
Vao maraina ben’ny andro tony tsara dia mijery ny
ranomasimbe mahafinaritra eo anoloany Karim.
Mitazana ny sambo mivoaka hanjono izy. Hahazo be ny mpanarato anio.
Mitopy amin’ny teny vao avy novakiany ny masony. Marobe ny fanontaniana tonga ao an-tsainy. Iza Ilay mipetraka eo ambony
sezafiandrianana? Maninona ny
horonam-boky no nosoratana amin’ny lafiny roa? Nahoana izy io no nasiana
tombokase mafy mba tsy hisy tafatsofoka ao anatiny?
Marobe ny hoe nahoana? Marobe tokoa ny zavatra tsy
azony….
Eo am-pamakiana ny toko faha-5 ao amin’ny bokin’ny
Apokalipsy, dia ny boky farany ao amin’ny soratra Masina izy. Mahery ny teny ary toa miaraka amin’ny feo mitory halahelo lalina. Vakiany indray ilay izy,
“Dia hitako
teo an-tanan-kavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianana, horonam-boky
voasoratra ny ao anatiny sy ny eo ivelany misy tombokase fito.
Dia nahita koa
aho anjely mahery nilaza tamin’ny feo mafy hoe, “Iza no mendrika hanokatra ny
boky ary hamaha ny tombokase?”
Tsy nisy tany
an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin’ny tany hita mendrika hanokatra ny
boky na hijery ny ao anatiny.
Nanomboka
nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra na hijery ny tao
anatiny.1
Inona ny
maha-zava-dehibe ny hahitana olona hanokatra ny boky sy hijery izay voasoratra
ao anatiny? Iza no mitomany mafy amin’ny
fony?
Dia manohy ny
vakiteniny Karim.
Dia hoy ny
anankiray amin’ny loholona tamiko, “Atsaharo ny tomaninao. Jereo! Ny Liona avy amin’ny taranak’I Joda, ny
Fakan’I Davida no efa nandresy. Izy no afaka
hamaha ny boky sy ny tombokaseny.”
Tsapan’I Karim fa misy zavatra hafahafa amin’ny
zavatra vao avy novakiany. Tsy liona
akory no nandroso naka ny horonam-boky fa toy ny zanak’ondry voavono.
Amin’ity tapany manaraka ity dia niova ny tantara
rehetra. Liana avokoa ny rehetra satria
nalain’ny zanak’ondry ny boky. Hipoky ny hafaliana sy ny fiderana ny toerana
rehetra. Ny sasany mihira hoe,
“Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny
tombokaseny, satria voavono ianao. Ny
ranao no nanavotanao vahoaka ho an’Andriamanitra avy amin’ny foko, fiteny,
olona samy hafa karazana ary firenena.
Nataonao ho fanjakana ireo sy mpisorona ho an’Andriamanitsika, ary
hanjaka ety an-tany ireo”.
Nihodinkodin-doha Karim. Inona ny zava-miafina ny
amin’ity boky ity? Nanapa-kevitra ho any
amin’ny Abou sakaizany izy ary hanontany azy ny dikan’ny zava-mitranga
eto. Mahalala ny Soratra Masina I Abou,
ho fantany izany zava-miafina izany.
Nitsiky Abou teo am-pisotroana dite ravim-boasary,
Karim sakaizany mipetraka manoloana azy eo amin’ny latabatra. ”Ity ampahan-tsoratra masina ity no tena
tiako”, hoy izy. “Ary araky ny efa
nohazavaiko taminao teo aloha, dia ny boky ihany no manazava ny tenany.”
Ny tianao tenenina ve hoe ao anatin’ny Boky ihany aho
no mahita ny valin’ny tsy azoko etsy sy eroa?
Hoy Karim nanontany.
“Eny, Andao hatomboka amin’ny horonam-boky. Ny mpaminany Jeremia dia nanome ohatra tsara
ho antsika ny amin’ny hampiasana ny horonam-boky. Nanatona azy ny zana-drahalahin’I Jeremia atao hoe Hanamela nangataka hoe,”Manana
tany aho any Anatota, hoy izy nanazava.
“Mba vidio re dia tazony ho ahy fa ianao no manana zo hanavotra; ianao
no havako akaiky indrindra”. Novidian’I
Jeremia ny tany. Dia natao ny
fanekem-pividianana dia nasiana tombokase ny dika mitovy iray izay misy ny
fepetra sy ny fifanarahana fampivarotana; fa ny dika iray kosa tsy nasiana
tombokase mba ahazoan’ny rehetra mamaky azy.
Dia nataon’izy ireo tao anaty vilany tany ireo dika roa ireo mba ho
voatahiry tsara.2
Taty aoriana dia natao iray ireo horonan-taratasy
ireo: voasoratra avy ao anatiny ho porofon’ny fividianana eo amin’ny roa tonta
ary avy eo ivelany ho hitan’ny besinimaro”.
“Ary ilay iray eo amin’ny sezafiandrianana? ANDRIA- MANITRA ve io?
Nanaiky tamin’ny lohany Abou.
“Ahoana ilay zara-tanin’ny zana-drahalahin’I Jeremia no manazava ny maha-zava-dehibe ny
horonam-boky eny an-tanan’ANDRIAMANITRA?”
“Tsara ny fanontanianao ry Karim! Mbola haneho ohatra vitsivitsy anao ato
amin’ny Soratra Masina aho. Kanefa jereo aloha ny zavatra takian’ny mpanao
fanavotana. Voalohany aloha dia tsy
maintsy ho Havana akaiky izy, faharoa dia mila manaiky ary
fahatelo dia olona afaka manavotra.
Jeremia no mahafeno ireo..
“Efa novakianao ve ny sasany amin’ireo lalana
nomen’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely?”,hoy Abou nanontany.
Niezaka aho fa
mankarary an-doha!”
Nihomehezan’I Abou ny fahatsoran’ny sakaizany. “Eny e, fantatro. Toy izany koa no tsapako. Nefa nisy antony ny nanomezan’Andriamanitra
azy ireny. Tiany ho fantatsika fa misy
zavatra telo tiany avotana: 1. Tany. 2. Andevo. 3. Vehivavy. Nanome lalana miavaka Andriamanitra ho
an’ireo: raha misy olona mahantra loatra
ka tsy afaka mihazona ny fananany, dia tokony hiditra an-tsehatra ny havany
akaiky ka mividy ary mitahiry izany ho azy, toy ny nataon’I Jeremia tamin’ny zana-drahalahiny. Toy izany koa
Raha misy olona voatery ho lasa andevo, ny havana
mpanavotra azy dia miditra an-tsehatra ka mividy ny fahafahany. Toy izany koa raha misy maty ao amin’ny
ankohonana, dia manambady ilay maty vady ny havana mpanavotra.” 3
Nangina fotoana fohy I Karim nieritreritra dia hoy izy
avy eo,” Namaky ny tantaran’ny sezafiandrianan’Andriamanitra ao amin’ny boky
farany ao amin’ny Baiboly aho, ary ianao mitondra ahy any amin’ny fiandohana,
izay nanomezan’Andriamanitra ny lalana tany am-piandohana ho an’ny vahoaka.
Ireo anefa an’arivo taonany maro ny elanelany”.
“Izay indrindra, tiako aseho anao ny fomba
mahatalanjona nanoratana io Boky io.
Nanana planina hatramin’ny voalohany
Andriamanitra. Asehony antsika
hatramin’ny voalohany fa indray andro izy hanao planina hanavotana ny olona.
Manerana ny Soratra Masina dia manome ohatra ny
amin’ny planin’ny fanavotana Andriamanitra, mba ahazoan’ny olona an-tsaina
izany. Ny tantaran’I Rota dia ohatra
tsara amin’izany hoe ahoana ny havana akaiky no manaiky sy afaka miditra
an-tsehatra hanavotra fananana sy vehivavy izay voatery manao asan’andevo.
Azonao vakiana
izany tantara izany any an-trano.” 4
“Eny ary. Fa ahoana ny amin’ilay olona nandray ny
horonam-boky avy eny an-tanan’Andriamanitra teo amin’ny seza fiandriananana…?”
“Eny tokoa… Andriamanitra mihazona horonam-boky eny
an-tanany izay voasoratra eo amin’ny lafiny roa. Ny Mpanavotra irery ihany no
mahalala izay voasoratra ao anatiny. Izy no mahalala izay tokony havotany: tany, andevo ary vehivavy”.
“Ka tany inona,
andevo inona ary vehivavy inona?” hoy
Karim nidanaka.
“Vakio avy
amin’ny Soratra Masina ireto dia ianao ihany no manapa-kevitra”:
…mba ho
afahana koa ny voary rehetra izay nandevozina sy nosimbana…
Fa fantatsika fa ny voary manontolo dia nitaraina sy nampanaintainina tamin’ny fiterahan-jaza hatramin’izao. 5
“Ny tianao lazaina ve hoe ny
voarin’Andriamanitra dia fananan’Andriamanitra izay tokony havotana?”
“Izany mihitsy. Nampanantena tany vaovao
Andriamanitra. Ity tonta ity dia handalo.
6
“Ary ny andevo?”
“Henoy izay nolazain’I Jesosy,” Lazaiko
aminareo marina dia marina tokoa , izay manota dia andevon’ny ota. 7 Andevo
mila avotana ny olona”.
“Ary ny vehivavy?”
“Nampitahain’Andriamanitra amin’ny vehivavy ny
fiangonana, ny vahoakany, amin’ny mpivady, ny lehilahy sy ny fofombadiny”.
Hoy Andriamanitra hoe,” Fa ny lehilahy no lohan’ny
vavy dia toa an’I Kristy izay lohan’ny fiangonana. 8
“Azonao ve izao ry Karim hoe naninona I Jaona izay
nanoratra ny Apokalipsy, no nitomany mafy dia mafy tamin’ilay tsy nisy hita
mendrik haka ny boky avy eny an-tanan’Andriamanitra? Fantatr’I Jaona ny zavatra
tandindomin-doza: ny fanavotana izao
tany manontolo izao, ny olona rehetra izay nandevozin’ny ota ary ireo olona
izay nanaiky Azy sy manaiky ny lalany izay antsoina hoe ny fofombadiny.”
“Iza io olona io ary nahoana izy no hita mendrika ny
hanavotra?” hoy Karim nanontany.
“Jesosy! Izy irery no olona nanana ny fepetra takiana
hanavotana ny tany. Izy no havana
akaikin’ny tany satria nandao ny lanitra Izy mba ho tonga ho isan’ny
olombelona. Ny soratra Masina dia milaza
fa mba ahatonga Azy ho isan’ny olombelona, dia nofoanany ny Tenany, ka naka ny
endriky ny mpanompo Izy, ary natao araka ny endrik’olombelona. 9
Nanaiky Izy. Natolony an-tsitrapo ny ainy. Tsy nisy naka izany Taminy. Hoy Jesosy hoe, “Fa tsy tonga mba
hotompoina ny Zanak’olona, fa hanompo, ary hanolotra ny ainy ho avotra hisolo
ny maro.”10
Ary afaka nanao
izany Izy. Tsy nandoa vola Izy fa ny
rany no nandoavany ny sandan’ny fanavotana antsika tamin’ny ota. Nentiny tamin’ny Tenany ny fahotantsika ary
navotany tamin’ny ainy.”
“Koa ny dikan’ny
hoe novonoina izany dia dia hoe maty noho ny otantsika Izy?” hoy Karim.
“Eny, fa indray
andro Izy ho tonga
toy ny Liona, Mpanjakan’ny fokon’I Joda, hitsara an’izao tontolo izao sy ny
olona izay tsy nanaiky Azy ho
“Mpanavotra.”
“Raisiko Izy,”
hoy Karim, mino aho fa Izy tokoa no Mpanavotra!”

1 Apokalipsy 5:2; 2 Ireo vilany tany
ireny dia tena ahavitana mitahiry tokoa. Ny horonam-boky hita tany amin’ny
Ranomasina Maty tamin’ny taona 1947, teo akaikin’I Qumran
dia notehirizina tao anatin’ny vilany tany nanomboka tamin’ny taon-jato faharoa
ary mbola azo vakiana tsara.
3 Levitikosy 25; Deotoronomia 25; 4Rota;
5Romana 8; 6Apokalipsy
21; 7Jaona
8;
8Efesiana 5; 9Filipiana 2; 10Marka 10.
No comments:
Post a Comment