Friday 17 May 2013

Abrahama sy Isaka

Mianatra ny Amin'i Abrahama sy Isaka, i Abou sy Karam



Tsy niresaka firy izy ireo.  Nihalava ny andro ary niakatra ny hafanana.  Tamin’ny farany ny zanany lahy no nanala ny fahanginana hoe,”Baba?”
“Eoa zanako!”
“Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza izay zanak’ondry hatao fanatitra dorana?”
Ela vao nahavaly ny rainy hoe, “Andriamanitra no hiantoka ny fanatitra odorana anaka”.  Nisento lalina ny rainy ary niverina indray  ny fahanginana.
Nitopy matetika teny amin’ny rainy ny mason’Isaka.  Tsikariny fa misy raha hafahafa eny amin’ny endriky ny rainy izay efa nahazoazo taona ihany.  Nalahelo izy ary lasa fisainana. Nanaja ny rainy izy ka nangina.
Tonga teny an-tendrombohitra izy ireo ary nanondro ny tendrombohitra feno vato I Abrahama.  “Ity no tendrombohitra nofidin’andriamanitra anaka”, hoy izy.  “Misy vato ampy hananganana altara eto”.
Napetrak’Isaka ny kitay ary nanomboka nanangana altara izy, nalainy ny vato mavesatra teny amin’ny rainy, mba tsy hiasa mafy ilay matoy lahy.  Fantany tsara izay tokony atao satria efa nanao izany izy taloha.  Tsy ela dia vita tanteraka ny altara.  Napetrak’izy ireo ny hazo, vonona handoroana ny fanatitra.
Nobanjinin’Isaka fa nihenjana ny tarehin’ny rainy raha niady mafy ity matoy lahy mihazona ny ranomasony.  Dia nanatona ny zananilahy Abrahama. Nobedainy teo amin’ny sorony izy.  Nanomboka nikoriana ny tavan’ity matoy lahy ity ny ranomaso ary nitsororoka tamin’ny somony efa fotsy.
“Baba?”
“Nasain’Andriamanitra nanolotra anao ho fanatitra aho, anaka”.  Zara raha tafavoakany ireo teny ireo. Tankina ny feony.
“Baba, nahoana?”  Maina ny tendan’Isaka. Nidoboka ny fony.  Tsy avy niaina izy nandritry ny fotoana fohy.
“Ho porofo fa hankato azy aho amin’izay rehetra angatahiny amiko, anaka.”
Any am-pony lalina any dia fantatr’I Abrahama ny planin’Andriamanitra.  Mahatoky an’Andriamanitra amin’ny fony izy satria tia an’Andriamanitra.  Raha tadiavin’Andriamanitra ny hanaterany ny zananilahy, izay midika hoe hamono ny zananilahy izy ka handoro azy hatao fanatitra avy eo, dia hataony izany na dia karaha mahavaky ny fony aza.  Mitaky fankatoavana Andriamanitra, koa tsy nieritreritra aby an’izay hoe tsy hankato an’Andriamanitra velona izao izy; nefa fantany koa fa mahatoky mandrakariva Andriamanitra.  Tsy afaka miova Izy.  Niteny Andriamanitra fa ny taranak’I Abrahama dia tsy ho tambo isaina ary ho fitahiana ny firenena rehetra.  Nahatoky an’ Andriamanitra izy fa ho tanteraka io fampanantenana io, na dia tsy maintsy hatsangan’Andriamanitra mahery sy velona amin’ny maty aza ny zananilahy.
Misy raha hafa koa izay nahavaky loha an’I Abrahama andro maromaro izay.  Hainy fa ity Andriamanitra velona ity dia mankahala izany hoe zanakalahin’ny olombelona atao sorona, ho an’ny andriamani-tsy izy izay tompoin’ny olona izany.  Ka tsy hanao toy izany koa ve izy izao? Masina amin’ny toetra Andriamanitra.
Tsy hiondrika na oviana na oviana hirefarefa amin’ny tany toy ny mpanompo sampy izy.
Misy raha hafa ao an-tsainy.  Mahatoky an’Andriamanitra Izay fantany tokoa izy.  Tsy Andriamanitra fotsiny Izy tamin’I Abraham fa Sakaizany, Ilay tena hany azo itokisana, vonona hanolo tena ho azy, Sakaiza tia.
Nipetraka tsimoramora teo ambony vato nivangongo Isaka.  Nipetraka teo anilany Abrahama.  Niara-nipetraka teo elaela izy ireo, nangina, toy ny miandry an’Andriamanitra hanolotra ny ondry hatao fanatitra.  Nandalo teo anatrehany ny fiainan’Isaka.  Tsy mbola nanambady izy, tsy nanan-taranaka.  Koa ahoana izany no hahatantanteraka ny hoe indray andro any dia ho fitahiana ny firenena rehetra ny taranak’I Abrahama, raha tsy misy taranaka?  Diso ve ny fandraisany an’ilay hoe iza ilay zanaky ny fanekena?  Tsy maintsy hofaranana ny fiainany.  Angamba kosa misy raha vaovao hafa ao an-tsain’Andriamanitra ka!
Nojereny ity tenany efa antitra, ray mijaly, ka nataony teo an-tsorony ny tanany.  “Baba”, hoy izy.  “Andao hataontsika izay fanirian’Andriamanitra.  Afatory eo amin’ny altara karaha amin’ny fanaontsika amin’ny zanak’ondry zaho”.  Homen’Andriamanitra hery ianao hanatanteraka ny andraikitra”.
Noraisin’ny babany ny tady ary nafatony teo amin’ny kitay ny zanany.  Niadana ny fanaovany izany fa nataony azo antoka.  Notakonan’I Abrahama tamin’ny tanany havia ny mason-janany ary natsangany ny tanany havanana misy ny antsy maranitra toy ny fiharatra.  Nihenjana ny hoza-tanany.  Tao anaty fotoana fohy dia nihantona teo ambonin’ny zanany ny tanany, ary…
Toy ireny nisy varatra nilatsaka ireny ny rivotra nanodidina azy ireo, karaha nisy herimbaratra. Nangovitra ny tenan’I Abrahama sy Isaka iray manontolo, raha nitalakotrokotroka ny feo avy tany an-danitra nanao hoe,  Ry Abrahama! ryAbrahama! aza mamono ny zanakao lahy!  Fantatro izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria tsy niaro ny zanakao lahy tamiko, dia ilay lahitokanao ianao!1
Nahemotr’I Abrahama ny antsy ary napetrany amin’ny toerany.  Nihoaran’Isaka ny rainy ka izy no nahita ondrilahy voalohany voasarangotry ny tsilo.
“Jereo moa iry Baba!  Niantoka Andriamanitra!  Niantso mafy faran’izay takany izy hoe”.  Niantoka Andriamanitra anaka!  Niantso mafy ilay ray hipoky ny hafaliana.
Niara-namaha ny ondrilahy izy mianaka ary nandoro izany teo ambony altara sady nitsaoka sy nidera an’Andriamanitra.
                  
“Tsara izany tantara izany! Hoy Karim.  “Tena mahay mitantara ianao ry Abou!  Fa misy raha vitsivitsy tsy azoko.  Naninona Andriamanitra Tsitoha no mitondra an’I Abrahama amin’izany hoe efa saika namono ny zananilahy izany, dia avy teo nampijanona azy?  Tsy karaha tsy misy dikany ve izany?”
“Raha jerena ivelany dia izany tokoa,” hoy Abou namaly, fa misy raha lehibe kokoa noho izany ao amin’io tantara io.  Ny tena izy, tamin’ny fitondrana an’Isaka ho fanatitra nataon’I Abrahama dia efa voambara mialoha sahady ny tantaram-pamonjena”.
“Fa manino anao milaza an’izany?  Hoy Karim nanontany.
“Izao no nambara tamin’I Abrahama:  ‘Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao’’2  Ny Soratra Masina dia milaza amintsika hoe, ‘Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, tsy iza izany fa izaho sy ianao sy ny hafa rehetra, ‘ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay’’3.  Hitanao Karim a!ny fahafatesan’I Jesosy akory tsy hoe raha nitranga tamin’I Jesosy fotsiny, ka nandritr’izany dia nijery fotsiny eny lavitra eny Andriamanitra.  Tsia, NATOLOTRY ny Ray ny hany Zananilahy satria tiany ny olombelona ary tiany ho voavonjy.  Toy izao no filazan’I Jaona apostoly azy:  ‘Izao ny fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika’.4
Dia notohizan’I Abou ny fahazavana.  “Ankoatr’izany Isaka dia teraka tamin’ny fomba miavaka.  Jesosy dia notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina.  Izy roa ireo dia teraka avy amin’ny teny fikasan’Andriamanitra.  Saika hatao fanatitra odorana Isaka.  Ny fanatitra odorana dia fanatitra noho ny ota.  Tadidio ny tenin’I Jaona mpanao batisa rehefa nahita an’I Jesosy nanatona azy hoe, ‘Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.’5  Ity anefa ny fahasamihafana:  nosakanan’Andriamanitra Abrahama tsy hamono ny zanany, fa Jesosy kosa tsy maintsy nizotra tamin’ny fahafatesana.  Fa rehefa vitany ny asa nanirahana Azy, dia nitsanagana tamin’ny maty Izy.
“Azonao amin’izay ve ny hevi-dalina  mikasika ny fanatitra momba an’Isaka?”  Hoy Abou nanontany.
“Eoa, araka ny hevitro”, hoy Karim nanaiky tamin’ny lohany, “Nasehon’Andriamanitra tamin’ny olony fa mbola hanao raha lehibe mihoatran’izany Izy any afara any.”
“Eoa, izany indrindra.  Nentin’I Abrahama teny an-tendrombohitra feno vato Isaka, toerana notendren’Andriamanitra halehany hanolorana ny zanany hatao fanatitra; amin’ny alalan’izany no itenenan’Andriamanitra amin’ny olona hoe, “Indray andro any Aho hifidy tendrombohitra be vato izay hanolorako ny Zanako ho fanatitra ho an’ny fahotan’ny olombelona, satria tiako izy ireo ary tiako hihavana Amiko”.
Talanjona Karim.  “Mahagaga izany, tsy izay mihitsy ny fomba nandraisako ny tantaran’I Abrahama sy Isaka hatramin’izay”.
“Dia mbola misy ankoatr’izay,” hoy Abou.  “Ilay ondrilahy akory tsy kisendrasendra ny naha-ondrilahy azy.  Tsy maintsy biby, lahy.  Nony avy teo Andriamanitra nanome an’I Mosesy ny tokony ho endriky ny fanatitra, dia nomarihiny fa ny fanatitra odorana dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema, biby tsy misy kilema. Izany koa dia sarin’I Jesosy izay hany olombelona tsy nanana ota.”
“Ka inona marina ary ity fanatitra odorana ity?”  Hoy Karim te-hahalala.
“Io dia fanatitra noho ny ota.  Ny olona izay te-hanao fanatitra noho ny otany dia mitondra ondrilahy any amin’ny mpisorona.  Apetrany eo ambony lohan’ilay biby aloha ny tanany toy ny manambara hoe’maka ny toerako ity biby ity, ka ity izao no maty misolo ny toerana ahy’.  Im-betsaka isan’andro izany no miseho.”
“Mbola mila manao izany ve isika amin’izao fotoana iz ao?”  Hoy Karim nanontany.
“Tsia, Izay no fiafarana mahafinaritra.  Jesosy no fanatitra fara-tampony.  Rehefa natao fanatitra Jesosy dia nitsahatra ny fanatitra biby rehetra.  Hoy ny Soratra Masina hoe,  ‘Fa Mpisoronabe toy izao no mendrika ho antsika, dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra.  Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’andro tahaka ny ataon’ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, dia vao noho ny otan’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanatitra ny Tenany Izy’.”6
“Koa nentin’I Jesosy izany ny otan’ny olona rehetra ka tsy manana ota intsony ny olombelona?”
“Tsia, tsy izany velively”, hoy Abou.  “Tadidio ilay olona izay soloin’ilay biby toerana dia manaiky ny hahafatesan’ilay biby eo amin’ny toerany?  Toy izany koa Jesosy.  Ny olona izay manaiky ny fanatitra nataony dia voadio tamin’ny ota.  Toy izao no filazan’I Jaona azy:  ’…Fa raha mandeha amin’ny mazava isika, tahaka Azy ao amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’I Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.  Raha hoy isika tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ao anatintsika.  Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Rah hoy isika tsy manana ota isika , dia mampandainga Azy ary ny marina tsy ato anatintsika”.7  Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny Anarany…8
“Koa ahoana no fomba iaikeko ny heloko?”
“Lazao Azy!.  Velona Andriamanitra ka dia afaka miresaka Aminy ianao na amin’ny fotoana inona na aiza na aiza, karaha antsika mifampiresaka io.  Aleo omeko maodely ianao sy ny tokony hanaovanao izany.  Mivavaha manao hoe:
Andriamanitra velona o! manaja Anao amin’ny maha-velona sy Marina anao aho; Anao tia zaho loatra ka nanolotra ny Zanakao lahy ho faty nisolo anakahy.  Manaiky ny sorona nataon’I Jesosy noho ny fahotako zaho.  Miaiky ny fahotako zaho. Manaiky zaho fa mpanota. Misaotra Anao Jesosy naty teo amin’ny toerako.  Misaotra Anao fa mamela ny heloko Anao ary manadio ny fahotako amin’ny lionao.  Mandray Anao ho Mpamonjy zaho.  Araka ny Teninao dia omenao hery zaho ho tonga zanak’Andriamanitra rehefa mandray Anao sy mino ny Anaranao.  Mino ny Anaranao zaho. Misaotra Anao zaho Jesosy o!
 
1Genesisy 21:11-12;  2Genesisy 22:2;  3Jaona 3:16;  4I Jaona 4:10;  5Jaona 1:29  6Hebreo 7:26-27;  7I Jaona 1:7-10;  8Jaona 1:12.

No comments:

Post a Comment