Friday 17 May 2013

Mpaminany JONA


Ny Famantarana ny Amin'ny MPAMINANY JONA

Lohataona mitataovovonana tamin’izay. Nipetraka teo ambany alokaloky ny hazo  mangatsiatsiaka I Karim sy Abou, namaky voanio hisotro ranom-boanio.  “Ahoana moa no ilazanao fa nirahin’Andriamanitra Jesosy Kristy?” hoy Karim namaky kabary tampoka.
Nitsiky I Abou. Mitovitovy amin’ny fanontaniana napetraky ny mpitarika fivavahana tamin’I Jesosy izany. Nangataka famantarana tamin’I Jesosy izy ireo.” “Famantarana ny amin’ny inona? Hoy Karim liana.
“Tsy nino izy ireo fa Jesosy dia nirahin’Andriamanitra, koa dia nasainy noporofoina izany”, hoy Abou namaly.
“Afaka nanao izany ve izy?”
“Tsy mba nety niezaka nanaporofo ny maha-Izy Azy Jesosy”, hoy Abou.
“Nianatra ny Soratra Masina ny mpitarika  fivavahana fa jamba loatra izy ireo ka tsy afaka nahita ny famantarana.
Izay no nahatonga an’I Jesosy nanondro azy ireo hoe manana ny famantarana ny amin’I Jona mpaminany izy ireo.
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe,”Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’I Jona mpaminany, fa tahaka ny nitoeran’I Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no itoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’I Jona teny, nefa indro, misy lehibe noho I Jona eto.”1
“Nisy hazandrano lehibe ve nihinana an’I Jona?” hoy Karin gaga.
“Tsia, hoy Abou nanazava. “Natelina izy satria notendren’Andriamanitra hilaza ny fahotan’ny tanana lehibe atao hoe Ninive izy nefa natahotra. Koa niondrana an-tsambo izy ary nilefa nankany amin’ny toerana mifanohitra amin’izany. Tratran’ny tafio-drivotra mahery ny sambo nandehanany ary niaiky teo anatrehan’ny tantsambo izy fa nilefa an’Andriamanitra velona. Dia natsipin’ireo tany ivelan’ny sambo izy ka nanjary tony ny rivotra. Nanendry hazandrano lehibe Andriamanitra hitelina azy. Koa telo andro sy telo alina Jona no nijanona tao an-kibon’ny hazandrano”2
Niantso mafy an’Andriamanitra avy tao an-kibon’ny hazandrano izy, niaiky ny fahotany tsy nankatoa ary nasain’Andriamanitra naloan’ny hazandrano. Mba vakio moa ny tohin’ny tantara ao amin’ny Bokin’I Jona e!
“Mahafinaritra! Ka tao anatin’ny kibon’ny hazandrano telo andro sy telo alina izany Jona, mitovy amin’I Jesosy tao am-pasana!”
Nanaiky tamin’ny lohany Abou. “Eoa, mbola marobe ireo famantarana samihafa ireo ao amin’ny Soratra Masina”.
“Ambarao ahy hoe ny mikasika azy ireo!” hoy Karim nientanentana.
“Ny mikasika ny zanak’ondry ihany no horesahako anio”.
“Ondry mbola kely ve izany zanak’ondry izany? Hoy Karim nanontany.
“Eoa, ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny zanak’ondry dia ampiasaina ho famantarana. Vao nahita an’I Jesosy nanatona azy I Jaona mpanao batisa, dia hoy izy, “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!3. Nisy fotoana Jaona nampahitana an’I Jesosy nitsangana tany an-danitra ka nitovy tamin’ny zanak’ondrin’Andriamanitra voavono no nahitany Azy, tao anatin’izany ny anjely nihira hoe:’ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra Izay voavono no mendrika handray ny hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra! Fa voavono Hianao ary ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra”.4
“Fa ianao mahalala fa fahiny elabe talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, ny zanak’ondry dia famantarana lehibe manondro an’I Jesosy. Nandevozin’ny Egyptiana  nandritry ny 400 taona ireo zanak’Isiraely. Nasain’Andriamanitra namono zanak’ondry tsy misy kilema na pentimpentina izy ireo. Ny ankohonana tsirairay dia tsy maintsy nitondra zanak’ondry ho ao an-tranony tamin’ny andro fahafolon’ny voaloham-bolana. Tsy maintsy dinihina io zanak’ondry io telo andro feno, jerena sao misy kilema mandritry ny telo andro. Tsy maintsy ho tsy misy tsiny ilay izy satria famantarana ny amin’I Jesosy izay tsy misy tsiny. Toy izao ny filazan’ny apostoly Petera azy:”fa ny ra soan’I Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina Izay fantatra rahateo fony mbola tsy ary ny fanorenana izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’izao andro farany izao noho ny aminareo.”5
“Amin’ny faha-14 n’ny andro dia vonoina izany; angonina ny lio ary lalorinaamin’iny ny tolam-baravarany. Ny lio no miaro ny anjelin’ny fahafatesana izay namono ny lahimatoan’IEgypta, tsy hiditra ny trano mandritry ny alina. Avy eo dia tsy maintsy atsatsika manontolo sy hohanina manontolo fa tsy tapahina ny tongony mba ahatonga ny tenan’ilay zanak’ondry ho ao anatin’ny tenan’ilay ankohonana.
Taorian’ny nahafatesan’I Jesosy dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny tongotr’ireo jiolahy niara-nohombohana taminy, izay fanaon-dry zareo hanafainganana ny fahafatesana; fa rehefa tonga teo amin’I Jesosy izy dia hitany fa efa maty sahady Izy, koa tsy notapahiny ny tongony.6
Ny alina nahaterahan’I Jesosy dia nisy mpiandry ondry niandry ny ondriny tany ivelan’ny tanana. Angamba ondry hoentina ao amin’ny tempoly amin’ny andro fahafolo ireo, mba hozahana alohan’ny hamonoana azy ny faha-14 andro. Angamba teo amin’ireo mpiandry ondry ireo no nahatongavan’ny anjely io alina io, nitondra ilay hafatra hoe, “Aza matahotra! Fa indro milaza tany soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’I Davida, dia Kristy Tompo!”7
Telo amby telopolo taona taorian’izay, ny andro fahafolo, rehefa niditra an’I Jerosalema Jesosy ho amin’ny Paska farany, ireo ondry tany ivelan’ny tanana dia noroahina hiditra ny vavahady hafa, dia ny vavahadin’ny ondry hoentina ao amin’ny tempoly, mba hozahana na misy kilema na tsia.
Niditra tao Jerosalema Jesosy hanolotra ny Tenany hozahana amin’ny maha-Zanak’Ondrin’ny Paska Azy. Neken’I Pilato Izy satria ny governora romanina rehefa avy nandinika an’I Jesosy dia naka rano ka nanasa ny tanany sady nanao hoe,”Afaka amin’ny ran’ity lehilahy ity aho”.8 Nozahana nandritry ny telo andro Izy fa tsy hitan’izy ireo izay tsininy.
“Tamin’io Paska io rehefa nofantsihana Jesosy, dia tokony ho namono zanak’ondry maro tao amin’ny tempoly nanomboka tamin’ny 9 ora ka hatramin’ny 3 ora ny mpisorona. Nony tamin’ny 3 ora dia tokony ho nanambara tamin’ny olona izy hoe,”Vita”. Tany ivelan’ny tanana kosa, teo amin’ny vohitra tsy dia lavitra loatra, dia nofantsihana teo amin’ny 9 ora maraina teo Jesosy Ilay Zanak’Ondrin’ny Paska. Nony tonga ny tamin’ny 3 ora hariva, mba ilazana fa ny olona rehetra no nitenenany, dia tamin’ny tanana mivelatra no nilazany hoe,’vita’ ary maty Izy. Izay indrindra no ilay fotoana naha-triatra ny efitra lamba tao amin’ny tempoly, nanomboka hatreny ambony ka hatrany ambany”.
“Efitra lamba inona izany?” hoy Karim nanontany. Ny efitra lamba izay nampisaraka ny efitra Masina indrindra, izay ny Mpisoronabe irery no mahazo miditra ao indray mandeha isan-taona, mba hitondra ny ran’ny biby natao fanatitra ho an’Andriamanitra, ho famelana ny fahotan’ny olona. Rehefa maty Jesosy, dia rovitra ny efitra lamba. Tsy ilaina intsony izany ny fanatitra biby. Ampy ny ran’I Jesosy hamelana ny otan’ny olombelona. Ny olona tsirairay dia afaka manatona an’Andriamanitra mivantana mba hahazo famelana ny helony.”
“Azoko atao ve izany?” hoy Karim nanontany tamin’ny fo tsotra.
“Eoa, toy ny nataon’ireo zanak’Isiraely tany Egypta, nampiditra ny zanak’ondry tao anatin’ny tenany, dia mila mampiditra an’I Jesosy ho ao am-ponao ianao, manaiky ny sorona nataony, misaotra Azy satria maty ho anao Izy, ary manaiky Azy ho Mpamonjy “ hoy Abou nanazava. “Manasa Azy hiditra ao am-ponao ianao rehefa miteny ireto teny ireto:”Jesosy o, manaiky aho fa mpanota. Miaiky ny heloko aho ary mangataka Anao hamela ahy. Azoko fa maty nisolo toerana ahy Ianao, ary nanasa ny otako tamin’ny ranao. Jesosy o! manaiky Anao ho Mpamonjy aho. Raiso ho andraikitra ny fiainako ary aoka ho Mpanjakako Ianao.”
Nikoriana tamin’ny takolak’I Karim ny ranomaso rehefa vitany ny vavaka. “Araka ny hevitrao, nekeny ve aho?” hoy Karim nanontany.
“Eoa, araka ny Teniny, hoy Izy:”fa izay rehetra nandray Azy, izay mino ny Anarany, dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra; ary raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika ary manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”9
“Tsara be izany”. Namirapiratry ny hazavana vaovao ny mason’I Karim. “Mbola  misy zavatra hafa azonao lazaina ahy ve?”.
“Eoa,  aoka hambarako aminao ny mikasika ny tananan’I Betlehema izay nahaterahan’I Jesosy”, hoy Abou. “Fitonjato taona talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, dia izao manaraka izao no faminanian’I Mika mpaminany :
Fa hianao ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’ny Joda akory, dia avy aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho ahy ao amin’ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay10
“Fa nahoana no I Betlehema?” hoy Karim nanontany.
Izany dia tao amin’ny planin’Andriamantra mandrakizay. Ny teny hoe Betlehema dia midika hoe ny Tranon’ny Mofo. Hoy Jesosy milaza ny Tenany hoe: Izaho no Mofon’aina Izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay omeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”11
“Tena sarotra be ity farany ity, hoy Karim.
“Nahoana Jesosy no niteny hoe:’…ny nofoko no mofo izay omeko ho fiainan’izao tontolo izao’?”
“Jereo moa izay nodidian’Andriamanitra hataon’ireo zanak’Isiraely ireo e! Nasain’Andriamanitra nihinana mofo tsy misy masirasia miaraka amin’ny anana mangidy nandritry ny herinandro izy ireo tany Egypta.”
“Inona izany mofo tsy misy masirasira?” hoy Karim nanontany.
“Izy io dia mofo natao tsy nasiana masirasira satria ny masirasira dia sarin’ny ota. Nantsoin’Andriamanitra hiala avy tao amin’ny fahotan’I Egypta izy ireo, satria nanao fifanekena tamin’ny ra tamin’I Abrahama Izy hitahiany ny firenena rehetra. Ny anana mangidy dia mampahatsiaro azy ireo ny fijaliana niainany tamin’ny nanandevozana azy tany Egypta. Fa izao no tena mahaliana. Nanomboka hatramin’io Paska voalohany io, dia nanomboka nametraka mofo tsy misy masirasira telo tao anaty haronkely izy ireo; mizara telo ilay haronkely ka itoeran’ny mofo iray avy ny fizarana tsirairay. Mandritry ny sakafo dia alefa amin’ny isan’olona ny tapa-mofo, dia manapaka kely avy ary mihinana izany izy. Mino izy ireo fa ny mofo tsirairay dia I Abrahama, Isaka ary Jakoba. Ilay tapany teo afovoany dia sarin’Isaka natao sorona na dia tsy izy aza no tena natao sorona.”
“Koa inona ary izany no tena dikan’ilay tapa-mofo teo afovoany?”, hoy Karim liana.
“Jesosy no manome antsika ny valiny,” hoy Abou nanazava. “Tamin’ny Paska dia nipetraka teo amin’ny latabatra Jesosy niaraka tamin’ny apostoliny. Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe,’Naniry koa raha naniry aho ny hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia noraisiny ny mofo, ary rehefa nisaotra dia novakiany ka natolony azy, sady nataony hoe,’ity no Tenako izay omena ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy!”12
“Ka ny tianao lazaina izany dia hoe ny mofo izany dia sarin’I Jesosy?”
“Eoa. Toy izany koa ny kapoaka izay nisotroany tamin’ny Paska. Natolotr’I Jesosy azy ireo ny kapoaka rehefa avy nisakafo izy ireo ka nolazainy hoe,’Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay aidina ho anareo’13
“Miha-azoko bebe kokoa izany izao,” hoy Karim. “Nanao fanekena amin’ny ra tamin’I Abrahama Andriamanitra hitahiana ny firenena rehetra. Nampanantena Izy fa hanolotra ny Ainy ho Famonjena ny olombelona. Ka rehefa natolotr’I Jesosy ny Rany dia tanteraka ny zavatra nampanantenainy.”
‘Eoa, koa dia afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra tiantsika hanaovana izany isika, satria misokatra malalaka ny lalana mankao amin’ny Sezafiandrianan’Andriamanitra. Izao no filazan’ny Soratra Masina azy:
Izao no fanekena ataoko aminy, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalako sady hosoratako ao an-tsainy. Dia hoy koa Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’I Jesosy, amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisoronabe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana14

1Mat 12:39-41;  2 Jona 1:17;  3Jaona 1:29; 4 Apok 5:9,12; 5 IPetera 1:19-20;
 6 Jaona 19: 32-33; 7 Lioka 2:9-16;
 8 Matio 27:11-24; 9 IJaona 1:9;
Jaona 1:12; 10 Mika 5:1 ; 11Jaona 6:35,48,51; 12 Lioka 22: 14-16,19;
13 Lioka 22:20; 14 Heb 10:16-22

No comments:

Post a Comment