Nakaton’I Karim ny boky izay novakiany ka nakapony teo ambony latabatra. Nisy kentrona teo amin’ny endriny. Nipetraka nangingina fotoana fohy izy, nandinika lalina.
Nanazava
taminy Abou sakaizany fa misy fitahiam-be ho an’izao tontolo izao, avy amin’ny
taranak’I Abrahama. Hoy Andriamanitra tamin’I Abrahama hoe, “Aminao no hitahiana ny firenena
rehetra”. Nazavain’I Abou fa Jesosy dia teraka tao amin’ny taranak’I Abrahama,
ary amin’ny alalan’I Jesosy no itahiana izao tontolo izao. Tao aorian’I
Abrahama dia teraka Isaka, dia avy eo Jakoba, dia avy eo ny zanakalahin’I
Jakoba atao hoe Joda. Jesosy dia nantsoina hoe ny Lion’I Joda. Fa ankehitriny
satria mamaky ny tantaran’I Jakoba izay zafikelin’I Abrahama izy, dia hitan’I
Karim sahady fa tamin’ny taranaka fahatelo dia nisy fitaka maro teo amin’ilay
taranaka. Jakoba dia feno fiolakolahana, fanararaotana, hafetsena sy fitaka.
Ahoana no ivoahan’ny zavatra tsara avy amin’ny haratsiana be toy izany? Ahoana
no ahafahan’Andriamanitra mitahy firenena avy amin’ny olona tsy marina toy
izany? Eritrereto izany hoe olona mamitaka ny rainy jamba mba hangalarana
fitahiana ara-panahy izay tokony ho an’ny zokiny lahy, izay matoan’ny
ankohonana!
Hoy Abou hoe Jesosy dia mihoatran’ny
mpaminany. Jesosy dia fahamarinana ary Jesosy tenany dia niteny fa ny marina no
manafaka ny olona. Ary naverin’I Abou aza ny Tenin’I Jesosy hoe, “Izaho no
lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny
Alalako”.
Tian’I Karim ny tantaran’I Abrahama.
Abrahama dia lehilahy marina , tsy miolakolaka izay nifandray
tamin’Andriamanitra velona. Fa ny zafikeliny dia I Jakoba kosa dia nivily niala
tamin’izany fahitsiana izany.
Nanana fanontaniana mafonja I Karim.
Ahoana kay ny mahatonga lehilahy izay mino an’Andriamanitra Tsitoha, tahaka
an’I Jakoba, no feno fitaka?
Raha teny am-pananganana trano toy
ny anjara fanaony isan’andro I Karim, dia niezaka nanadino izay novakiany tao
anatin’ilay boky izy, fa ny sainy mbola niverina any amin’ny tantaran’I Jakoba
sy Isaka rainy foana.
Antitra sy jamba Isaka. Niantso an’I
Esao lahimatoany izy, ary nangataka azy handeha hihaza diera any an-tsaha , dia
hiverina ao an-trano ka hamboatra hena ho azy , arak’ilay itiavany azy
indrindra, sy hitondra izany hohaniny. Avy eo dia homen’Isaka an’i Esao ny
tso-drano sahaza ny lahimatoa.
Ren’I Rebeka izany resak’Isaka sy
Esao izany. Nantsoiny malaky Jakoba ka notantarainy azy ny planin’Isaka
hitso-drano an’I Esao. Dia nasainy nankany amin’ny vala izy haka ondrilahy
voafantina anankiroa. Dia nataon’I Jakoba izay nolazain-dreniny.
Nandrahoin-dRebeka arak’ilay itiavan’Isaka azy ny hena, dia misy zava-manitra
sy tongolo gasy, toy ny itiavan’ny olona tatsinanana ny sakafony.
Jakoba dia tena samy hafa be amin’I
Esao. Esao tia mivoaka any ivelan’ny trano. Hatramin’ny vao teraka izy dia
voloina kokoa noho Jakoba rahalahiny. Nalain-dRebeka ny hoditr’ondrilahy dia
nataony tamin’ny sandrin’I Jakoba sy ny tendany; ka rehefa nikasika azy ny rainy,
dia nikasika ny hoditr’ondry voloina. Dia nanaovan’I Jakoba koa ny fitafian’ny
rahalahiny. Misy fofon’ny saha izay andaniany ny androny ny fitafian’I Esao.
Tamin’izany fanovana endrika maty paika izany no nitondran’I Jakoba ny sakafo
tsara fofona teny amin’ny rainy jamba izay voafitaka; koa dia lasan’I Jakoba,
fa tsy Esao, ny tso-dranon’ny lahimatoa.
Nipetraka teo amin’ny rindrin’ny
trano namboariny mbola tsy vita I Karim. Teo amin’ny antsasak’adiny teo izy
nisaintsina ny amin ilay tantara. Dia nanapa-kevitra hiverina any amin’I Abou
izy ka nidinika momba io olana io taminy.
Angamba
I Abou mety hahay hanazava ny fihetsik’I Jakoba sy Rebeka.
Ny
ampitso Asabotsy, dia nifoha maraina I Karim, niakanjo, nandray ny boky, ary
lasa any amin’ny tanana misy an’I Abou. Hitany ity namany sahirana mamboly
akondro ao an-jaridainany.
Akory
Karim! Kabarinao? Maraina ianao izany an, ary izaho noana. Tsy nisotro dite
maraina aho. Andao hiara-misakafo isika e! Nasain’I Abou nandroso izy. Rehefa
voaroso ny dite dia natombok’I Abou avy hatrany ny anton-diany. “Misy azoko
anampiana anao ve? Hoy izy tamin’ny namany. “Fantatro tsara ianao ka tsy ianao
mihitsy no hankaty amiko amin’ny Asabotsy maraina ka tsy misy antony”.
“Namaky ny tantaran’I Jakoba aho’,
hoy Karim nanazava. “Tsy
nahatafandry mandry ahy ilay tantara. Ahoana no ahafahanao milaza fa Jesosy dia
mpaminany marina, na hoe mihoatran’ny mpaminany, kanefa Izy avy amin’ny
ankohonana mpamitaka toa an’I Jakoba ? Jakoba anefa nandainga tamin’ny rainy
antitra ka nangalatra ny tso-dranon’ny rahalahiny”.
Nijery
malefaka an’I Karim tamin’ny fahatsaram-panahy i Abou.
“Hitanao
ry Karim, izaho mihevitra fa eo an-dalam-pahitana zava-mahatalanjona ao amin’ny
bokimasin’Andriamanitra ianao. Omen’Andriamanitra fomba ahalalana isika hanampy
antsika hahazo an-tsaina foana. Indraindray misy an’ireny fomba ahalalana ireny
eny amin’ny lahatsoratra na eny amin’ny fehezanteny aza. Matetika no tsy
voamaritsika izy ireny”.
“Tadidinao ve tamin’I Rebeka
nitondra vohoka? Tsy fantany izay nahazo azy dia lasa izy nankany
amin’Andriamanitra hitady ny antony.”
“Ie, tadidiko” hoy Karim namaly.
“Inty eto amin’ity tantara ity mihitsy: Hoy ny TOMPO taminy, “Firenena roa no
ao an-kibonao; hiteraka firenena roa mifandrafy ianao. Ny iray hahery noho ny
iray; ny zokiny hanompo ny zandriny”
“Izao an, eto isika dia manana ny
fomba ahalalana voalohany: Andriamanitra miteny amin’I Rebeka hoe ny zokiny
hanompo ny zandriny.
Taona maro taorian’izany, rehefa
nitombo ireo zaza ireo, dia vakiantsika ny tantara mahaliana momba an’I Esao
niverina avy tany an-tsaha noana dia noana. Nahandro
saosy Jakoba. Tsy maintsy ho manitra tokoa ilay izy ary Esao noana be. Andao
hovakiantsika araka ny voasoratra.”
Hoy
Esao tamin’I Jakoba hoe, “noana aho; anomezo amin’io mena io aho”.
Namaly
Jakoba hoe, “Homeko amin’io ianao raha omenao ahy ny fizokianao”.
Hoy
Esao, “Eny ary, efa ho faty aho, koa mahasoa ahy inona moa izay fizokiana?”
Namaly
Jakoba hoe, “Mianiana ary aloha fa homenao ahy ny fizokianao”. Dia nianiana
Esao ka nomeny an’I Jakoba ny fizokiany. Dia nomen’I Jakoba mofo sy saosy izy. Dia nihinana sy
nisotro izy ary nitsangana ka lasa nandeha.
Izany no nanamavoan’I Esao ny
fizokiany.
“Azontsika tsoahina avy amin’izao fa
olona tsy mivaky loha Esao. Izy koa dia mpierina, Vakiantsika fa nanambady roa
izy, dia Jodita sy Basemata ary nampahory ny fiainan’I Isaka sy Rebeka izy
ireo.
Ireo zava-nisy ireo dia manome
antsika fahalalana bebe kokoa ny toetran’I Esao. Andao hotsarovantsika indray
ilay zava-doza nitranga tamin’ilay ray antitra izay nilaza taminy fa vonona ny
hanome azy ny tso-dranon’ny lahimatoa azy. Inona hoy ianao no tokony ho
nolazain’I Esao?”
“Azo antoka fa hilaza izy fa tsy izy
intsony no lahimatoa”, hoy Karim
Nanaiky Abou. “Marina ny nolazainao!
Araky ny fahazoako azy dia tsy nanao fihetsika marina izy teo”.
“Ary Rebeka?”
“izy dia reny miezaka mamaha
toe-javatra sarotra. Ny reny tsy ba mety manadino ary angamba mbola manenoneno
ao an-tsofiny ny hoe, “Ny zokiny hanompo ny zandriny”.
Fa raha ny taratr’ity tantara ity
dia miray hevitra aminao aho fa tsy nanao zavatra amin’ny
maha-lehilahin’Andriamanitra azy Jakoba.Jakoba sy ny reniny dia tsy manana
antony tokony hiezahany hanampiana an’Andriamanitra hanatanteraka ny Tanjony
amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Masi-mandidy Izy. Vitany ny manatanteraka izay
kasainy atao. Fa nanana planina ho an’I Jakoba Andriamanitra satria Aminy ny
toetra no zava-dehibe noho ny taona. Raha mitohy mamaky ianao dia ho hitanao ny
famolahan’Andriamanitra azy tamin’ny lalan-tsarotra mba hahatonga azy ho
lehilahy araky ny itiavan’Andriamanitra azy. Natao sesitany niala tamin’ny
fianakaviany izy nandritry ny taona maro. Nambakain’ny dadatoany tokoa izy.
Maty tany ny raiamandreniny toy izany koa ny vadiny. Rehefa hiverina ho any
an-tanindrazany izy dia nitolona tainy nandritry ny alina manontolo
Andriamanitra.Ireny rehetra ireny dia zavatra ampiasain’Andriamanitra hanefena
ny toetra sy ny fandehanana amin’ny fahitsiana eo amin’ny fiainan’ny olona.
Taorian’ireo fahatsapana rehetra ireo dia niova tanteraka ny toetrany. Na
Andriamanitra aza dia nanova ny anarany avy amin’ny jakoba ho Isiraely, izay
midika hoe zanak’Andriamanitra na Miaramilan’Andriamanitra.
“Raha tohizanao vakiana ny Soratra
Masina dia ho hitanao fa ny olona rehetra avy amin’ny taranaka niavian’iJesosy
dia olona tsotra toa ahy sy anao, izay nila mpamonjy hanadio azy ireo amin’ny
fahotany avokoa.”
Nazavain’I Abou tamin’I Karim fa ny
Soratra Masina ,manomboka amin’ny boky voalohany ao amin’ny Tor’ah ka
hatramin’ny boky farany ao amin’ny Injil, dia fikambanan’ny boky 66
nosoratan’ny mpanoratra 40 samy hafa nandritry ny 1500 taona. Ny tanjon’ny boky
akory tsy hoe haneoana hoe ahoana ny nataon’Andriamanitra tamin’ny firenena
iray, fa ny tanjon’ny boky dia ny hanehoana ny planin’Andriamanitra momba ny
famonjena ny olombelona; ka hahatonga ny firenena rehetra ambonin’ny tany ho
voatahy araka ny nambarany tamin’I Abrahama 4000 taona lasa izay.
“
Aza ihomehezanao aho ry Abou, fa tsy mbola azoko tsara ilay hoe zavatra
fitahiana izay avy amin’ny taranak’I Abrahama?’
Tsy hoe zavatra Karim a fa olona!
Olona Ilay Fitahiana: JESOSY! Tadidio Ilay nolazainy, “Izaho no lalana sy
fahamarinana ary fiainana. Tsy misy mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny
alalaKO”.
“Efa hatramin’ny voalohany
Andriamanitra no nanao planina hanampianan ny olona ho afaka amin’ny fahotana
sy ny fahapotehana mandrakizay. Ny fandraisana an’I Jesosy dia fandraisana ny
Lalam-pamonjen’Andriamanitra.
Rehefa niala tao an-tranon’I Abou I
Karim io maraina io dia nanana fiadanana tao am-pony izy.
“Ha! Mba tena Andriamanitra mahagaga
ity ka” hoy izy nieritreritra. Na dia nanota taminy aza ny olombelona, dia
mbola anaovany planina hovonjena ihany ary mbola raisiny hiverina Aminy ihany!”
“Ity mihitsy no tena Andriamanitra
tiako hotompoina amin’ny foko rehetra”, hoy izy teo amoron-dalana, niteny mafy
amin’ny tenany teo am-piandrasana taxi hitondra azy hody.
Ny tantaran’I Abrahama sy ny
taranany dia nalaina avy amin’ny bokin’I genesisy ao amin’ny Torah,took faha
12-33; ary ny tenin’I Jesosy avy amin’ny bokin’I Jaona ao amin’ny Injil, took
faha 14
No comments:
Post a Comment