
Nipetrapetraka teo amin’ny seranan-tsambo I Karim sy Abou nitazantazana sambo lehibe mpitondra entana mampidina omby hovonoina hatao hena.
“Mampahatsiaro izay novakiako tao amin’ny Torah
ireto omby ireto, dia ny mikasika ny tsy tokony ihinanana ny lio”, hoy Karim.
“Niteny Andriamanitra hoe, “Fa ao amin’ny
ra ny ain’ny nofo; ary nomeko anao teo amin’ny altara izany hanesorana ny
fahotana: fa ny ra no manaisotra ny fahotana, satria ao anatiny ny aina.”Ahoana
no atao hahatonga ny ra ho afaka amin’ny ota sy hanaisotra ny fahotana?, Inona
ny altara resahan’Andriamanitra?”1
Nitsiky kely I Abou. “Mba ahafahako mamaly ny
fanontanianao dia mila miverina any amin’izay nitranga tao amin’ny saha Edena
isika. Mbola tadidinao ve izay nitranga tamin’I Adama sy Eva?”
“Eoa, nanota zareo tamin’ny tsy nankatoavany
an’Andriamanitra ary voaroaka avy tao amin’ny saha ary nila namono biby
Andriamanitra natao fitafiana ho azy ireo. Taorian’izay dia niova ny
fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra ary ny olombelona sy ny biby.
Kanefa nanana planina ampihavanana ny olombelona Aminy Andriamanitra satria tia
azy ireo Izy.
Aman-jatony maro no miseho izany planiny izany
ao amin’ny Soratra Masina. Tao amin’ny Saha Edena ihany Andriamanitra dia
niteny tamin’I Satana hoe, “fa
ampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy
hanorotoro ny lohanao fa ianao kosa hanorotoro ny ombelahitongony”2. Ny taranaky ny vehivavy dia Izy,
taranaka tokana, lehilahy”.
Iza io olona io?”Hoy Karim nanontany.
“Ny Fanekena Taloha iray manontolo dia mitovy
amin’ny fanondro manondro ny asan’i Jesosy. Hoy Jesosy milaza ny Tenany hoe: “ Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny
lalana na ny mpaminany, tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka”3 Ny Soratra masina dia milaza fa
nofoanan’I Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ny fiadian’I Satana,
Tamin’ny nanehoany
miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy.”4
Rehefa niantso an’I Abrahama Andriamanitra, dia
nasainy norasaina tsiroaroa ny biby telo. Tamin’ny fanatanterahany izany dia
fantatr’I Abrahama fa niditra amin’ny fanekena amin’ny ra Aminy izy. Taty
aoriana dia namafisin’Andriamanitra tamin’ny famorana izany fanekena izany.5
Nahaliana an’I Karim izany ka nanontany indray
izy hoe: “Inona no mamatotra ao amin’ny fanekena?”: “Ity karazana fanekena ity
dia mamatotra ny roa tonta amin’ny fifanekena masina tokoa. Manome ny
ainy hisolo voina sy hiaro ny ankilany ny andaniny sy ankilany”.
“Ny tianao ambara ve hoe toy ny
miteny amin’I Abrahama Andriamanitra fa hanolotra ny Ainy sy ny Liony hiarovana
an’I Abrahama?”. Vao mainka niha-talanjona ihany I Karim. “Izay mihitsy no
nataony. Ary tsy ho an’I abrahama raika foana izany. Tamin’ny nahatongavany
tety ambonin’ny tany tamin’ny endrik’I Jesosy
Andriamanitra, dia nanome ny Ainy sy ny Liony
hampihavana ny olombelona Aminy.!”
“Mety hisy ve izany hoe
fitiavan’Andriamanitra ny olona loatra karahan’izany?” Nanganohano ny mason’I
Karim.” Ankehitriny vao azoko ny tena dikan’ny Jaona 3:16 hoe,”Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao
tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy
fa hanana fiainana mandrakizay”.
“Iray amin’ireo zava-marobe
nandatsahana lio ny fialan’ny zanak’Isiraely tamin’ny fanandevozana tany
Egypta. Nandidy ny ankohonana tsirairay Andriamanitra hanao fanatitra
zanak’ondry. Avy eo dia alaina ny lio ary lalorina eo amin’ny
tolam-baravarana.”6
“Tamin’io alina io dia maty jiaby
ny lahimatoa tao amin’ny ankohonana tao Egypta izay tsy nino an’Andriamanitra”.
“Dia mbola ny lio foana no niaro an-dreo, hoy
Karim nanamarika.”
“Eoa, fa tsy izay rehetra lio dia ekena.
Tamin’ity indray mandeha ity dia tsy maintsy ran’ny zanak’ondry herintaona, tsy
misy kilema, tsy misy pentimpentina, zanak’ondry salama”.
“Ny tianao ambara ve hoe ny lion’ny zanak’ondry
rehetra novonoina dia manondro an’I Jesosy?”hoy Karim nanontany.
“Eoa, tena izay. Ary tsy maintsy tsy misy
kilema ny zanak’ondry karaha Jesosy izay
tsy misy fahotana. Hoy ny Apostoly Petera milaza ny amin’I Jesosy:’fa ny ra soan’i Jesosy Kristy, toy ny
ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina. Izay fantatra
rahateo, fony mbola tsy ary ny fanorenana izao tontolo izao, fa efa naseho
tamin’izao andro farany izao noho ny aminareo”7
Rehefa nahita an’I Jesosy nanatona azy I Jaona
mpanao batisa dia niantsoantso hoe, “Indro
ny Zanak’Ondrin’Andrimanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!”8
Ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia
naverini Jaona ny teny mikasika ny hira nohirain’ireo zava-manan’aina , ny
amin’I Jesosy manao hoe: ‘…Voavono
Hianao. Ny Ranao no nanavotanao ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa
fiteny sy ny olona avy amin’ny firenena rehetra.”9
“ Tsy mampino izany!” nihiaka I
Karim. “Tsy mbola nisy
nanazava ny Soratra Masina tamiko toy izany ry Abou! Misy planina tsy azo
kianina ato amin’ity Boky masina ity!”
“Eoa, tena misy tokoa. Notoroan’Andriamanitra
lalana ny Zanak’Isiraely hanorina Tabernakely tany an-tanihay. Mbola marobe koa
aza ny lio nalatsaka tao amin’ny Tabernakely”.
“Inona no tanjon’ny tabernakely? Te-hahalala I
Karim.
“Ny Tabernakely dia toerana hihaonan’ny olona
amin’Andriamanitra. Misy toerana roa ao, dia ny Toerana Masina Indrindra sy ny
Toerana Masina. Nasain’Andriamanitra nasian-dreo sarona teo ambonin’ireo efitra
ireo. Ny sarony ivelany dia volon-davenona toy ny tanihay. Ny sarony faharoa
dia natao tamin’ny volon’ondry ary nolokoina mena toy ny lio. Ny sarony
fahatelo sy fahefatra dia manga sy fotsy. Tsara endrika tokoa ny tao anatin’ny
Tabernakely fa tsy nisy nahita izany raha tsy niditra tao anatiny. Raha avy aty
ivelany dia ny sarona volondavenona sy
ny hoditra tsotra ihany no hita. Ny sarona volondavenona dia manondro an’I
Jesosy izay toy ny lehilahy tsotra. Tsy misy olona mahalala raha mijery ivelany
an’I Jesosy fa Izy no nirahina, avy amin’Andriamanitra, raha tsy miditra
amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Dia amin’izay fotoana izay vao ho
hitany ny Hatsarany amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao sy maha-Andriamanitra
Azy!Ny sarona mena dia milaza ny ran’I Jesosy. Nanoratra I Paoly Apostoly hoe, “Izy no ananatsika fanavotana amin’ny Rany,
dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany”10
“Nanelanelana ny Toerana Masina sy ny Toerana
masina Indrindra dia nisy lamba matevina be ka na dia omby efatra matanjaka aza
miaraka tsiroaroa miara-misintona izany
dia tsy maha-rovitra azy. Ao ambadik’io efitra io ny Toerana Masina Indrindra,
ny Efitra misy ny Sezafiandrianan’Andriamanitra miaraka amin’ny Fiaran’ny
Fanekena. Ny Fiara dia vata hazo misarona volamena. Ny hidiny dia antsoina hoe
sezan’ny Indrafo. Eo an-tampon’ny Sezan’ny Indrafo dia misy hazavana lehibe
mamiapiratra. Io hazavana io no fanatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra. Indray
mandeha isan-taona ihany ny mpisoronabe no mahazo miditra ao, mitondra ny
lion’ny famelana ny fahotan’ny vahoaka.”
“Tianao tenenina ve fa nanana herintsaina
nitsofoka tao amin’ny Toerana Masina Indrindra ny Mpisoronabe?” hoy Karim
nazoto nanontany.
“Eoa, fotoana masina lehibe izany. Tsy
maintsy mitondra ny lio tsy misy kileman’ny biby iray izy. Ny Sezan’ny indrafo
no toerana izay ialan’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny otan’ny
olona. Rehefa tafiditra ao
amin’ny Toerana Masina Indrindra izy dia mamafy lio eo amin’ny sezan’ny
Indrafo. Manomboka eo dia tsy hitan’Andriamanitra intsony ny otan’ny olona. Fa
ny lioizay milaza fa misy ny aina tsy misy tsiny izay nomeny handoa ny vidin’ny
famaizana ny ota, no hitany.
Ilay Sezan’ny Indrafo voarakotry ny lio no
nanova ny Sezafiandrianan’Andriamanitra avy eo amin’ny sezafiandrianan’ny
fitsarana ho lasa sezafiandrianan’ny Indrafo.
“Tsy mbola nohazavainao ny tian’Andriamanitra
ambara amin’ny hoe altara”, hoy Karim mampahatsiaro an’I Abou.
“ Manodididna ireo toerana roa ireo dia misy ny
kianja. Varavarana iray ihany no ao amin’io. Io ihany no fomba idirana ho eo
amin’ny altara izay ao anatin’ny Kianja. Io altara io dia antsoina hoe Altara
Varahina. Eo no anaovana ny fanatitra. Tsy misy olombelona voavela heloka, raha
tsy nanatona ny altara miaraka amin’ny fanatiny izy. Tsy maintsy tsindriany
mafy amin’ny tanany ny lohan’ilay biby mba ampitoviany ny tenany amin’ilay
biby, alohan’ny amonoany azy. Dia tatazan’ny mpisorona amin’ny siny ny lio ary
ararany eo am-pototry ny altara izany. Ilay olona mitondra fanatitra dia
mahalala fa ny ran’ny biby dia tsy afaka manala ny otany fa mandrakotra izany
amin’ny fotoana voafetra mandra-pitondrany fanatitra manaraka indray.
”Ny Altara dia sarin’ny hazofijaliana. Ny lio
rehetra nalatsaka teo am-pototry ny altara dia manondro an’I Jesosy. Rehefa
maty Jesosy, dia nolefonin’ny miaramila anankiray; lio sy rano no nikoriana
hatreny am-pototry ny hazofijaliana, dia toy ny nandrarahan’ny mpisorona ny
ran’ny biby natao fanatitra teo am-pototry ny Altara Varahina. Lehibe anefa ny
fahasamihafan’ny ran’I Jesosy sy ny ran’ny biby fanatitra. Mila averina foana
ny fanatitra biby. Fa maty indray mandeha ihany Jesosy dia ampy izay. Toy ny
nolazain’ny Soratra Masina hoe, “ fa
Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy
marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra…”11
“Varavarana Tokana ihany no ahazoan’ny
olombelona miditra ahazoany miditra mankeo amin’ ny altara. Hoy Jesosy hoe,” Izaho no Vavahady, raha Izaho no hidiran’ny
olona, dia hovonjena izy…”12
“Tamin’ny marainan’ny fitsanganany tamin’ny
maty dia nihaona tamin’I Jesosy ny iray tamin’ireo vehivavy. Noteneniny izy tsy
hikasika Azy satria mbola tsy niakatra tany an-danitra tany amin’ny Rainy Izy;
dia toy ny Mpisoronabe izay tsy azon’ny olona kasihina mandra-pitondrany ny
ran’ny biby ho eo amin’ny efitra Masina Indrindra. Hoy Jesosy taminy,”
…mandehana mankany amin’ny rahalahiko ka lazao aminy hoe, “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any
amin’Andriamanitro sy ny Andriamanitrareo”.13
Io harivan’io ihany Izy dia niditra ny trano
nisy ireo mpianatra ka nilaza taminy fa afaka mikasika Azy izy ireo. Vita ny
asany. Hoy Izy tamin’izy ireo, “Izahao ny Tanako sy ny Tongotro, fa Izaho no
Izy, tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana,
tahaka izao ahitanareo Ahy izao…”14
“Raha ny marina dia tokony hoe ’nofo sy ra’ no
nolazainy. Nahoana Jesosy no nilaza hoe ’nofo sy taolana?’ nanontany malaky I
karim.
“Tsy afaka nilaza hoe ra Jesosy ry Karim satria
tsy nanana ra Izy. Nisy fotoana tao anatin’io andro io nidirany tao amin’ny
Toerana masina Indrindra, izay Efitra misy ny Sezafiandrianan’Andriamanitra,
mba itondra ny Rany ho fampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra, noho ny
fahotana”.
“Tena fatratra izany ry Abou! Tsy nonofisiko
akory ho karahan’izany ny harena raketin’io Tabernakely io”, hoy ny
antsoantson’I Karim.
“Eoa, tena mahatalanjona. Mbola misy
ankoatr’izany: tamin’ny andro nahafatesan’I Jesosy dia nanao fanatitra biby tao
amin’ny tempoly tsy dia lavitra loatra avy teo ny mpisorona. Rehefa tapitra ny
fotoan’ny fanatitra dia nitodika tany amin’ny olona izy nanao hoe, “vita”.
Kilaometatra vitsivitsy avy eo amin’io toerana io, tamin’ny io ora io teo
ambony vohitra ivelan’ny tanana, no maty ny Zanak’Andriamanitra, nanatsotra ny
tanany amin’ny olona rehetra niantso hoe,” vita”
15
Tamin’ny fotoana nahafatesany dia triatra
hatreny ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny tempoly. Amin’ny
alalan’izany Andriamanitra no nanambara
amintsika fa afaka miditra ao amin’ny fitoerana Masina Indrindra isika, noho ny
lion’I Jesosy. Tsy mila Mpisoronabe sy ran’ny biby intsony isika, satria Jesosy
no Mpisoronabentsika, Izay naty indray mandeha ho an’ny otan’ny olombelona.
Ary rehefa niantso
tamin’ny feo mahery indray Jesosy dia nanolotra ny fanahiny. Ary indro ny
efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatreny ambony ka
hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy, ary
nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodimandry no
natsangana, ka nivoaka avy tao amin’ny fasana ireo taorian’ny nitsanganan’I
Jesosy, dia nankao amin’ny Tanana Masina ka niseho tamin’ny maro. Ary ny
kapiteny sy ny fehiny izay niambina an’I Jesosy, raha nahita ny horohorontany
mbamin’izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe,
“Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io!”16
1 Levitikosy17:11; 2 Genesisy3:15
3 Matio5:17; 4 Kolosiana 2:15;
5 Genesisy 12:15; 6Eksodosy 12:6-7; 7IPetera1:19-20; 8 Jaona 1:21;
9 Apokalipsy 5:9; 10 Efesiana 1:7;
11 I Petera 3:18; 12 Jaona 10:9;
13
Jaona 20:17; 14 Lioka 24:39
15
Jaona 19:30; 16 Matio 27:50-54
No comments:
Post a Comment