
Mitsilanilany mitazana ny rahona misarin-javatra maro I Karim, mibanjina
ny lanitra manga matroka eo amboniny.
Any ambony tsy taka-maso
any mantsy izao dia tsy maintsy misy Andriamanitra namorona ny olombelona. Fa lavitra be izy ka tsy azo takarina. Moa ve mba mihevitra ny zavatra noforoniny
Izy? Noeritreretiny ny banga eo amin’ny
fiainany manokana, ny hetaheta tsy azony fenoina amin’ny namana, ny havana, ny vehivavy sy ny
harena. Nitsangana moramora izy. Karaha milamin-tsaina ny amin’ny fiainany sy
ny mikasika azy I Abou. Nilaza izy fa
mahalala an’ Andriamanitra. Mety hisy ve izany?
Ho any amin’I Abou izy ary hahalala bebe kokoa ny mikasika
an’Andriamanitra.
Hitany tao ambadiky ny trano I Abou nanahy jirofo. Misy fofona tsara manentoento manodidina.
“Karibo Karim”. Nafana ny
fiarahaban’I Abou ity sakaizany.
“Hamangy ve ianao sa misy raha hafa ao an-tsainao ao?” Nomarihin’I Abou fa misy zava-dehibe
misoritra eo amin’ny mason’I Karim.
“Aleo isika miditra dia miara-misotro ranom-boanio mangatsiatsiaka sa
akory?” Nitari-dalana ho ao an-trano
Abou ary niara-nipetraka nankeo amin’ny
latabatra izy roa.
“Nieritreritra mikasika an’Andriamanitra zaho tato ho ato,” hoy Karim
nitsotra. “Mino Azy ndraiky zaho fa
karaha tsy ahoany. Miezaka zaho misarika
jerin’Azy - mivavaka zaho, ary mifady hanina ary manao asa soa. Mino ny fisian’ny anjely sy ny mpaminany
zaho, ary inoako fa hisy ny fotoana fitsarana ka izay mihitsy ny mahalany
fanahy zaho. Inona ny raha hitranga
aorian’ny fahafatesana? Moa misy olombelona
nahafa-po an’Andriamanitra ve? Anao
mizaka fa anao mahay azy manokana. Akory
ny hahatanteraka izany?”
Nofenoin’I Abou ranom-boanio ny veran’izy mirahalahy izay vao nanomboka
niteny izy.
“Haiko tsarabe ny mahatonga anao hanana fanontaniana maro mikasika
an’Andriamanitra,” hoy Abou onena.
“Izany koa ny fanontaniana napetrako talohan’ny nihaonako manokana
tamin’ Andriamanitra.”
“Inona no tianao ambara amin’ny hoe manokana?” hoy Karim nihanahana.
“Karaha ny fifankahalalantsika roa,” hoy ny navalin’i Abou. “Afaka miresaka amin’Andriamanitra karaha
zaho miresaka aminao zaho, manaja Azy sy manome voninahitra Azy satria Izy no
Mpamorona zaho, fa Izy koa no Babako sy namako.
Hainy jiaby raha mikasika anakahy, ary ino koa, haiko Izy tia zaho. Zaho koa tia Izy satria Andriamanitra namela
heloka zaho ary noraisiny ho zanany zaho.”
“Fa ahoana no itenenananao izany raha jiaby izany? Tena raha tsy ho hay atao ny
mifampikasokasoka akaiky amin’Andriamanitra Tsitoha,” hoy Karim nisalasala.
“Ny tena olana goavana mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia ny
fahotantsika,” hoy Abou nanazava.
“Haiko ndraiky izay. Miezaka
araky ny faran’ny aiko zaho tsy hanota.
Ataoko aby ny raha rehetra haiko fa tokony ataoko. Raha azoko atao dia hanao fivahinianana
masina zaho, fa izaho tsy manam-bola foana ny sakana. Fa raha omen’Andriamanitra fiainana lava zaho, angamba mety tsy dia hanota be
loatra rehefa antitra kokoa ary amin’izay Andriamanitra mamela heloka anakahy.”
“Ka akory raha tsy mahatratra
fahanterana ianao, ohatra maty amin’ny lozam-pifamoivozana ao anatin’ny
hatanorana?” hoy Abou nanontany.
Nampiaka-tsoroka I Karim. Nalahelo endrika izy raha nanohy hoe, “Dia tsy maintsy halefan’Andriamanitra any
amin’ny afobe zaho. Ka hitanao fa tsy
afaka manao izay ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy zaho.”
Nangina fotoana fohy Abou vao niteny hoe, “Karim a! ambarao aminakahy
moa, raha misy fomba anafoananana ny fahotanao rehetra azon’ny sainao tadidiana
hatramin’ny fahakelezanao ka hatramin’izao, ny halatra, lainga, fitaka, rehetra
teo amin’ny fiainanao, mitovy amin’ny fanafoanana ny trosabenao satria nisy
nanefa izany, ho tianao ve izany?”
Nivandravandran’I Karim I Abou: ”Mazava ho azy fa ekeko izany.”
“Ambarako anao niany ity fa afaka ny hitranga izany. Izay mihitsy no nataon’I Jesosy. Tonga hanefa ny trosan’ny fahotantsika Izy
mba ahatonga ny solaitran’ny fianantsika hadio tanteraka.”
“Jesosy? Fa Izy anie mpaminany
fotsiny e! Ahoana no ahafahany manafaka
antsika amin’ny fahotana?”
“Tsy mpaminany fotsiny
Izy, ry Karim a!”
Nanohy ny fanazavany I
Abou. “Jereo ny tantara sy ny fahalalana
fantatr’izao tontolo izao mikasika Azy: Tsy nisy olona, ankoatran’I Jesosy
nanambara fa afaka manome fahazoana antoka ny famonjena ny olona. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Fa tsy misy famonjena amin’ny hafa, fa tsy
misy anarana hafa ahazoan’ny olona famonjena ety ambany lanitra nomena ny olona
ahazoany famonjena’.1 Jesosy Kristy dia tsy azo lazaina hoe iray
amin’ireo mpitondra ny hafatr’Andriamanitra fotsiny. Fa nirahin’Andriamanitra Izy satria tia
antsika Andriamanitra ary tiany ny hihavana amintsika. Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza ao amin’ny
Jaona 3:16 hoe, “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao,
nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana
fiainana mandrakizay.2 Jesosy dia
Zanak’Andriamanitra.3 Ny mpaminany ankoatran’Azy dia olombelona
tsotra fotsiny. Jesosy mahalala ny ao
anatin’ny fon’ny olona.4 Tsy nisy olona niteny toa Azy. Izy no Mpisolo vava antsika eo anatrehan’ny
Ray.5
“Noraran’I Jesosy ny
mpanaraka Azy tsy hampiasa sabatra.6 Nampianatra famelan-keloka Izy fa tsy
valifaty-hanolotra no takolakao iraika raha misy mamely ny takolakao iraika.7 Nampianariny ny mpanaraka Azy hivavaka ho
an’ny fahavalony.8 Tamin’ny
alalan’ny fiainany dia maodely tsy azo kianina Izy. Jesosy irery ihany no hany afaka nanambara fa
tsy nanana ota.9 Nanao fahagagana Izy.
Nanasitrana ny jamba sy ny marary samihafa. Niantso ny olona hanatona Azy Izy.10 Nanome haja ny
vehivavy Izy ary nampianatra fa tokony iraika foana ny vadin’ny lehilahy
iraika.11 Malalaka ny olona handray na handa any hafatra
entiny, satria tsy mba manery ny olona hanaraka Azy Izy.12 tsy hoe nandidy antsika hanao soa fotsiny
Jesosy, fa manova ny fontsika mihitsy ahatonga antsika ho tia manao ny tsara.”
Voakasika lalina I Karim. “Izany
raha ambaranao izany Abou tena manampy ahy ahalalako ny maha-Izy an’I
Jesosy. Tena hafabe amin’ny mpaminany
jiaby Izy. Fa ny fahaizako an’izay tsy
manampy zaho hanatona an’Andriamanitra bebe kokoa.”
“Raha hainao hoe iza marina Jesosy dia efa eo antsasa-dalana ianao
izay,” hoy Abou nampilamina ny sainy.
“Teo ianao no nilaza fa tsy afaka mahatratra ny fenitra
tadiavin’Andriamanitra. Tsy misy afaka
manao izany isika. Hoy ny tenin’Andriamanitra hoe, ‘Fa fahafatesana no
tambin’ny ota, fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy
amin’Andriamanitra ao amin’I Kristy Jesosy Tompontsika.13 Mendrika ny fahafatesana isika, fa Jesosy kosa
tonga nanala ny vesatry ny fahotantsika.
Nandoa ny tombam-bidin’ny otantsika Izy tamin’ny nanomezany ny ainy, dia
ny nahafatesany naka ny toerantsika teo amin’ny hazofijaliana. Tonga mpamono olona teo amin’ny toerantsika
Izy, mba ahatonga antsika ho voavela heloka. Nentiny tamin’ny Tenany ny tsy
fahamarinantsika lotontsika, ny fitaka, ny lainga, izay fahotana nataontsika
ary nentiny ny faname- lohan’Andriamanitra antsika. Raha manaiky ny handray izany famelana trosa
izany ianao, dia ny liony izay nalatsany teo amin’ny hazofijaliana no hanadio
anao ary hanome anao fiainana vaovao.”
“Ahoana no hanatanterahako izany?”
Hoy Karim nanontany.
Nitohy nanazava I Abou: “Mila
miaiky ny helokao amin’Andria- manitra ianao.
Ny dikan’ny hoe miaiky dia miaraka manaiky amin’Andriamanitra ianao fa
mpanota ary mendrika ny hofaizina ary mila ny famelana ny helokao.”
“Firy volana, taona sa ela noho izany no ahafahany mamela ny heloko?”
“Manomboka amin’ny fotoana iaikenao heloka, dia efa mamela Izy. Ary amin’ny fotoana handraisanao Azy ho
Mpamonjinao dia tonga zanak’Andriamanitra ianao.”
“Tena tsara loatra tsy mampino izany.
Ahoana no ahalalako fa noraisiny aho?”
hoy Karim nanontany.
“Ny Tenin’Andriamanitra milaza hoe: Izay rehetra nomen’ny Raiko Ahy
no manatona Ahy; ary izay manatona Ahy tsy ho laviko mihitsy.”14
“Dia manakory raha manota indray aho,” hoy Karim niasa loha.
“Isaky ny manota ianao, dia miaike sy mangataha famelankeloka
amin’Andriamanitra. Aoka isika hijery ny
zava-misy marina ry Karim. y fahavalon’Andriamanitra, dia ny devoly, dia tsy
tia ny anarahanao an’I Jesosy. Tsy
maintsy misy ady lehibe ara-panahy handalovanao fa tsy misy tokony atahoranao
na hahakivy anao. Miaraka aminao foana
Jesosy amin’izany lalana izany satria efa ‘nomen’ny herin’Andriamanitra
antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka
an’Andriamanitra’.15
“Indraindray ny fonao mitarika anao hiverina amin’ny fomba fiainanao
taloha, ary ny namanao hiantso anao hoe ‘tsy mahatoky’, mety henjehina aza
ianao ary ho avakavahan’ny olona fa izany koa anie no nihatra tamin’I Jesosy e!
hoy Izy hoe, ‘fa ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Amiko kanefa izay
maharitra hatramin’ny farany no hovonjena’.16 Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa ny
fiainan’ny mpanaraka an’I Jesosy dia mitovy amin’ny hazakazaka ka mila
maharitra mihazakazaka isika; koa amin’ izany, …aoka isika koa hanaisotra
izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika,
ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana
filokana napetraka eo anloantsika izao, mijery an’I Jesosy Tompon’ny
finoantsika sy Mpanefa azy, …”17
“Hahatsapa ho olona hafa mihitsy ve zaho aorian’ny iovako ho mpanara-dia
an’I Jesosy?” hoy Karim te-hahalala.
“Tsy miankina amin’ny zavatra tsapanao akory ny fifandraisanao
amin’Andriamanitra. Ny fifandraisanao Aminy
dia azo antoka noho ny Teniny tsy azo ovaina sy tsy miova. Rehefa nandray Azy ianao, dia tonga
zanany. Raha mino Azy ianao dia manana
fiainana mandrakizay. Hoy ny
Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Fa izay
rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino
ny Anarany; ary izay mino ny Zanakalahin’Andriamanitra dia manana fiainana
mandrakizay’.”18
“Araka ny hevitrao ho vitako ve izany manaraka an’I Jesosy izany?” hoy
Karim nanontany tsotra.
“Mila mibebaka tanteraka amin’ny fomba fanaonao taloha ianao ry
Karim,” hoy Abou nanazava. “Ny fibebahana dia fanapahan-kevitra
hiova. Ilaozanao ny fahotana taloha. Jesosy no tsy maintsy lasa tompon’ny
fiainanao. Izy no hanampy anao sy
hiaraka aminao mandrakariva. Amin’ny
vavaka sy ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra ianao dia mandray hery avy
amin’Azy handray hery avy Aminy ary mitombo avy amin’ny zaza ara-panahy ho
amin’ny mpanaraka an’I Jesosy matotra.
Rehefa mitombo amin’ny fanahafana an’I Jesosy ianao dia tsy manintona
anao intsony izao tontolo izao sy ny fahafinaretany, mandra-pamenoan’ny Fanahy
masina anao.”
“Impiry isan’andro moa aho no tokony ivavaka?”
“Afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana
rehetra ianao. Kanefa manoro hevitra anao aho hanokana fotoana ao
anatin’ny andro anankiray hamakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ivavahana, raha
azo atao vao maraina mbola ahatsapanao fa tsy misy raha manelingelina anao.
“Inona no raha entiko am-bavaka?”
hoy Karim nanontany.
“Rehefa misy olana na fanapahan-kevitra sarotra raisinao dia mangataha
Azy hanampy anao. Asio fotana hideranao
sy itsaohanao an’Andriamanitra ka rehefa mamaky ny Teniny ianao dia haneho
fahamarinana aminao Izy, dia mangataka Azy hanampy anao hampihatra izany
fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao ianao.
Tongava aty amiko isan’andro ianao dia miara-mianatra ny
Tenin’Andriamanitra isika. Dia avy eo isika roa miara-mivory tsy tapaka
amin’ny olona tia an’I Jesosy. Ahoana ny
hevitrao ry Karim? Rehefa henonao ny
zavatra rehetra, moa ve te-ho mpanaraka an’I Jesosy ianao?”
“Toa tsy mora izy izany
ry Abou, sa manakory?’ hoy Karim.
“Eoa, marina raha lazainao izany.
Tsy ho mora, ka noho izany mila mieritreritra tsara ianao ary mihevitra
ny raha takian’izany alohan’ny handraisanao fanapahan-kevitra. Tsy hoe hanomboka hihazakazaka amin’ity
hazakazaka ity ianao dia ho lavo hiala indray sa ahoana?” Dia nitsiky I Abou ary namirapiratra ny
masony teo am-pitenenana hoa, “Mendrika
ny hatao izany ry Karim, tsy misy raha sarobidy mihotran’izany hoe mifandray
amin’Andriamanitra velona, Ilay Mpamorona izany. Tsy misy raha azo ampitahaina amin’ny
fananana antoka ny amin’ny famonjena.”
Nangina fotoana elaela Karim dia hoy izy, “Abou a! tsoriko aminao fa tsy
andriko ny hamelana ny heloko sy ny hahalalako an’Andriamanitra manahaka ny
fahalalanao Azy . Inona no tokony hataoko?”
“Afaka mivavaka karaha izao ianao: Tompo Jesosy o! miaiky aho fa mpanota. Mila famonjena amin’ny fahotana zaho. Mino aho fa maty teo amin’ny toerako teo
amin’ny hazofijaliana Ianao. Ifonako ny
fahotako. Avelao ny heloko ary diovy
amin’ny Ranao ny otako. Te-ho voavela
heloka ny amin’ny otako hatramin’izaho mbola kely aho. Manaiky Anao ho Mpamonjiko aho. Midira ato amin’ny fiainako ary aoka ho
Mpamonjiko sy mpanjako Ianao. Atolotro Anao ny fiainako. Te ho mpanara-dia Anao aho. Fenoy ny
Fanahinao Masina aho. Amen!”

1Asa 4:12; 2Jaona 3:16; 3Jaona 10:36; 4Apokalipsy 2:23; 5IJaona2:1&2; 6Matio 26:52; 7Matio 5:38,39; 8Matio 5:44; 9Jaona 8:46, I Petera 2:22; 10Matio
11:28-30; 11Matio 19:5,6; 12Lioka
10:10,11; 13Romana 6:23; 14Jaona 6:37; 15IIPetera 1:3; 16Marka 13:13; 17Hebreo 12:1-2; 18Jaona 1:12-14; Jaona 3:36.
No comments:
Post a Comment