Friday 17 May 2013

Namorona ny vehivavy Andriamanitra

ILAY VOARY MAHAFINARITRA


Rehefa vita ny famoronan’Andriamanitra ny zava-manana aina rehetra, dia afa-po Izy. Koa dia nanana olona sy biby izay azony androtsahana ny fitiavany Izy.

NY VEHIVAVY, VOARY MIAVAKA NOFORONIN’ANDRIAMANITRA


Ny zava-manana aina farany noforoniny dia Eva, vady izay noforoniny ho an-dralehilahy Adama. Noforonin’Andriamanitra tamin’ny fomba hafakely ravehivavy. Nampiasainy hitondra aina voaforona ao anatiny izy.Manarakaraka an’Andriamanitra Mpamorona dia izy no manana aina nomena fahafahana hamorona aina ao anatiny. Afaka manome aina ny zazakely izay olona hafa izy. Namoronan’Andriamanitra tranon-jaza itomboan’ny zaza izy.

Ny tranon-jaza dia taova mahavariana. Ny mpanao siansa dia nandany an’apitrisany dolara niezaka nanamboatra toa an’io, fa tsy nahomby. Ao anaty tranon-jaza irery ihany no azon’ny zaza itomboana. Ny tranon-jaza irery no afaka manome ny tsiron-tsakafo ilain’ny zaza amin’ny fotoana tsy diso. IZAY NO MAHA-MANAN-DANJA NY VEHIVAVY AO AMIN’NY VOARIN’ANDRIAMANITRA.
Ato amin’ity trakta ity dia tiako ny hitantara aminao tantara na vehivavy telo izay mampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo.

Tantara 1:NY TANTARAN’I HAGARA


Efajato taona lasa izay dia nisy vehivavy antsoina hoe Hagara, andevo egyptiana tao an-tranon’ny lehilahy mpanefoefo atao hoe Abrahama sy Saraha vadiny. Saraha dia tsy niteraka. Fanao tamin’izany fotoana izany ny fampiterahana ny mpanompo ka omena ny tompovavy ny zaza. Nasain’I Saraha novadian’I Abrahama I Hagara mba hananany anaka.
Rehefa tsapan’I Hagara ary fa bevohoka izy, dia nankahalainy ny tompovaviny. Dia nampijalian’I Saraha izy ka lasa nandositra ny tompovaviny tany an-tany hay. Nipetraka teo akaikin’ny loharano izy, lany fanahy tsy nahita aleha ary tsy nahita ny havany. Namoy fo izy sady nalahelo, very, irery: vehivavy mitondra vohoka tsy mahalala izay aleha, tsy mahita izay sakafo hanohanany aina ho an’ny tenany sy ny zaza ao an-kibony.
Tampoka teo anefa, dia nisy niteny taminy. Nahalala azy io. Nantsoiny tamin’ny anarany Hagara. Hagara a! hoy Izy, “mpanompon’I Saraha, avy aiza ka handeha ho aiza ianao? Nitraka tamin’ny hagagana izy. Tsy nandre olona nanatona anefa izy, tsy fantany ity lehilahy ity, tsy mbola hitany hatramin’izay niainany. Goavana be izy io ary ny masony mamiratra mijery azy amim-pitiavana ary mahalala ny manjo azy.
Toa hainy avokoa ny momba azy rehetra. Ny Anjelin’ny Tompo izay nahita azy irery sy noana io
“Nitsoaka an’I Saraha tompovaviko aho”: hoy Saraha tsy nanafina.
Dia hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy:
“Miverena any amin’ny tompovavinao ka maneke azy. Izany no lalana hampitomboiko ny taranakao ho tsy tambo isaina. Hiteraka zazalahy ianao”, hoy izy taminy. Ny anarany ataonao hoe Ismaela izay midika hoe:”mandre Andriamanitra”. Fa hitan’I Jehovah ny alahelonao sy ny maha-irery anao. Henony ny antsonao”.
Nanjavona ilay anjely ary nihetsi-po I Hagara. Mahita ahy hoe Andriamanitra! Niantsoantso sy nitsambikimbikina izy nivonona hiverina any amin’I Saraha. Mahalala ny momba ahy Andriamanitra! Tsy irery aho! Tonga tamiko Andriamanitra, niresaka tamiko!
Nomen’I Hagara anarana Andriamanitra izay tonga taminy sy niresaka taminy. Nantsoiny hoe: Him El Roi, izay midika hoe:”Ianao no Andriamanitra Izay mahita ahy. Hoy izy:”Efa hitako Ilay mahita ahy”.
 Ny tantaran’I Hagara dia tantara mahaliana mitondra hafatra ho an’ny vehivavy maneran-tany. Milaza izany fa mahita anao Andriamanitra rehefa malahelo ianao, ailikilika sy ampijaliana. Fantany ny mamparay fo anao, ny fanaintainanao. Fantany rehefa mitolona ianao mitady ny sakafon’ny ankohonanao. Ary ambarany aminao amin’ny alalan’ny tantaran’I Hagara, renin’Ismaela, fa tiany ianao. Satria miahy an’I Hagara Andriamanitra ka tonga hatrany an-tany hay nisy azy nanirery sy nitomany. Io Andriamanitra io dia miahy anao ka manatona anao raha malahelo sy mitomany ary irery ianao.
Nony afaka 18 na 19 taona taorian’izany dia niatrika olana mitovy amin’io indray izy sy ny zanany lahy raha voaroaka avy tao an-tranon’I Abrahama indray ry zareo. Dia mbola nohenoin’Andriamanitra indray ny antsony tany an-tany hay, dia tonga Izy nanampy azy ireo.
Mbola manao toy izany Andriamanitra amin’izao vanin’andro izao. Tsy miova mihitsy Izy. Mbola mandre ny tomaninao Izy. Ho eo aminao Izy hanampy anao raha miantso azy ny fonao. N’inon’inona toerana misy anao. Fantany ianao ary ho eo aminao Izy.


TANTARA 2 :ILAY VEHIVAVY TEO ANILAN’NY FANTSAKANA

Indray andro Jesosy nandalo faritany iray atao hoe Samaria, izay atao hoe andrefan’ny renirano amin’izao fotoana izao. Nafana sy namovoka tamin’izay ary reraka sy nangetaheta Izy ka nipetraka teo anilan’ny lava-drano . Ny fantsakana taloha mantsy lalina tokoa ka mila tady sy siny vao mahazo rano. Raha iny nipetraka iny Izy dia indro nisy vehivavy iray tonga hantsaka. “Mba omeo rano aho hosotroiko”: hoy Jesosy taminy. Gaga mihitsy ravehivavy. Voalohany indrindra dia tsy fomba raha ny lehilahy no miresaka amin’ny vehivavy eny imasom-bahoaka, ary faharoan’izany dia Samaritana ravehivavy ary ny Jiosy tsy mifampiteny amin’ny Samaritana.
Fa nisy zavatra tao an-tsain’I Jesosy tao. Hoy Izy taminy: “Izay misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta foana fa izay misotro ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta intsony satria ny rano izay omeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny hikoriana mandrakizay”.
Dia nasainy niantso ny vadiny izy ka lasa, mba ahazoany miresaka amin’izy roa. Fa bora-mena ravehivavy ka nitsotra fa tsy manambady izy. Hoy Jesosy: “Fantatro izany,fa efa nanambady in-dimy ianao ary tsy vadinao io iarahanao mipetraka ankehitriny io.”
Jesosy dia niresaka mikasika ny olona sasany izay manao fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba tsy mety. “Andriamanitra dia Fanahy”: hoy Izy taminy. Izay manompo an’Andriamanitra hoy Izy dia tsy maintsy manao izany amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Ny dikan’izany dia tsy tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fiezahana hanao zavatra ho an’Andriamanitra ny olona fa amin’ny fo madio sy tsy maintsy mahalala ny marina.
Dia nisy zava-mahagaga nataon’I Jesosy. Nampahafantariny an-dravehivavy fa Izy no Mpamonjy. Izy no Kristy Izay nandrasan’izireo.
Nihazakazaka tany an-tanana ilay vehivavy ka niantso ny vahoaka ho eo amin’ny fantsakana hihaino ity lehilahy nahalala ny zavatra rehetra efa vitany.
Nanjary mpanaraka an’I Jesosy ilay ravehivavy, toy izany koa ny vahoaka tao an-tanana rehefa nandre Azy. Hoy izireo:”fantatray tokoa izao fa ity lehilahy ity no Mpamonjy izao tontolo izao”.

 TANTARA 3: ILAY MPIVAROTENA

Nipetraka tao an-trano fivavahana Jesosy nampianatra ny olona mikasika an’Andriamanitra velona.
Dia indro tonga andian-dehilahy nankeo Aminy. Olobe ao an-tanana izireo ary nisy vehivavy niaraka tamin’izireo. Tratra nijangajanga izy io ka tian’ireto olona ireto hotoraham-bato ho faty.
Hafakely ny zavatra nataon’I Jesosy. Niondrika fotsiny Izy ary nanomboka nanoratra tamin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany. Dia hoy Izy tamin’ireo: “Aoka izay tsy nanota taminareo no hitora-bato azy voalohany.”Ary dia nanoratra tamin’ny tany indray Izy.
Tsy niteny intsony ireo olona ireo fa niala tsirairay nanomboka tamin’ny antitra ka hatramin’ny tanora. Tsy nisy nitora-bato.
Hoy Jesosy nanontany ilay vehivavy:”Nankaiza ireny olona ireny? Tsy nisy nanameloka ano va?-“tsy nisy Tompoko”, hoy izy.” Izaho koa tsy manameloka anao”, hoy Jesosy  taminy, “fa mandehana, ka ILAOZY NY FIAINAM-PAHOTANA”.
Izay no fepetra nomen’I Jesosy azy. TSY MAINTSY IALANY NY FIAINAN’OTA. Tsy maintsy mijanona amin’ny vady tokana izy fa tsy miadaladala amin’ny vady maro.
Izay zavatra nosoratan’I Jesosy teo amin’ny tany dia tsy nampahalalain’ny Baiboly  antsika. Fa ny zavatra azo antoka dia izao: nanaja ny vehivavy Jesosy ary nanome anjara manan-danja hataon’ny vehivavy eto amin’izao tontolo izao. Ny tena lehibe amin’ireny dia ny hanompoantsika Azy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Ny
dikan’izany dia tiany hanompo Azy amin’ny fo tsotra sy  madio isika ary hahalala ny marina. Te-handoatra ny fitiavany amin’ny olona Andriamanitra. Tian’Andriamanitra hanary ny filalaovana fanahy maro ny vehivavy ary hitodika amin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, ka hanompo Azy.
Io Andriamanitra velona io dia tsy te-hizara ny fitiavany amin’ny fanahy hafa eny amin’izao tontolo izao.
Izy no namorona ny olona ary tiany ny anompoan’ny vehivavy Azy irery ihany.

Tantara 1:
*Araky ny hevitrao, nahoana ny anjelin’ny Tompo no nanontany an’I Hagara hoe:” Handeha ho aiza ianao, ary avy taiza”, nefa efa fantany izay rehetra momba azy?.
*Hazavao ny zavatra mety tsapan’I Hagara rehefa voaroaka avy tao an-trano nankany an-tany hay izy. Efa nanjo anao ve ny toy izany?
*Inona aminao no dikan’ny teny hoe”Ilay Andriamanitra Izay nahita ahy” ?

Tantara 2:
*Ahoana no maha-samy hafa ny Rano Velona izay nolazain’I Jesosy amin’ny rano sotrointsika andavanandro?
*Ahoana no fanazavanao ny Rano Velona?
*Ahoana no fomba tian’Andriamanitra hanompoantsika Azy?

Tantara 3:

Inona no nosoratan’I Jesosy teo amin’ny tany araky ny hevitrao ka nampiala ireo olona ireo tsirairay?
*Rehefa namela heloka an’ilay vehivavy nijangajanga Jesosy dia inona no didy nolazainy taminy?




Ny tantaran’I Hagara voalohany dia hita ao amin’ny bokin’ny Torah voalohany, ary ireo  tantara roa hafa mikasika an’I Jesosy dia hita ao amin’ny Injil.

No comments:

Post a Comment