Friday 17 May 2013

Mpaminany JONA


Ny Famantarana ny Amin'ny MPAMINANY JONA

Lohataona mitataovovonana tamin’izay. Nipetraka teo ambany alokaloky ny hazo  mangatsiatsiaka I Karim sy Abou, namaky voanio hisotro ranom-boanio.  “Ahoana moa no ilazanao fa nirahin’Andriamanitra Jesosy Kristy?” hoy Karim namaky kabary tampoka.
Nitsiky I Abou. Mitovitovy amin’ny fanontaniana napetraky ny mpitarika fivavahana tamin’I Jesosy izany. Nangataka famantarana tamin’I Jesosy izy ireo.” “Famantarana ny amin’ny inona? Hoy Karim liana.
“Tsy nino izy ireo fa Jesosy dia nirahin’Andriamanitra, koa dia nasainy noporofoina izany”, hoy Abou namaly.
“Afaka nanao izany ve izy?”
“Tsy mba nety niezaka nanaporofo ny maha-Izy Azy Jesosy”, hoy Abou.
“Nianatra ny Soratra Masina ny mpitarika  fivavahana fa jamba loatra izy ireo ka tsy afaka nahita ny famantarana.
Izay no nahatonga an’I Jesosy nanondro azy ireo hoe manana ny famantarana ny amin’I Jona mpaminany izy ireo.
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe,”Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’I Jona mpaminany, fa tahaka ny nitoeran’I Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no itoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’I Jona teny, nefa indro, misy lehibe noho I Jona eto.”1
“Nisy hazandrano lehibe ve nihinana an’I Jona?” hoy Karin gaga.
“Tsia, hoy Abou nanazava. “Natelina izy satria notendren’Andriamanitra hilaza ny fahotan’ny tanana lehibe atao hoe Ninive izy nefa natahotra. Koa niondrana an-tsambo izy ary nilefa nankany amin’ny toerana mifanohitra amin’izany. Tratran’ny tafio-drivotra mahery ny sambo nandehanany ary niaiky teo anatrehan’ny tantsambo izy fa nilefa an’Andriamanitra velona. Dia natsipin’ireo tany ivelan’ny sambo izy ka nanjary tony ny rivotra. Nanendry hazandrano lehibe Andriamanitra hitelina azy. Koa telo andro sy telo alina Jona no nijanona tao an-kibon’ny hazandrano”2
Niantso mafy an’Andriamanitra avy tao an-kibon’ny hazandrano izy, niaiky ny fahotany tsy nankatoa ary nasain’Andriamanitra naloan’ny hazandrano. Mba vakio moa ny tohin’ny tantara ao amin’ny Bokin’I Jona e!
“Mahafinaritra! Ka tao anatin’ny kibon’ny hazandrano telo andro sy telo alina izany Jona, mitovy amin’I Jesosy tao am-pasana!”
Nanaiky tamin’ny lohany Abou. “Eoa, mbola marobe ireo famantarana samihafa ireo ao amin’ny Soratra Masina”.
“Ambarao ahy hoe ny mikasika azy ireo!” hoy Karim nientanentana.
“Ny mikasika ny zanak’ondry ihany no horesahako anio”.
“Ondry mbola kely ve izany zanak’ondry izany? Hoy Karim nanontany.
“Eoa, ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny zanak’ondry dia ampiasaina ho famantarana. Vao nahita an’I Jesosy nanatona azy I Jaona mpanao batisa, dia hoy izy, “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!3. Nisy fotoana Jaona nampahitana an’I Jesosy nitsangana tany an-danitra ka nitovy tamin’ny zanak’ondrin’Andriamanitra voavono no nahitany Azy, tao anatin’izany ny anjely nihira hoe:’ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra Izay voavono no mendrika handray ny hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra! Fa voavono Hianao ary ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra”.4
“Fa ianao mahalala fa fahiny elabe talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, ny zanak’ondry dia famantarana lehibe manondro an’I Jesosy. Nandevozin’ny Egyptiana  nandritry ny 400 taona ireo zanak’Isiraely. Nasain’Andriamanitra namono zanak’ondry tsy misy kilema na pentimpentina izy ireo. Ny ankohonana tsirairay dia tsy maintsy nitondra zanak’ondry ho ao an-tranony tamin’ny andro fahafolon’ny voaloham-bolana. Tsy maintsy dinihina io zanak’ondry io telo andro feno, jerena sao misy kilema mandritry ny telo andro. Tsy maintsy ho tsy misy tsiny ilay izy satria famantarana ny amin’I Jesosy izay tsy misy tsiny. Toy izao ny filazan’ny apostoly Petera azy:”fa ny ra soan’I Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina Izay fantatra rahateo fony mbola tsy ary ny fanorenana izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’izao andro farany izao noho ny aminareo.”5
“Amin’ny faha-14 n’ny andro dia vonoina izany; angonina ny lio ary lalorinaamin’iny ny tolam-baravarany. Ny lio no miaro ny anjelin’ny fahafatesana izay namono ny lahimatoan’IEgypta, tsy hiditra ny trano mandritry ny alina. Avy eo dia tsy maintsy atsatsika manontolo sy hohanina manontolo fa tsy tapahina ny tongony mba ahatonga ny tenan’ilay zanak’ondry ho ao anatin’ny tenan’ilay ankohonana.
Taorian’ny nahafatesan’I Jesosy dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny tongotr’ireo jiolahy niara-nohombohana taminy, izay fanaon-dry zareo hanafainganana ny fahafatesana; fa rehefa tonga teo amin’I Jesosy izy dia hitany fa efa maty sahady Izy, koa tsy notapahiny ny tongony.6
Ny alina nahaterahan’I Jesosy dia nisy mpiandry ondry niandry ny ondriny tany ivelan’ny tanana. Angamba ondry hoentina ao amin’ny tempoly amin’ny andro fahafolo ireo, mba hozahana alohan’ny hamonoana azy ny faha-14 andro. Angamba teo amin’ireo mpiandry ondry ireo no nahatongavan’ny anjely io alina io, nitondra ilay hafatra hoe, “Aza matahotra! Fa indro milaza tany soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’I Davida, dia Kristy Tompo!”7
Telo amby telopolo taona taorian’izay, ny andro fahafolo, rehefa niditra an’I Jerosalema Jesosy ho amin’ny Paska farany, ireo ondry tany ivelan’ny tanana dia noroahina hiditra ny vavahady hafa, dia ny vavahadin’ny ondry hoentina ao amin’ny tempoly, mba hozahana na misy kilema na tsia.
Niditra tao Jerosalema Jesosy hanolotra ny Tenany hozahana amin’ny maha-Zanak’Ondrin’ny Paska Azy. Neken’I Pilato Izy satria ny governora romanina rehefa avy nandinika an’I Jesosy dia naka rano ka nanasa ny tanany sady nanao hoe,”Afaka amin’ny ran’ity lehilahy ity aho”.8 Nozahana nandritry ny telo andro Izy fa tsy hitan’izy ireo izay tsininy.
“Tamin’io Paska io rehefa nofantsihana Jesosy, dia tokony ho namono zanak’ondry maro tao amin’ny tempoly nanomboka tamin’ny 9 ora ka hatramin’ny 3 ora ny mpisorona. Nony tamin’ny 3 ora dia tokony ho nanambara tamin’ny olona izy hoe,”Vita”. Tany ivelan’ny tanana kosa, teo amin’ny vohitra tsy dia lavitra loatra, dia nofantsihana teo amin’ny 9 ora maraina teo Jesosy Ilay Zanak’Ondrin’ny Paska. Nony tonga ny tamin’ny 3 ora hariva, mba ilazana fa ny olona rehetra no nitenenany, dia tamin’ny tanana mivelatra no nilazany hoe,’vita’ ary maty Izy. Izay indrindra no ilay fotoana naha-triatra ny efitra lamba tao amin’ny tempoly, nanomboka hatreny ambony ka hatrany ambany”.
“Efitra lamba inona izany?” hoy Karim nanontany. Ny efitra lamba izay nampisaraka ny efitra Masina indrindra, izay ny Mpisoronabe irery no mahazo miditra ao indray mandeha isan-taona, mba hitondra ny ran’ny biby natao fanatitra ho an’Andriamanitra, ho famelana ny fahotan’ny olona. Rehefa maty Jesosy, dia rovitra ny efitra lamba. Tsy ilaina intsony izany ny fanatitra biby. Ampy ny ran’I Jesosy hamelana ny otan’ny olombelona. Ny olona tsirairay dia afaka manatona an’Andriamanitra mivantana mba hahazo famelana ny helony.”
“Azoko atao ve izany?” hoy Karim nanontany tamin’ny fo tsotra.
“Eoa, toy ny nataon’ireo zanak’Isiraely tany Egypta, nampiditra ny zanak’ondry tao anatin’ny tenany, dia mila mampiditra an’I Jesosy ho ao am-ponao ianao, manaiky ny sorona nataony, misaotra Azy satria maty ho anao Izy, ary manaiky Azy ho Mpamonjy “ hoy Abou nanazava. “Manasa Azy hiditra ao am-ponao ianao rehefa miteny ireto teny ireto:”Jesosy o, manaiky aho fa mpanota. Miaiky ny heloko aho ary mangataka Anao hamela ahy. Azoko fa maty nisolo toerana ahy Ianao, ary nanasa ny otako tamin’ny ranao. Jesosy o! manaiky Anao ho Mpamonjy aho. Raiso ho andraikitra ny fiainako ary aoka ho Mpanjakako Ianao.”
Nikoriana tamin’ny takolak’I Karim ny ranomaso rehefa vitany ny vavaka. “Araka ny hevitrao, nekeny ve aho?” hoy Karim nanontany.
“Eoa, araka ny Teniny, hoy Izy:”fa izay rehetra nandray Azy, izay mino ny Anarany, dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra; ary raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika ary manadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”9
“Tsara be izany”. Namirapiratry ny hazavana vaovao ny mason’I Karim. “Mbola  misy zavatra hafa azonao lazaina ahy ve?”.
“Eoa,  aoka hambarako aminao ny mikasika ny tananan’I Betlehema izay nahaterahan’I Jesosy”, hoy Abou. “Fitonjato taona talohan’ny nahaterahan’I Jesosy, dia izao manaraka izao no faminanian’I Mika mpaminany :
Fa hianao ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’ny Joda akory, dia avy aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho ahy ao amin’ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay10
“Fa nahoana no I Betlehema?” hoy Karim nanontany.
Izany dia tao amin’ny planin’Andriamantra mandrakizay. Ny teny hoe Betlehema dia midika hoe ny Tranon’ny Mofo. Hoy Jesosy milaza ny Tenany hoe: Izaho no Mofon’aina Izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay omeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”11
“Tena sarotra be ity farany ity, hoy Karim.
“Nahoana Jesosy no niteny hoe:’…ny nofoko no mofo izay omeko ho fiainan’izao tontolo izao’?”
“Jereo moa izay nodidian’Andriamanitra hataon’ireo zanak’Isiraely ireo e! Nasain’Andriamanitra nihinana mofo tsy misy masirasia miaraka amin’ny anana mangidy nandritry ny herinandro izy ireo tany Egypta.”
“Inona izany mofo tsy misy masirasira?” hoy Karim nanontany.
“Izy io dia mofo natao tsy nasiana masirasira satria ny masirasira dia sarin’ny ota. Nantsoin’Andriamanitra hiala avy tao amin’ny fahotan’I Egypta izy ireo, satria nanao fifanekena tamin’ny ra tamin’I Abrahama Izy hitahiany ny firenena rehetra. Ny anana mangidy dia mampahatsiaro azy ireo ny fijaliana niainany tamin’ny nanandevozana azy tany Egypta. Fa izao no tena mahaliana. Nanomboka hatramin’io Paska voalohany io, dia nanomboka nametraka mofo tsy misy masirasira telo tao anaty haronkely izy ireo; mizara telo ilay haronkely ka itoeran’ny mofo iray avy ny fizarana tsirairay. Mandritry ny sakafo dia alefa amin’ny isan’olona ny tapa-mofo, dia manapaka kely avy ary mihinana izany izy. Mino izy ireo fa ny mofo tsirairay dia I Abrahama, Isaka ary Jakoba. Ilay tapany teo afovoany dia sarin’Isaka natao sorona na dia tsy izy aza no tena natao sorona.”
“Koa inona ary izany no tena dikan’ilay tapa-mofo teo afovoany?”, hoy Karim liana.
“Jesosy no manome antsika ny valiny,” hoy Abou nanazava. “Tamin’ny Paska dia nipetraka teo amin’ny latabatra Jesosy niaraka tamin’ny apostoliny. Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe,’Naniry koa raha naniry aho ny hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly aho. Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia noraisiny ny mofo, ary rehefa nisaotra dia novakiany ka natolony azy, sady nataony hoe,’ity no Tenako izay omena ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy!”12
“Ka ny tianao lazaina izany dia hoe ny mofo izany dia sarin’I Jesosy?”
“Eoa. Toy izany koa ny kapoaka izay nisotroany tamin’ny Paska. Natolotr’I Jesosy azy ireo ny kapoaka rehefa avy nisakafo izy ireo ka nolazainy hoe,’Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Rako izay aidina ho anareo’13
“Miha-azoko bebe kokoa izany izao,” hoy Karim. “Nanao fanekena amin’ny ra tamin’I Abrahama Andriamanitra hitahiana ny firenena rehetra. Nampanantena Izy fa hanolotra ny Ainy ho Famonjena ny olombelona. Ka rehefa natolotr’I Jesosy ny Rany dia tanteraka ny zavatra nampanantenainy.”
‘Eoa, koa dia afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra tiantsika hanaovana izany isika, satria misokatra malalaka ny lalana mankao amin’ny Sezafiandrianan’Andriamanitra. Izao no filazan’ny Soratra Masina azy:
Izao no fanekena ataoko aminy, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalako sady hosoratako ao an-tsainy. Dia hoy koa Izy: Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony. Ary rehefa misy famelana ireo dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’I Jesosy, amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisoronabe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana14

1Mat 12:39-41;  2 Jona 1:17;  3Jaona 1:29; 4 Apok 5:9,12; 5 IPetera 1:19-20;
 6 Jaona 19: 32-33; 7 Lioka 2:9-16;
 8 Matio 27:11-24; 9 IJaona 1:9;
Jaona 1:12; 10 Mika 5:1 ; 11Jaona 6:35,48,51; 12 Lioka 22: 14-16,19;
13 Lioka 22:20; 14 Heb 10:16-22

Mianatrany Tenin'Andriamanitra Mahagaga Karim sy Abou






Vao maraina ben’ny andro tony tsara dia mijery ny ranomasimbe mahafinaritra eo anoloany Karim.  Mitazana ny sambo mivoaka hanjono izy.  Hahazo be ny mpanarato anio. 
Mitopy amin’ny teny vao avy novakiany ny masony.  Marobe ny fanontaniana tonga ao an-tsainy.  Iza Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana?  Maninona ny horonam-boky no nosoratana amin’ny lafiny roa? Nahoana izy io no nasiana tombokase mafy mba tsy hisy tafatsofoka ao anatiny?
Marobe ny hoe nahoana? Marobe tokoa ny zavatra tsy azony….
Eo am-pamakiana ny toko faha-5 ao amin’ny bokin’ny Apokalipsy, dia ny boky farany ao amin’ny soratra Masina izy.  Mahery ny teny ary toa miaraka amin’ny feo mitory halahelo lalina.  Vakiany indray ilay izy,
Dia hitako teo an-tanan-kavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianana, horonam-boky voasoratra ny ao anatiny sy ny eo ivelany misy tombokase fito.
Dia nahita koa aho anjely mahery nilaza tamin’ny feo mafy hoe, “Iza no mendrika hanokatra ny boky ary hamaha ny tombokase?”
Tsy nisy tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin’ny tany hita mendrika hanokatra ny boky na hijery ny ao anatiny.
Nanomboka nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra na hijery ny tao anatiny.1
Inona ny maha-zava-dehibe ny hahitana olona hanokatra ny boky sy hijery izay voasoratra ao anatiny?  Iza no mitomany mafy amin’ny fony?
Dia manohy ny vakiteniny Karim.
Dia hoy ny anankiray amin’ny loholona tamiko, “Atsaharo ny tomaninao. Jereo!  Ny Liona avy amin’ny taranak’I Joda, ny Fakan’I Davida no efa nandresy.  Izy no afaka hamaha ny boky sy ny tombokaseny.”
Tsapan’I Karim fa misy zavatra hafahafa amin’ny zavatra vao avy novakiany.  Tsy liona akory no nandroso naka ny horonam-boky fa toy ny zanak’ondry voavono.
Amin’ity tapany manaraka ity dia niova ny tantara rehetra.  Liana avokoa ny rehetra satria nalain’ny zanak’ondry ny boky. Hipoky ny hafaliana sy ny fiderana ny toerana rehetra.  Ny sasany mihira hoe,
Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny, satria voavono ianao.  Ny ranao no nanavotanao vahoaka ho an’Andriamanitra avy amin’ny foko, fiteny, olona samy hafa karazana ary firenena.  Nataonao ho fanjakana ireo sy mpisorona ho an’Andriamanitsika, ary hanjaka ety an-tany ireo”.
Nihodinkodin-doha Karim. Inona ny zava-miafina ny amin’ity boky ity?  Nanapa-kevitra ho any amin’ny Abou sakaizany izy ary hanontany azy ny dikan’ny zava-mitranga eto.  Mahalala ny Soratra Masina I Abou, ho fantany izany zava-miafina izany.
Nitsiky Abou teo am-pisotroana dite ravim-boasary, Karim sakaizany mipetraka manoloana azy eo amin’ny latabatra.  ”Ity ampahan-tsoratra masina ity no tena tiako”, hoy izy.  “Ary araky ny efa nohazavaiko taminao teo aloha, dia ny boky ihany no manazava ny tenany.”
Ny tianao tenenina ve hoe ao anatin’ny Boky ihany aho no mahita ny valin’ny tsy azoko etsy sy eroa?  Hoy Karim nanontany.
“Eny, Andao hatomboka amin’ny horonam-boky.  Ny mpaminany Jeremia dia nanome ohatra tsara ho antsika ny amin’ny hampiasana ny horonam-boky.  Nanatona azy ny zana-drahalahin’I  Jeremia atao hoe Hanamela nangataka hoe,”Manana tany aho any Anatota, hoy izy nanazava.  “Mba vidio re dia tazony ho ahy fa ianao no manana zo hanavotra; ianao no havako akaiky indrindra”.  Novidian’I Jeremia ny tany.  Dia natao ny fanekem-pividianana dia nasiana tombokase ny dika mitovy iray izay misy ny fepetra sy ny fifanarahana fampivarotana; fa ny dika iray kosa tsy nasiana tombokase mba ahazoan’ny rehetra mamaky azy.  Dia nataon’izy ireo tao anaty vilany tany ireo dika roa ireo mba ho voatahiry tsara.2
Taty aoriana dia natao iray ireo horonan-taratasy ireo: voasoratra avy ao anatiny ho porofon’ny fividianana eo amin’ny roa tonta ary avy eo ivelany ho hitan’ny besinimaro”.
“Ary ilay iray eo amin’ny sezafiandrianana?  ANDRIA- MANITRA ve io?
Nanaiky tamin’ny lohany Abou.
“Ahoana ilay zara-tanin’ny zana-drahalahin’I  Jeremia no manazava ny maha-zava-dehibe ny horonam-boky eny an-tanan’ANDRIAMANITRA?”
“Tsara ny fanontanianao ry Karim!  Mbola haneho ohatra vitsivitsy anao ato amin’ny Soratra Masina aho. Kanefa jereo aloha ny zavatra takian’ny mpanao fanavotana.  Voalohany aloha dia tsy maintsy ho Havana akaiky izy, faharoa dia mila manaiky ary fahatelo dia olona afaka manavotra.  Jeremia no mahafeno ireo..
“Efa novakianao ve ny sasany amin’ireo lalana nomen’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely?”,hoy Abou nanontany.
Niezaka aho fa mankarary an-doha!”
Nihomehezan’I  Abou ny fahatsoran’ny sakaizany.  “Eny e, fantatro.  Toy izany koa no tsapako.  Nefa nisy antony ny nanomezan’Andriamanitra azy ireny.  Tiany ho fantatsika fa misy zavatra telo tiany avotana: 1. Tany. 2. Andevo. 3. Vehivavy.  Nanome lalana miavaka Andriamanitra ho an’ireo:  raha misy olona mahantra loatra ka tsy afaka mihazona ny fananany, dia tokony hiditra an-tsehatra ny havany akaiky ka mividy ary mitahiry izany ho azy, toy ny nataon’I  Jeremia tamin’ny zana-drahalahiny.  Toy izany koa
Raha misy olona voatery ho lasa andevo, ny havana mpanavotra azy dia miditra an-tsehatra ka mividy ny fahafahany.  Toy izany koa raha misy maty ao amin’ny ankohonana, dia manambady ilay maty vady ny havana mpanavotra.” 3
Nangina fotoana fohy I Karim nieritreritra dia hoy izy avy eo,” Namaky ny tantaran’ny sezafiandrianan’Andriamanitra ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly aho, ary ianao mitondra ahy any amin’ny fiandohana, izay nanomezan’Andriamanitra ny lalana tany am-piandohana ho an’ny vahoaka. Ireo anefa an’arivo taonany maro ny elanelany”.
“Izay indrindra, tiako aseho anao ny fomba mahatalanjona nanoratana io Boky io.
Nanana planina hatramin’ny voalohany Andriamanitra.  Asehony antsika hatramin’ny voalohany fa indray andro izy hanao planina hanavotana ny olona.
Manerana ny Soratra Masina dia manome ohatra ny amin’ny planin’ny fanavotana Andriamanitra, mba ahazoan’ny olona an-tsaina izany.  Ny tantaran’I Rota dia ohatra tsara amin’izany hoe ahoana ny havana akaiky no manaiky sy afaka miditra an-tsehatra hanavotra fananana sy vehivavy izay voatery manao asan’andevo.
Azonao vakiana izany tantara izany any an-trano.” 4
“Eny ary.  Fa ahoana ny amin’ilay olona nandray ny horonam-boky avy eny an-tanan’Andriamanitra teo amin’ny seza fiandriananana…?”
“Eny tokoa…  Andriamanitra mihazona horonam-boky eny an-tanany izay voasoratra eo amin’ny lafiny roa.  Ny Mpanavotra irery ihany no mahalala izay voasoratra ao anatiny.  Izy no mahalala izay tokony havotany:  tany, andevo ary vehivavy”.
“Ka tany inona, andevo inona ary vehivavy inona?”  hoy Karim nidanaka.
“Vakio avy amin’ny Soratra Masina ireto dia ianao ihany no manapa-kevitra”:
mba ho afahana koa ny voary rehetra izay nandevozina sy nosimbana
Fa fantatsika fa ny voary manontolo  dia nitaraina sy nampanaintainina tamin’ny fiterahan-jaza hatramin’izao. 5
“Ny tianao lazaina ve hoe ny voarin’Andriamanitra dia fananan’Andriamanitra izay tokony havotana?” 
“Izany mihitsy. Nampanantena tany vaovao Andriamanitra. Ity tonta ity dia handalo. 6
“Ary ny andevo?”
Henoy izay nolazain’I Jesosy,” Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa , izay manota dia andevon’ny ota. 7   Andevo mila avotana ny olona”.
“Ary ny vehivavy?”
“Nampitahain’Andriamanitra amin’ny vehivavy ny fiangonana, ny vahoakany, amin’ny mpivady, ny lehilahy sy ny fofombadiny”.
Hoy Andriamanitra hoe,” Fa ny lehilahy no lohan’ny vavy dia toa an’I Kristy izay lohan’ny fiangonana. 8
“Azonao ve izao ry Karim hoe naninona I Jaona izay nanoratra ny Apokalipsy, no nitomany mafy dia mafy tamin’ilay tsy nisy hita mendrik haka ny boky avy eny an-tanan’Andriamanitra?  Fantatr’I Jaona ny zavatra tandindomin-doza:  ny fanavotana izao tany manontolo izao, ny olona rehetra izay nandevozin’ny ota ary ireo olona izay nanaiky Azy sy manaiky ny lalany izay antsoina hoe ny fofombadiny.”
“Iza io olona io ary nahoana izy no hita mendrika ny hanavotra?”  hoy Karim nanontany.
“Jesosy! Izy irery no olona nanana ny fepetra takiana hanavotana ny tany.  Izy no havana akaikin’ny tany satria nandao ny lanitra Izy mba ho tonga ho isan’ny olombelona.  Ny soratra Masina dia milaza fa mba ahatonga Azy ho isan’ny olombelona, dia nofoanany ny Tenany, ka naka ny endriky ny mpanompo Izy, ary natao araka ny endrik’olombelona. 9
Nanaiky Izy.  Natolony an-tsitrapo ny ainy.  Tsy nisy naka izany Taminy.  Hoy Jesosy hoe, “Fa tsy tonga mba hotompoina ny Zanak’olona, fa hanompo, ary hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”10
Ary afaka nanao izany Izy.  Tsy nandoa vola Izy fa ny rany no nandoavany ny sandan’ny fanavotana antsika tamin’ny ota.  Nentiny tamin’ny Tenany ny fahotantsika ary navotany tamin’ny ainy.”
“Koa ny dikan’ny hoe novonoina izany dia dia hoe maty noho ny otantsika Izy?”  hoy Karim.
“Eny, fa indray andro Izy ho tonga toy ny Liona, Mpanjakan’ny fokon’I Joda, hitsara an’izao tontolo izao sy ny olona izay tsy nanaiky Azy ho  “Mpanavotra.”
“Raisiko Izy,” hoy Karim, mino aho fa Izy tokoa no Mpanavotra!”

            

1 Apokalipsy 5:2;  2 Ireo vilany tany ireny dia tena ahavitana mitahiry tokoa. Ny horonam-boky hita tany amin’ny Ranomasina Maty tamin’ny taona 1947, teo akaikin’I Qumran dia notehirizina tao anatin’ny vilany tany nanomboka tamin’ny taon-jato faharoa ary mbola azo vakiana tsara.
3 Levitikosy 25; Deotoronomia 25;  4Rota;
 5Romana 8;  6Apokalipsy 21; 7Jaona 8;  
 8Efesiana 5;  9Filipiana 2; 10Marka 10.

Exquisite nature in Madagascar



Beautiful lake, river  in the East and silhouettes at Iles aux Nattes, Madagascar


Azo Atao ve ny Manana Fifandraisana Manokana Amin'Andriamanitra?






Mitsilanilany mitazana ny rahona misarin-javatra maro I Karim, mibanjina ny lanitra manga matroka eo amboniny.
Any ambony tsy taka-maso any mantsy izao dia tsy maintsy misy Andriamanitra namorona ny olombelona.  Fa lavitra be izy ka tsy azo takarina.  Moa ve mba mihevitra ny zavatra noforoniny Izy?  Noeritreretiny ny banga eo amin’ny fiainany manokana, ny hetaheta tsy azony fenoina amin’ny namana, ny havana, ny vehivavy sy ny harena.  Nitsangana moramora izy.  Karaha milamin-tsaina ny amin’ny fiainany sy ny mikasika azy I Abou.  Nilaza izy fa mahalala an’ Andriamanitra. Mety hisy ve izany?  Ho any amin’I Abou izy ary hahalala bebe kokoa ny mikasika an’Andriamanitra.
Hitany tao ambadiky ny trano I Abou nanahy jirofo.  Misy fofona tsara manentoento manodidina.
“Karibo Karim”.  Nafana ny fiarahaban’I Abou ity sakaizany.  “Hamangy ve ianao sa misy raha hafa ao an-tsainao ao?”  Nomarihin’I Abou fa misy zava-dehibe misoritra eo amin’ny mason’I Karim.  “Aleo isika miditra dia miara-misotro ranom-boanio mangatsiatsiaka sa akory?”  Nitari-dalana ho ao an-trano Abou  ary niara-nipetraka nankeo amin’ny latabatra izy roa.
“Nieritreritra mikasika an’Andriamanitra zaho tato ho ato,” hoy Karim nitsotra.  “Mino Azy ndraiky zaho fa karaha tsy ahoany.  Miezaka zaho misarika jerin’Azy - mivavaka zaho, ary mifady hanina ary manao asa soa.  Mino ny fisian’ny anjely sy ny mpaminany zaho, ary inoako fa hisy ny fotoana fitsarana ka izay mihitsy ny mahalany fanahy zaho.  Inona ny raha hitranga aorian’ny fahafatesana?  Moa misy olombelona nahafa-po an’Andriamanitra ve?  Anao mizaka fa anao mahay azy manokana.  Akory ny hahatanteraka izany?”
Nofenoin’I Abou ranom-boanio ny veran’izy mirahalahy izay vao nanomboka niteny izy. 
“Haiko tsarabe ny mahatonga anao hanana fanontaniana maro mikasika an’Andriamanitra,” hoy Abou onena.  “Izany koa ny fanontaniana napetrako talohan’ny nihaonako manokana tamin’ Andriamanitra.” 
“Inona no tianao ambara amin’ny hoe manokana?”  hoy Karim nihanahana.
“Karaha ny fifankahalalantsika roa,” hoy ny navalin’i Abou.  “Afaka miresaka amin’Andriamanitra karaha zaho miresaka aminao zaho, manaja Azy sy manome voninahitra Azy satria Izy no Mpamorona zaho, fa Izy koa no Babako sy namako.  Hainy jiaby raha mikasika anakahy, ary ino koa, haiko Izy tia zaho.  Zaho koa tia Izy satria Andriamanitra namela heloka zaho ary noraisiny ho zanany zaho.”
“Fa ahoana no itenenananao izany raha jiaby izany?  Tena raha tsy ho hay atao ny mifampikasokasoka akaiky amin’Andriamanitra Tsitoha,” hoy Karim nisalasala.
“Ny tena olana goavana mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia ny fahotantsika,” hoy Abou nanazava.
“Haiko ndraiky izay.  Miezaka araky ny faran’ny aiko zaho tsy hanota.  Ataoko aby ny raha rehetra haiko fa tokony ataoko.  Raha azoko atao dia hanao fivahinianana masina zaho, fa izaho tsy manam-bola foana ny sakana.  Fa raha omen’Andriamanitra fiainana  lava zaho, angamba mety tsy dia hanota be loatra rehefa antitra kokoa ary amin’izay Andriamanitra mamela heloka anakahy.”
“Ka akory raha  tsy mahatratra fahanterana ianao, ohatra maty amin’ny lozam-pifamoivozana ao anatin’ny hatanorana?”  hoy Abou nanontany.
Nampiaka-tsoroka I Karim. Nalahelo endrika izy raha nanohy hoe,  “Dia tsy maintsy halefan’Andriamanitra any amin’ny afobe zaho.  Ka hitanao fa tsy afaka manao izay ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy zaho.”
Nangina fotoana fohy Abou vao niteny hoe, “Karim a! ambarao aminakahy moa, raha misy fomba anafoananana ny fahotanao rehetra azon’ny sainao tadidiana hatramin’ny fahakelezanao ka hatramin’izao, ny halatra, lainga, fitaka, rehetra teo amin’ny fiainanao, mitovy amin’ny fanafoanana ny trosabenao satria nisy nanefa izany, ho tianao ve izany?”
Nivandravandran’I Karim I Abou: ”Mazava ho azy fa ekeko izany.”
“Ambarako anao niany ity fa afaka ny hitranga izany.  Izay mihitsy no nataon’I Jesosy.  Tonga hanefa ny trosan’ny fahotantsika Izy mba ahatonga ny solaitran’ny fianantsika hadio tanteraka.”
“Jesosy?  Fa Izy anie mpaminany fotsiny e!  Ahoana no ahafahany manafaka antsika amin’ny fahotana?”
“Tsy mpaminany fotsiny Izy, ry Karim a!”
Nanohy ny fanazavany I Abou.  “Jereo ny tantara sy ny fahalalana fantatr’izao tontolo izao mikasika Azy: Tsy nisy olona, ankoatran’I Jesosy nanambara fa afaka manome fahazoana antoka ny famonjena ny olona.  Hoy ny Tenin’Andriamanitra:  ‘Fa tsy misy famonjena amin’ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ahazoan’ny olona famonjena ety ambany lanitra nomena ny olona ahazoany famonjena’.1  Jesosy Kristy dia tsy azo lazaina hoe iray amin’ireo mpitondra ny hafatr’Andriamanitra fotsiny.  Fa nirahin’Andriamanitra Izy satria tia antsika Andriamanitra ary tiany ny hihavana amintsika.  Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza ao amin’ny Jaona 3:16 hoe, “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.2  Jesosy dia Zanak’Andriamanitra.3  Ny mpaminany ankoatran’Azy dia olombelona tsotra fotsiny.  Jesosy mahalala ny ao anatin’ny fon’ny olona.4  Tsy nisy olona niteny toa Azy.  Izy no Mpisolo vava antsika eo anatrehan’ny Ray.5
“Noraran’I Jesosy ny mpanaraka Azy tsy hampiasa sabatra.6  Nampianatra famelan-keloka Izy fa tsy valifaty-hanolotra no takolakao iraika raha misy mamely ny takolakao iraika.7  Nampianariny ny mpanaraka Azy hivavaka ho an’ny fahavalony.8  Tamin’ny alalan’ny fiainany dia maodely tsy azo kianina Izy.  Jesosy irery ihany no hany afaka nanambara fa tsy nanana ota.9  Nanao fahagagana Izy. Nanasitrana ny jamba sy ny marary samihafa. Niantso ny olona hanatona Azy Izy.10 Nanome haja ny vehivavy Izy ary nampianatra fa tokony iraika foana ny vadin’ny lehilahy iraika.11  Malalaka ny olona handray na handa any hafatra entiny, satria tsy mba manery ny olona hanaraka Azy Izy.12  tsy hoe nandidy antsika hanao soa fotsiny Jesosy, fa manova ny fontsika mihitsy ahatonga antsika ho tia manao ny tsara.”
Voakasika lalina I Karim.  “Izany raha ambaranao izany Abou tena manampy ahy ahalalako ny maha-Izy an’I Jesosy.  Tena hafabe amin’ny mpaminany jiaby Izy.  Fa ny fahaizako an’izay tsy manampy zaho hanatona an’Andriamanitra bebe kokoa.”
“Raha hainao hoe iza marina Jesosy dia efa eo antsasa-dalana ianao izay,” hoy Abou nampilamina ny sainy.  “Teo ianao no nilaza fa tsy afaka mahatratra ny fenitra tadiavin’Andriamanitra.  Tsy misy afaka manao izany isika. Hoy ny tenin’Andriamanitra hoe, ‘Fa fahafatesana no tambin’ny ota, fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’I Kristy Jesosy Tompontsika.13  Mendrika ny fahafatesana isika, fa Jesosy kosa tonga nanala ny vesatry ny fahotantsika.  Nandoa ny tombam-bidin’ny otantsika Izy tamin’ny nanomezany ny ainy, dia ny nahafatesany naka ny toerantsika teo amin’ny hazofijaliana.  Tonga mpamono olona teo amin’ny toerantsika Izy, mba ahatonga antsika ho voavela heloka. Nentiny tamin’ny Tenany ny tsy fahamarinantsika lotontsika, ny fitaka, ny lainga, izay fahotana nataontsika ary nentiny ny faname- lohan’Andriamanitra antsika.  Raha manaiky ny handray izany famelana trosa izany ianao, dia ny liony izay nalatsany teo amin’ny hazofijaliana no hanadio anao ary hanome anao fiainana vaovao.”
“Ahoana no hanatanterahako izany?”  Hoy Karim nanontany.
Nitohy nanazava I Abou:  “Mila miaiky ny helokao amin’Andria- manitra ianao.  Ny dikan’ny hoe miaiky dia miaraka manaiky amin’Andriamanitra ianao fa mpanota ary mendrika ny hofaizina ary mila ny famelana ny helokao.”
“Firy volana, taona sa ela noho izany no ahafahany mamela ny heloko?”
“Manomboka amin’ny fotoana iaikenao heloka, dia efa mamela Izy.  Ary amin’ny fotoana handraisanao Azy ho Mpamonjinao dia tonga zanak’Andriamanitra ianao.”
“Tena tsara loatra tsy mampino izany.  Ahoana no ahalalako fa noraisiny aho?”  hoy Karim nanontany.
“Ny Tenin’Andriamanitra milaza hoe: Izay rehetra nomen’ny Raiko Ahy no manatona Ahy; ary izay manatona Ahy tsy ho laviko mihitsy.14
“Dia manakory raha manota indray aho,” hoy Karim niasa loha.
“Isaky ny manota ianao, dia miaike sy mangataha famelankeloka amin’Andriamanitra.  Aoka isika hijery ny zava-misy marina ry Karim. y fahavalon’Andriamanitra, dia ny devoly, dia tsy tia ny anarahanao an’I Jesosy.  Tsy maintsy misy ady lehibe ara-panahy handalovanao fa tsy misy tokony atahoranao na hahakivy anao.  Miaraka aminao foana Jesosy amin’izany lalana izany satria efa ‘nomen’ny herin’Andriamanitra antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’.15
“Indraindray ny fonao mitarika anao hiverina amin’ny fomba fiainanao taloha, ary ny namanao hiantso anao hoe ‘tsy mahatoky’, mety henjehina aza ianao ary ho avakavahan’ny olona fa izany koa anie no nihatra tamin’I Jesosy e! hoy Izy hoe, ‘fa ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Amiko kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena’.16  Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa ny fiainan’ny mpanaraka an’I Jesosy dia mitovy amin’ny hazakazaka ka mila maharitra mihazakazaka isika; koa amin’ izany, …aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anloantsika izao, mijery an’I Jesosy Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, …”17
“Hahatsapa ho olona hafa mihitsy ve zaho aorian’ny iovako ho mpanara-dia an’I Jesosy?”  hoy Karim te-hahalala.
“Tsy miankina amin’ny zavatra tsapanao akory ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.  Ny fifandraisanao Aminy dia azo antoka noho ny Teniny tsy azo ovaina sy tsy miova.  Rehefa nandray Azy ianao, dia tonga zanany.  Raha mino Azy ianao dia manana fiainana mandrakizay.  Hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe:  Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny Anarany; ary izay mino ny Zanakalahin’Andriamanitra dia manana fiainana mandrakizay’.”18
“Araka ny hevitrao ho vitako ve izany manaraka an’I Jesosy izany?” hoy Karim nanontany tsotra.
“Mila mibebaka tanteraka amin’ny fomba fanaonao taloha ianao ry Karim,”  hoy Abou nanazava.  “Ny fibebahana dia fanapahan-kevitra hiova.  Ilaozanao ny fahotana taloha.  Jesosy no tsy maintsy lasa tompon’ny fiainanao.  Izy no hanampy anao sy hiaraka aminao mandrakariva.  Amin’ny vavaka sy ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra ianao dia mandray hery avy amin’Azy handray hery avy Aminy ary mitombo avy amin’ny zaza ara-panahy ho amin’ny mpanaraka an’I Jesosy matotra.  Rehefa mitombo amin’ny fanahafana an’I Jesosy ianao dia tsy manintona anao intsony izao tontolo izao sy ny fahafinaretany, mandra-pamenoan’ny Fanahy masina anao.”
“Impiry isan’andro moa aho no tokony ivavaka?”
“Afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana
rehetra ianao. Kanefa manoro hevitra anao aho hanokana fotoana ao anatin’ny andro anankiray hamakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ivavahana, raha azo atao vao maraina mbola ahatsapanao fa tsy misy raha manelingelina anao.
“Inona no raha entiko am-bavaka?”  hoy Karim nanontany.
“Rehefa misy olana na fanapahan-kevitra sarotra raisinao dia mangataha Azy hanampy anao.  Asio fotana hideranao sy itsaohanao an’Andriamanitra ka rehefa mamaky ny Teniny ianao dia haneho fahamarinana aminao Izy, dia mangataka Azy hanampy anao hampihatra izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao ianao.  Tongava aty amiko isan’andro ianao dia miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra  isika.  Dia avy eo isika roa miara-mivory tsy tapaka amin’ny olona tia an’I Jesosy.  Ahoana ny hevitrao ry Karim?  Rehefa henonao ny zavatra rehetra, moa ve te-ho mpanaraka an’I Jesosy ianao?”
“Toa tsy mora izy izany ry Abou, sa manakory?’  hoy Karim.
“Eoa, marina raha lazainao izany.  Tsy ho mora, ka noho izany mila mieritreritra tsara ianao ary mihevitra ny raha takian’izany alohan’ny handraisanao fanapahan-kevitra.  Tsy hoe hanomboka hihazakazaka amin’ity hazakazaka ity ianao dia ho lavo hiala indray sa ahoana?”  Dia nitsiky I Abou ary namirapiratra ny masony teo am-pitenenana hoa,  “Mendrika ny hatao izany ry Karim, tsy misy raha sarobidy mihotran’izany hoe mifandray amin’Andriamanitra velona, Ilay Mpamorona izany.  Tsy misy raha azo ampitahaina amin’ny fananana antoka ny amin’ny famonjena.”
Nangina fotoana elaela Karim dia hoy izy, “Abou a! tsoriko aminao fa tsy andriko ny hamelana ny heloko sy ny hahalalako an’Andriamanitra manahaka ny fahalalanao Azy . Inona no tokony hataoko?”
“Afaka mivavaka karaha izao ianao:  Tompo Jesosy o! miaiky aho fa mpanota.  Mila famonjena amin’ny fahotana zaho.  Mino aho fa maty teo amin’ny toerako teo amin’ny hazofijaliana Ianao.  Ifonako ny fahotako.  Avelao ny heloko ary diovy amin’ny Ranao ny otako.  Te-ho voavela heloka ny amin’ny otako hatramin’izaho mbola kely aho.  Manaiky Anao ho Mpamonjiko aho.  Midira ato amin’ny fiainako ary aoka ho Mpamonjiko sy mpanjako Ianao. Atolotro Anao ny fiainako.  Te ho mpanara-dia Anao aho. Fenoy ny Fanahinao Masina aho.  Amen!”
                                  
1Asa 4:12;  2Jaona 3:16;  3Jaona 10:36;  4Apokalipsy 2:23;  5IJaona2:1&2;  6Matio 26:52;  7Matio 5:38,39;  8Matio 5:44;  9Jaona 8:46, I Petera 2:22;  10Matio 11:28-30;  11Matio 19:5,6;  12Lioka 10:10,11;  13Romana 6:23;  14Jaona 6:37;  15IIPetera 1:3;  16Marka 13:13;  17Hebreo 12:1-2;  18Jaona 1:12-14; Jaona 3:36.

Abrahama sy Isaka

Mianatra ny Amin'i Abrahama sy Isaka, i Abou sy Karam



Tsy niresaka firy izy ireo.  Nihalava ny andro ary niakatra ny hafanana.  Tamin’ny farany ny zanany lahy no nanala ny fahanginana hoe,”Baba?”
“Eoa zanako!”
“Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza izay zanak’ondry hatao fanatitra dorana?”
Ela vao nahavaly ny rainy hoe, “Andriamanitra no hiantoka ny fanatitra odorana anaka”.  Nisento lalina ny rainy ary niverina indray  ny fahanginana.
Nitopy matetika teny amin’ny rainy ny mason’Isaka.  Tsikariny fa misy raha hafahafa eny amin’ny endriky ny rainy izay efa nahazoazo taona ihany.  Nalahelo izy ary lasa fisainana. Nanaja ny rainy izy ka nangina.
Tonga teny an-tendrombohitra izy ireo ary nanondro ny tendrombohitra feno vato I Abrahama.  “Ity no tendrombohitra nofidin’andriamanitra anaka”, hoy izy.  “Misy vato ampy hananganana altara eto”.
Napetrak’Isaka ny kitay ary nanomboka nanangana altara izy, nalainy ny vato mavesatra teny amin’ny rainy, mba tsy hiasa mafy ilay matoy lahy.  Fantany tsara izay tokony atao satria efa nanao izany izy taloha.  Tsy ela dia vita tanteraka ny altara.  Napetrak’izy ireo ny hazo, vonona handoroana ny fanatitra.
Nobanjinin’Isaka fa nihenjana ny tarehin’ny rainy raha niady mafy ity matoy lahy mihazona ny ranomasony.  Dia nanatona ny zananilahy Abrahama. Nobedainy teo amin’ny sorony izy.  Nanomboka nikoriana ny tavan’ity matoy lahy ity ny ranomaso ary nitsororoka tamin’ny somony efa fotsy.
“Baba?”
“Nasain’Andriamanitra nanolotra anao ho fanatitra aho, anaka”.  Zara raha tafavoakany ireo teny ireo. Tankina ny feony.
“Baba, nahoana?”  Maina ny tendan’Isaka. Nidoboka ny fony.  Tsy avy niaina izy nandritry ny fotoana fohy.
“Ho porofo fa hankato azy aho amin’izay rehetra angatahiny amiko, anaka.”
Any am-pony lalina any dia fantatr’I Abrahama ny planin’Andriamanitra.  Mahatoky an’Andriamanitra amin’ny fony izy satria tia an’Andriamanitra.  Raha tadiavin’Andriamanitra ny hanaterany ny zananilahy, izay midika hoe hamono ny zananilahy izy ka handoro azy hatao fanatitra avy eo, dia hataony izany na dia karaha mahavaky ny fony aza.  Mitaky fankatoavana Andriamanitra, koa tsy nieritreritra aby an’izay hoe tsy hankato an’Andriamanitra velona izao izy; nefa fantany koa fa mahatoky mandrakariva Andriamanitra.  Tsy afaka miova Izy.  Niteny Andriamanitra fa ny taranak’I Abrahama dia tsy ho tambo isaina ary ho fitahiana ny firenena rehetra.  Nahatoky an’ Andriamanitra izy fa ho tanteraka io fampanantenana io, na dia tsy maintsy hatsangan’Andriamanitra mahery sy velona amin’ny maty aza ny zananilahy.
Misy raha hafa koa izay nahavaky loha an’I Abrahama andro maromaro izay.  Hainy fa ity Andriamanitra velona ity dia mankahala izany hoe zanakalahin’ny olombelona atao sorona, ho an’ny andriamani-tsy izy izay tompoin’ny olona izany.  Ka tsy hanao toy izany koa ve izy izao? Masina amin’ny toetra Andriamanitra.
Tsy hiondrika na oviana na oviana hirefarefa amin’ny tany toy ny mpanompo sampy izy.
Misy raha hafa ao an-tsainy.  Mahatoky an’Andriamanitra Izay fantany tokoa izy.  Tsy Andriamanitra fotsiny Izy tamin’I Abraham fa Sakaizany, Ilay tena hany azo itokisana, vonona hanolo tena ho azy, Sakaiza tia.
Nipetraka tsimoramora teo ambony vato nivangongo Isaka.  Nipetraka teo anilany Abrahama.  Niara-nipetraka teo elaela izy ireo, nangina, toy ny miandry an’Andriamanitra hanolotra ny ondry hatao fanatitra.  Nandalo teo anatrehany ny fiainan’Isaka.  Tsy mbola nanambady izy, tsy nanan-taranaka.  Koa ahoana izany no hahatantanteraka ny hoe indray andro any dia ho fitahiana ny firenena rehetra ny taranak’I Abrahama, raha tsy misy taranaka?  Diso ve ny fandraisany an’ilay hoe iza ilay zanaky ny fanekena?  Tsy maintsy hofaranana ny fiainany.  Angamba kosa misy raha vaovao hafa ao an-tsain’Andriamanitra ka!
Nojereny ity tenany efa antitra, ray mijaly, ka nataony teo an-tsorony ny tanany.  “Baba”, hoy izy.  “Andao hataontsika izay fanirian’Andriamanitra.  Afatory eo amin’ny altara karaha amin’ny fanaontsika amin’ny zanak’ondry zaho”.  Homen’Andriamanitra hery ianao hanatanteraka ny andraikitra”.
Noraisin’ny babany ny tady ary nafatony teo amin’ny kitay ny zanany.  Niadana ny fanaovany izany fa nataony azo antoka.  Notakonan’I Abrahama tamin’ny tanany havia ny mason-janany ary natsangany ny tanany havanana misy ny antsy maranitra toy ny fiharatra.  Nihenjana ny hoza-tanany.  Tao anaty fotoana fohy dia nihantona teo ambonin’ny zanany ny tanany, ary…
Toy ireny nisy varatra nilatsaka ireny ny rivotra nanodidina azy ireo, karaha nisy herimbaratra. Nangovitra ny tenan’I Abrahama sy Isaka iray manontolo, raha nitalakotrokotroka ny feo avy tany an-danitra nanao hoe,  Ry Abrahama! ryAbrahama! aza mamono ny zanakao lahy!  Fantatro izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, satria tsy niaro ny zanakao lahy tamiko, dia ilay lahitokanao ianao!1
Nahemotr’I Abrahama ny antsy ary napetrany amin’ny toerany.  Nihoaran’Isaka ny rainy ka izy no nahita ondrilahy voalohany voasarangotry ny tsilo.
“Jereo moa iry Baba!  Niantoka Andriamanitra!  Niantso mafy faran’izay takany izy hoe”.  Niantoka Andriamanitra anaka!  Niantso mafy ilay ray hipoky ny hafaliana.
Niara-namaha ny ondrilahy izy mianaka ary nandoro izany teo ambony altara sady nitsaoka sy nidera an’Andriamanitra.
                  
“Tsara izany tantara izany! Hoy Karim.  “Tena mahay mitantara ianao ry Abou!  Fa misy raha vitsivitsy tsy azoko.  Naninona Andriamanitra Tsitoha no mitondra an’I Abrahama amin’izany hoe efa saika namono ny zananilahy izany, dia avy teo nampijanona azy?  Tsy karaha tsy misy dikany ve izany?”
“Raha jerena ivelany dia izany tokoa,” hoy Abou namaly, fa misy raha lehibe kokoa noho izany ao amin’io tantara io.  Ny tena izy, tamin’ny fitondrana an’Isaka ho fanatitra nataon’I Abrahama dia efa voambara mialoha sahady ny tantaram-pamonjena”.
“Fa manino anao milaza an’izany?  Hoy Karim nanontany.
“Izao no nambara tamin’I Abrahama:  ‘Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao’’2  Ny Soratra Masina dia milaza amintsika hoe, ‘Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, tsy iza izany fa izaho sy ianao sy ny hafa rehetra, ‘ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay’’3.  Hitanao Karim a!ny fahafatesan’I Jesosy akory tsy hoe raha nitranga tamin’I Jesosy fotsiny, ka nandritr’izany dia nijery fotsiny eny lavitra eny Andriamanitra.  Tsia, NATOLOTRY ny Ray ny hany Zananilahy satria tiany ny olombelona ary tiany ho voavonjy.  Toy izao no filazan’I Jaona apostoly azy:  ‘Izao ny fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika’.4
Dia notohizan’I Abou ny fahazavana.  “Ankoatr’izany Isaka dia teraka tamin’ny fomba miavaka.  Jesosy dia notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina.  Izy roa ireo dia teraka avy amin’ny teny fikasan’Andriamanitra.  Saika hatao fanatitra odorana Isaka.  Ny fanatitra odorana dia fanatitra noho ny ota.  Tadidio ny tenin’I Jaona mpanao batisa rehefa nahita an’I Jesosy nanatona azy hoe, ‘Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.’5  Ity anefa ny fahasamihafana:  nosakanan’Andriamanitra Abrahama tsy hamono ny zanany, fa Jesosy kosa tsy maintsy nizotra tamin’ny fahafatesana.  Fa rehefa vitany ny asa nanirahana Azy, dia nitsanagana tamin’ny maty Izy.
“Azonao amin’izay ve ny hevi-dalina  mikasika ny fanatitra momba an’Isaka?”  Hoy Abou nanontany.
“Eoa, araka ny hevitro”, hoy Karim nanaiky tamin’ny lohany, “Nasehon’Andriamanitra tamin’ny olony fa mbola hanao raha lehibe mihoatran’izany Izy any afara any.”
“Eoa, izany indrindra.  Nentin’I Abrahama teny an-tendrombohitra feno vato Isaka, toerana notendren’Andriamanitra halehany hanolorana ny zanany hatao fanatitra; amin’ny alalan’izany no itenenan’Andriamanitra amin’ny olona hoe, “Indray andro any Aho hifidy tendrombohitra be vato izay hanolorako ny Zanako ho fanatitra ho an’ny fahotan’ny olombelona, satria tiako izy ireo ary tiako hihavana Amiko”.
Talanjona Karim.  “Mahagaga izany, tsy izay mihitsy ny fomba nandraisako ny tantaran’I Abrahama sy Isaka hatramin’izay”.
“Dia mbola misy ankoatr’izay,” hoy Abou.  “Ilay ondrilahy akory tsy kisendrasendra ny naha-ondrilahy azy.  Tsy maintsy biby, lahy.  Nony avy teo Andriamanitra nanome an’I Mosesy ny tokony ho endriky ny fanatitra, dia nomarihiny fa ny fanatitra odorana dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema, biby tsy misy kilema. Izany koa dia sarin’I Jesosy izay hany olombelona tsy nanana ota.”
“Ka inona marina ary ity fanatitra odorana ity?”  Hoy Karim te-hahalala.
“Io dia fanatitra noho ny ota.  Ny olona izay te-hanao fanatitra noho ny otany dia mitondra ondrilahy any amin’ny mpisorona.  Apetrany eo ambony lohan’ilay biby aloha ny tanany toy ny manambara hoe’maka ny toerako ity biby ity, ka ity izao no maty misolo ny toerana ahy’.  Im-betsaka isan’andro izany no miseho.”
“Mbola mila manao izany ve isika amin’izao fotoana iz ao?”  Hoy Karim nanontany.
“Tsia, Izay no fiafarana mahafinaritra.  Jesosy no fanatitra fara-tampony.  Rehefa natao fanatitra Jesosy dia nitsahatra ny fanatitra biby rehetra.  Hoy ny Soratra Masina hoe,  ‘Fa Mpisoronabe toy izao no mendrika ho antsika, dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra.  Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’andro tahaka ny ataon’ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, dia vao noho ny otan’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanatitra ny Tenany Izy’.”6
“Koa nentin’I Jesosy izany ny otan’ny olona rehetra ka tsy manana ota intsony ny olombelona?”
“Tsia, tsy izany velively”, hoy Abou.  “Tadidio ilay olona izay soloin’ilay biby toerana dia manaiky ny hahafatesan’ilay biby eo amin’ny toerany?  Toy izany koa Jesosy.  Ny olona izay manaiky ny fanatitra nataony dia voadio tamin’ny ota.  Toy izao no filazan’I Jaona azy:  ’…Fa raha mandeha amin’ny mazava isika, tahaka Azy ao amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’I Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.  Raha hoy isika tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ao anatintsika.  Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Rah hoy isika tsy manana ota isika , dia mampandainga Azy ary ny marina tsy ato anatintsika”.7  Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny Anarany…8
“Koa ahoana no fomba iaikeko ny heloko?”
“Lazao Azy!.  Velona Andriamanitra ka dia afaka miresaka Aminy ianao na amin’ny fotoana inona na aiza na aiza, karaha antsika mifampiresaka io.  Aleo omeko maodely ianao sy ny tokony hanaovanao izany.  Mivavaha manao hoe:
Andriamanitra velona o! manaja Anao amin’ny maha-velona sy Marina anao aho; Anao tia zaho loatra ka nanolotra ny Zanakao lahy ho faty nisolo anakahy.  Manaiky ny sorona nataon’I Jesosy noho ny fahotako zaho.  Miaiky ny fahotako zaho. Manaiky zaho fa mpanota. Misaotra Anao Jesosy naty teo amin’ny toerako.  Misaotra Anao fa mamela ny heloko Anao ary manadio ny fahotako amin’ny lionao.  Mandray Anao ho Mpamonjy zaho.  Araka ny Teninao dia omenao hery zaho ho tonga zanak’Andriamanitra rehefa mandray Anao sy mino ny Anaranao.  Mino ny Anaranao zaho. Misaotra Anao zaho Jesosy o!
 
1Genesisy 21:11-12;  2Genesisy 22:2;  3Jaona 3:16;  4I Jaona 4:10;  5Jaona 1:29  6Hebreo 7:26-27;  7I Jaona 1:7-10;  8Jaona 1:12.