nilentika lalina  ny masony ka niova karaha karan-dohan’olo maty.  Nihidy vazana izy ary nitrena karaha biby an’ala.  Nakapokapony tamin’ny tany im-betsaka ny lohany.  Tampotampoka teo, nitsambikina nanatona ahy izy, naninjitra ny tanany karaha vahohon’ny bibidia.  Nitsambikina nilefa zaho ka nihazakazaka.  Vao tafalefa ivelan’ny varavarana zaho dia nandre kiakiaka mahatsiravina.  Noheveriko angamba mamako no niantsoantso fa novonoin’ilay viavy izy!”
Abou! Novonoin’ilay viavy io mamako kanefa zaho tsy afaka namonjy azy.  Nisento lalina tsy azo natao inona I Bacar.Nanomboka azon’I Abou ny tantara.  Hainy ny renin’I Bacar ary henony fa vao naka vadikely vao tsy ela baban’i Bacar.  Ny famporafesana dia miteraka olana maro mandrakariva.
“Henoy moa Bacar e!”  Nanazava moramora I Abou.  “Araka ny hevitro dia tsy mamanao no nikiakiaka.  Ny fanahy ratsy no mikiakiaka karahan’izany rehefa miditra amin’ny vatan’ny olombelona tsindrian-javatra.  Efa hitako matetika izany.”
“Marina ve, araka ny hevitrao?”
“Eoa, Ndao mipody an-tranon’I mamanao dia jereo ny raha mitranga”. 
“Tsy te-handeha tongotra irery ao amin’ny maizina aho”.
“Eny ary, hiaraka aminao zaho, dia hijanona ao ivelan’ny trano rehefa miresaka amin’ny mamanao ianao.  Matoria aty amiko anio alina”.
Niara-,niainga izy roa.  Manakaiky an’I Abou I Bacar, mbola natahotra fa tsy nivadi-po karaha tamin’ny teo aloha.
Marina ny tenin’I Abou.  Tsy nisy maty aby.  Nahazo ny fanampian’ilay viavy mifanakaiky trano amin’azy ny renin’I Bacar, satria ity farany dia mahay miantso ny djini.  Nodidian’izy ireo ny djini hahavery jery ilay vadikely mba hahazoany ny vadiny ho azy irery.
“Ho tanteraka tokoa ve izany?”  Te-hahalala I Bacar.
“Eoa, indrisy fa mety hitranga izany.  Ho hitantsika ny vokany amin’ny herinandro manaraka.  Fantatrao ve io viavy io?” hoy Abou nanontany.
“Eoa, Siti no anarany.  Izy no vehivavy tsara tarehy indrindra ao an-tananany ery an-tendrombohitra ery.  Izy no tena marina dia vehivavy sariaka sy olona tsara, hoy Bacar nanazava.  “Rariny ve izany hoe miantso ny djini hanisy ratsy olona izany ry Abou?”
“Inona no hevitrao ny amin’izany ry Bacar, satria ianao efa nanatri-maso ny zava-nitranga?”
Tsy nahateny I Bacar.  “Tsy haiko ry Abou, azonao angamba.  Ny nampianarina anay dia hoe misy djini tsara sy djini ratsy.  Tsy azoko izany ry Abou.  Nanao raha tsara ho an’ny mamako ny djini fa izy ireo koa nanao raha ratsy tao amin’i Siti.  Ambarako anao ry Abou fa raha karaha ny raha hitako androany ny djini tsara, dia tsy azon’ny saiko eritreretina ny ataon’ny djini ratsy.  Ahoana ny hevitrao Abou?”
“Tsoriko aminao ny marina Bacar, fa tsy misy djini tsara izany.  Ny djini dia ratsy ary miteraka raha ratsy.  Mamono olona, mampaharary olona sy mahavery jery olona.  Ny hazo tsara mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy mamoa voa ratsy.1
“Araka ny finoako, Ilay Andramanitra velona dia mila antsika hitia olona.  Jesosy nilaza fa tsy maintsy tia na dia ny fahavalontsika aza isika fa tsy mankahala azy ireny.  Ny Bokiko masina, dia ny Baiboly, dia milaza fa tokony hitso-drano ny fahavalontsika isika fa tsy hanozona azy.  Rehefa misy manisy ratsy antsika dia tsy maintsy mamela heloka azy isika.  Andao hovakiantsika ilay Tenin’I Jesosy ao amin’ny Matio 5:43-44 hoe, “Efa renareo fa voalaza hoe,’Tiava ny namanao ary mankahala ny fahavalonao’. Fa Izaho kosa milaza aminao hoe,’Tiava ny fahavalonao ary mivavaha ho an’izay manenjika anare’.  Ilay mpianatra iray atao hoe Lioka no nitantara ireto teny izay nohazavain’I Jesosy ireto hoe, ‘Misaora izay manenjika anareo, mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo’.2  Ny apostoly Paoly nilaza hoe, ‘Misaora izay manenjika anareo, misaora fa aza manozona azy’. 3  Ary ny apostoly Petera dia nanoratra azy karahan’izao hoe, ‘Aza mamaly ratsy ny ratsy na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa ny mifanohitra amin’izany, misaora, fa izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana’. 14
“Mahafinaritra izany teny lazainao izany ry Abou, nefa toa tsy ho azo tanterahana,” hoy Bacar.
“Tsy hoe tsy azo tanterahana, Bacar a! nomen’Andriamanitra hery isika hiainantsika araky ny fitsipiny , ary ny fitsipiny no tsara indrindra.  Raha iainantsika ny lalan’Andriamanitra dia hanambady tokana sy hiadana ny ankohonantsika ary hiasa tsara hikarakara ny vady amanjanatsika isika.  Satria nandika ny fitsipik’Andriamanitra ny olona dia izay no tsy mampanjary ny fiainany ka mahatonga ny raha miaraka amin’ny djini hitranga foana.”
Afaka herinandron’io, rehefa nody avy niasa I Abou, dia hitany I Bacar niandry azy tao an-tranony.
“Inona no vaovao?”  hoy Abou.
Nalahelo tarehy I Bacar.  Misy vaovao mikasika an’I Siti, hoy izy.  “Faly tokoa mamako fa lasa very jery I Siti.”
“Inona no ataony?”  hoy Abou liana.
“Mikarenjy eran’ny lalana izy tontolo andro mikiakiaka sy mivazavaza, manompa olona ary mitora-bato.  Nanjary naloto be izy.  Misarita-bolo karaha bozaka.  Karaha demony ny ataony.  Indraindray izy manary lamba eny an-dalana, mitrena karaha biby masiaka.  Rehefa reraka izy dia mipetraka, mivembena tsy miteny.  O!Abou, mafy raha olona tonga saina tsara, nadio sy nazava saina tsara no hiova karahan’izany.  Afaka manampy azy ve ianao?  Ny olona milaza fa afaka mandroaka ny djini ianao”.
“Zaho tsy mahay Bacar fa Jesosy mahay.  Tamin’izy tety ambonin’ny tany dia nandroaka demony maro tamin’ny olona Izy ary nanome antsika hery amin’ny Anarany sy ny Fahefana hanao izany koa.  Tadidio fa velona Jesosy.  Mbola tsy miova Izy ankehitriny ary tsy hiova mandrakizay.”
Mba afaka ho any aminy ve ianao ka handroaka ny demonia amin’ny anaran’I Jesosy?”  Hoy Bacar nanontany.
Ny ampitson’io andro io dia niainga I Abou ho any an-tendrombohitra hitady an’I Siti.
Ny faran’ny herinandro manaraka dia tonga tao amin’I Abou I Bacar, nitsambikimbikina am-pifaliana.  Tsy andriny izay ilazany ny vaovao mahafaly amin’I Abou:  “Tsy misy tsy miresaka ny mikasika izany ry Abou.  Niova tanteraka I Siti.  Tonga saina izy ary mamaky ny bokinao.  Miresaka tsara amin’ny olona izy ary mitantara amin-dreo ny mikasika ny Boky.  Tsy te-hahita ny babako intsony izy.  Manaraka ny lalan’Andriamanitrao izy izao.  Tsy mampino!!  Mivavaka ho an’ny mamako aza izy, tsy mankahala azy hono izy.  Tsy ao an-dohany aby izay hamaly faty.  Efa nahita azy ve ianao?”
“Eoa, efa tany zaho ary namoaka ny demonia tamin’ny Anaran’I Jesosy.  Avy hatrany dia nihaino ahy izy.  Nanontaniany ahy hoe amin’ny herin’iza no anaovako izany, dia nohazavaiko taminy fa Jesosy no nandroaka ny demonia ary nanafaka azy.”
“Tsy mivadika ho ratsy intsony ve izy?  hoy Bacar.
“Ehe! Satria efa nampandroso an’I Jesosy ho Mpamonjy eo amin’ny fiainany izy, efa manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra ao am-pony izy.”
“Fa maninona ianao no tsy mandehandeha mandroaka ny fanahy ratsy hiala amin’ny olona?”  hoy Bacar te-hahalala.
“Maniry aho mba ho moramora karahan’izany ny fandehan-javatra Bacar.  Aleo vakiako aminao ny tantara nolazin’I Jesosy mikasika izany:  ‘Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety tany tsy misy rano izy mitady fitsaharana, fa tsy mahita. Dia hoy izy:  ‘Hody any amin’ny tranoko izay nivoahako aho, ary nony tonga izy dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia nandeha izy ka nitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy, izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao, ary ny faran’izany olona izany dia ratsy noho ny tamin’ny voalohany. Ary dia ho tahaka izany koa ny ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.’ 15
“Voalohany aloha dia mila manapa-kevitra hanaraka an’I Jesosy amin’ny fony rehetra ny olona, toa an’I Siti, dia avy eo tsy misy fanahy ratsy afaka hiverina hitoetra ao anatiny ka hanisy ratsy olona.”
“Te-ho karahan’ izany zaho Abou, inona no tokony hataoko hahatonga zaho ho mpanara-dia an’I Jesosy?”
“Mila manaiky an’I Jesosy ho Mpamonjy ianao,” hoy ny fanazavan’I Abou.  Mila azonao tsarabe fa mpanota olo jiaby.  Noroahin’Andriamanitra Adama sy Eva hiala tao amin’ny sahan’I Edena noho ny fahotana iraiky.  Impiry moa isika no manota?  Ny tambin’ny ota dia fahafatesana.  Sahaza antsika ny fahafatesana mandrakizay fa Jesosy tonga mba ho faty hisolo toerana antsika.  Natolony ho antsika ny ainy.  Ny fahotana dia toy ny rindrina manasaraka antsika amin’Andriamanitra.”
“Ahoana ny fomba androdanana io rindrina io?”
“Miaike ny fahotanao amin’Andriamanitra amin’ny fo tsotra ary mangataha Azy hamela ny helokao.  Hoesoriny miaraka amin’ny vava ny helokao.  Ny Soratra Masina milaza fa:  ‘Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia matoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra’.6  Rehefa manaiky an’I Jesosy ho Mpamonjinao ianao, dia homeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra’.” 17
“Vonona hanaiky an’I Jesosy ho Mpamonjiko aho. Ahoana no fandraisana Azy?”  hoy Bacar.
“Asao Izy handroso ho ao am-ponao amin’ny alalan’ny fitenenanao hoe,  ‘Jesosy o!, manaiky aho fa mpanota.  Miaiky ny fahotako ary miangavy anao mba hamela heloka ahy.  Azoko tsara fa naty nisolo toerana ahy Ianao ary nanadio ny fahotako tamin’ny ranao.  Jesosy o! raisiko ho Mpamonjy Ianao. Raiso an-tanana ny fiainako ary aoka ho Mpanjakako Ianao.”
Miaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy Bacar.  Tovolahy feno hafaliana izy, ary isan’andro rehefa avy mianatra, dia mamaky ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’I Abou, mianatra miaina amin’ny fitsipika sy ny lalan’Ilay Andriamanitra velona.

1Matio 7:17;  2Lioka 6:28;   3Rom 12:14;  41Petera 3:9;  5 Matio 12:43-45;  61Jao 1:12.

No comments:

Post a Comment